Avia, hanaraka Ahy
26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6: “Mba tiako ny handresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”


“26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6: -Mba tiako ny handresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Môrmôna manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

I Môrmôna mamintina ireo takelaka, nataon’i Tom Lovell

26 ôktôbra–1 nôvambra

Môrmôna 1–6

“Mba tiako ny handresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”

Ireo zava-nitranga voalaza ao amin’ny Môrmôna 1-6 dia mety ho sarotra takarina ho an’ny ankizy, kanefa mbola afaka mianatra lesona avy amin’ny tantaran’i Môrmôna izay niaina tamim-pahamarinana ao amin’ny tontolo ratsy izy ireo. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra niainany mba hampianarana ireo ankizy ny fomba hijanonana ho mahatoky amin’ny filazantsara?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Inona no fantatry ny ankizy momba an’i Môrmôna? Asao izy ireo mba hizara amin’ireo fianakaviany ny zavatra fantany na nianarany. Mampisehoa sarin’i Môrmôna, tahaka ilay anankiray ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môrmôna 1:1–3

Afaka ny ho marina toa an’i Môrmôna aho.

Na dia mbola kely aza ireo ankizy ampianarinao dia afaka mampitombo ny toetra ara-panahy izy ireo ary miaina amim-pahamarinana.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Môrmôna 1:1-3 amin’ny ankizy, na ampiasao “Toko 49: Môrmôna sy ny fampianarany” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 138-42). Asao izy ireo hihaino hoe firy taona i Môrmôna rehefa nanome azy iraka manokana i Amarôna. Avy eo dia angataho izy ireo hampakatra ny isan’ny rantsan-tanana amin’izany. Mba hanampiana ireo ankizy haka sary an-tsaina hoe firy taona i Môrmôna, dia asehoy azy ireo ny sarin’ny olona iray izay 10 taona. Ampio izy ireo hahatakatra ireo toetra izay hitan’i Amarôna tao amin’i Môrmôna fony izy mbola kely, ary mijoroa ho vavolombelona fa ny ankizy dia afaka ny ho tonga tahaka an’i Môrmôna rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo.

  • Manaova kilalao iray ka ny ankizy dia hamerina ireo fihetsika tsotra izay ataonao. Avy eo dia asehoy ny sarin’ny zavatra nataon’i Jesoa, ary resaho hoe ahoana no ahafahantsika manaraka Azy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 33–35, 41–42). Ifanakalozy hevitra ireo fomba nanarahan’i Môrmôna an’i Jesoa Kristy. Ohatra: tamin’ny fampianarana ny filazantsara, famporisihana ny olona hankatò an’Andriamanitra, ary ny fitiavana ny hafa.

Môrmôna 3:3, 9

Manome fitahiana maro ahy ny Ray any An-danitra.

Ny fampianaran’i Môrmôna dia afaka manampy ireo ankizy hamantatra ireo fitahiana izay nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Môrmôna 3:3 sy 9, ary hazavao fa tsy fantatry ny Nefita fa notahian’ny Ray any An-danitra izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo. Mampisehoa sary na zavatra mba hanomezana azy ireo hevitra. Inona no azontsika atao ankehitriny mba hampisehoana fa mankasitraka ny Ray any An-danitra isika noho ireo fitahiana azontsika?

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo, ary angataho izy ireo mba hanao sary ny sasany amin’ireo fitahiana ireo. Asao izy ireo hanantona ny sariny any an-trano eo amin’ny toerana izay hahitany izany sy hahatsiarovany fa ny Ray any An-danitra dia mitahy azy ireo amin’ny fomba maro. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hamantatra ireo fitahiana azo avy amin’ny Ray any An-danitra rehefa mihira ny andininy voalohany amin’ny “Misaotra Anao aho ô ry Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 9).

Môrmôna 3:12

Tian’ny Ray any An-danitra ho tia ny olon-drehetra aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanana faniriana hahatsapa fitiavana ho an’ireo manodidina azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hanao sarina olona iray eo amin’ny solaitrabe ary mariho fa tsy misy mitovy ireo olona nataon’izy ireo sary. Manaova sarina fo lehibe manodidina ireo sary rehetra. Ampio ny ankizy hahatakatra fa irian’ny Ray any An-danitra ny hitiavantsika ny olona rehetra. Vakio ny Môrmôna 3:12, ka antitrantero ireo teny hoe “fitiavana” sy “tia”. Inona no nataon’i Môrmôna mba hampisehoana ny fitiavany ny hafa?

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 61) sady mampisehoa sarin’ankizy manerana izao tontolo izao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany rehetra. Ataovy miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môrmôna 1:1–3; 2:1, 23–24; 3:1–3, 12, 17–22

Afaka ny ho marina toa an’i Môrmôna aho.

