Doctrine and Covenants 2025
15–21 Septambra: “Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105


“15–21 septambra: -Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Tobin’i Ziona

C.C.A. Christensen (1831–1912), Zion’s Camp [Tobin’i Ziona], c. 1878, tempera sur mousseline, 196 cm. x 287 cm. Tranombakoky ny zava-kanto ao Brigham Young University, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970.

15–21 septambra: “Aorian’ny fahoriana be … dia avy ny fitahiana”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Nalahelo be ireo Olomasina tao Kirtland raha naheno fa noroahina hiala ny fonenan’izy ireo ny rahalahy sy rahavavin’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri. Mety ho nankahery tokoa, tamin’izany, rehefa nanambara ny Tompo fa ny “fanavotana an’i Ziona” dia “ho tonga amin-kery” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:15). Lehilahy 200 mahery, niampy vehivavy sy ankizy 25 teo ho eo, izay nihazona izany fampanantenana izany tao am-pony, no nirotsaka tao anatin’ilay nantsoin’izy ireo hoe ny Tobin’i Isiraely, ary taty aoriany dia fantatra tamin’ny hoe Tobin’i Ziona. Ny mandeha an-tongotra mankany Missouri sy hanavotra an’i Ziona no asa nanirahana azy.

Ho an’ireo mpikambana tao amin’ilay toby, ny dikan’ny hoe manavotra an’i Ziona dia hoe mamerina ireo Olomasina any amin’ny tanin’izy ireo. Saingy taloha kelin’ny nahatongavan’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson dia niteny tamin’i Joseph Smith ny Tompo mba handrava ny Tobin’i Ziona. Nisavorovoro saina sy tezitra ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay toby. Toy ny tsy nahomby ilay dia ary tsy tontosa ireo fampanantenan’ny Tompo. Ny hafa kosa dia nanana fomba fijery hafa mahakasika izany. Raha toa ka tsy niverina mihitsy tamin’ireo Olomasina natao sesitany ny tany sy ny tranon’izy ireo, ny zavatra niainan’izy ireo kosa dia nitondra ampahana “fanavotana” ho an’i Ziona, ary izany dia “tonga tamin-kery.” Ireo mpikambana mahatokin’ny Tobin’i Ziona, izay ny ankabetsahany tamin’izany no lasa mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia nijoro ho vavolombelona fa ilay traikefa dia nampiorim-paka ny finoan’izy ireo ny herin’ Andriamanitra, sy ny antso masin’i Joseph Smith ary ny finoany an’i Ziona—tsy ilay Ziona izay toerana fotsiny fa ilay Ziona izay vahoakan’ Andriamanitra. Tsy nisalasala ny amin’izay lanjan’ity asa toa tsy nahomby ity izy ireo, fa nianatra kosa fa ny tena asa dia ny manaraka ny Mpamonjy, eny, na dia tsy mahatakatra ny zava-drehetra aza isika. Amin’izany fomba izany no hanavotana an’i Ziona amin’ny farany.

Jereo ny Saints, 1:194–206; “L’offrande acceptable du camp de Sion,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 213–18.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:12–23

Inona no antony hanaovana ny filankevitra handinihana ny maha mpikamban’ny Fiangonana?

Ny andininy 102 dia mirakitra ireo firaketana an-tsoratra amin’ny antsipiriany ireo fivoriana tao Kirtland, Ohio, izay nanorenana ny filankevitra avo voalohany an’ny Fiangonana. Ao amin’ny andininy 12–23 ny Tompo dia mamariparitra ireo dingana tsy maintsy arahin’ireo filankevitra avo rehefa manao filankevitra handinihana ny maha mpikamban’ny Fiangonana ho an’ireo izay nanao fandikan-dalàna goavana izy ireo.

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Indraindray ny mpikambana dia manontany ny antony hanaovana ireo [filankevitra mandinika ny maha mpikamban’ny] Fiangonana. Misy tanjona telo lehibe: mba hanavotana ny fanahin’ilay mpandika lalàna, mba hiarovana ny tsy manan-tsiny, ary mba hiarovana ny fahadiovana sy ny fahamarinana ary ny laza tsaran’ny Fiangonana.” (“A Chance to Start Over: Church Disciplinary Councils and the Restoration of Blessings,” Ensign, Sept. 1990, 15).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–12, 36; 105:1–19

I Ziona dia tsy azo aorina afa-tsy eo ambonin’ny fitsipiky ny fahamarinana.

Nahoana no votsotra teo an-tanan’ireo Olomasina ny tany nampanantenaina ho azy ireo tao Missouri? Mety misy antony maro, hoy ny Tompo, ary farafahakeliny ny iray dia ny “fandikan-dalàn’ny vahoakako.” Fa raha tsy noho izany, dia “mety ho efa navotana” i Ziona (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:2). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:1–12, 36105:1–19 ianao, dia mety hahatsikaritra zavatra izay mety nanakana ny fanorenana an’i Ziona tao Missouri sy ireo zavatra hafa izay mety ho afaka nanampy. Inona no zavatra ianaranao izay afaka manampy anao hanorina an’i Ziona ao am-ponao sy