Tena mbola zaza i Môrmôna rehefa fantatr’ i Amarôna fa handray andraikitra hikarakara ireo rakitsoratra masina izy. Inona avy ireo toetra tsara hitanao amin’ny ankizy ampianarinao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy tsirairay hamaky ny iray amin’ireto andalan-tsoratra manaraka ireto, ary ampio izy ireo hizara ny zavatra nianarany momba an’i Môrmôna: Môrmôna 1:1–3, 2:1, 23–24, ary 3:1–3, 12, 20–22. Avy eo dia zarao ireo toetra tsara izay hitanao amin’ny ankizy tsirairay.

  • Asehoy ny sarin’i Môrmôna (jereo ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Ampio ny ankizy hahita fa satria i Môrmôna dia tompon’andraikitra sy azo itokisana mba hihazona sy hitahiry ireo rakitsoratry ny Nefita, dia manana ny Bokin’i Môrmôna isika ankehitriny. Miresaha amin’ny ankizy momba ny dikan’ny hoe tompon’andraikitra sy azo itokisana. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo ho tonga tompon’andraikitra kokoa.

    Sary
    I Môrmôna fony izy zazalahy

    I Môrmôna, 10 taona, nataon’i Scott M. Snow

Môrmôna 2:8–15; 5:10–11

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitondra fiovana marina.

Hitan’i Môrmôna fa nalahelo ny Nefita ratsy fanahy, saingy ny alahelony dia tsy ilay karazana izay nanentana azy ireo hibebaka (jereo ny Môrmôna 2:13). Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny fahasamihafana misy eo amin’ny alahelo araka izao tontolo izao sy ny alahelo araka an’Andriamanitra izay mitarika ho amin’ny fibebahana?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: Ny alahelo izay mitarika ho amin’ny fibebahana sy ny alahelo tsy miteraka fibebahana. Asao ny ankizy hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny Môrmôna 2:8, 10-15. Ampio izy ireo hanoratra ireo zavatra izay nianarany momba ny alahelo eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’ny solaitrabe. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ny alahelo tsapantsika noho ny fahotantsika dia mitarika antsika hiova?

  • Manasà mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ray na renin’ny iray amin’ireo ankizy mba hizara amin’ny mpianatra ny fomba ahafahan’ny alahelo araka an’Andriamanitra hanampy antsika hiova ka ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra raha mahatsapa alahelo araka an’Andriamanitra isika na alahelo araka izao tontolo izao? Asao ny ankizy mba hizaha ny Môrmôna 2:12 ka hitady ireo antony hoe nahoana ny fibebahana no tokony hahatonga ny “fon[tsika] … hifaly” (Môrmôna 2:12).

Môrmôna 3:12

Afaka mahatsapa ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ny hafa aho.

Matetika dia mora ny mitia ireo izay tia antsika sy mitovy amintsika, saingy i Môrmôna dia naneho fa afaka ny ho tia ireo izay mino sy manao fihetsika tsy mitovy amin’izay ataontsika isika miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy iray hamaky ny Môrmôna 3:12, ary asao ny ankizy hanoratra fehezan-teny iray izay mamintina ny zavatra nianarany avy tamin’i Môrmôna momba ny fitiavana ny hafa. Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra nosoratany. Ahoana no ahafahantsika mahatsapa ny fitiavana ananan’Andriamanitra ho an’ny hafa? (jereo ny Môrônia 7:48). Inona no azontsika atao mba hampisehoana ny fitiavantsika ireo olona ao amin’ny kilasintsika sy ao amin’ny fianakaviantsika?

  • Asao ny ankizy hamita ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Ampio izy ireo hieritreritra fomba manan-danja hanehoana fitiavana amin’ny olona izay tsy mitovy amintsika.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hametraka ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity amin’ny toerana iray any an-trano mba hampahatsiahy azy ireo ny hampiseho fitiavana ho an’ny hafa. Omeo fahafahana hizara ny zavatra nataony izy ireo amin’ny fotoam-pianarana manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Ovao ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny taonan’ireo ankizy ampianarinao. Ny ankizy kely dia mila fanazavana amin’ny antsipiriany sy mianatra avy amin’ny karazana fomba fampianarana tsotra kokoa. Rehefa mihamatotra izy ireo dia afaka mandray anjara bebe kokoa ary hahay hizara ny eritreriny bebe kokoa izy ireo. Omeo fahafahana ny ankizy rehetra afaka manao izany araka ny salan-taonany mba hizara sy hijoro ho vavolombelona ary handray anjara, ary ampio araka izay ilaina izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)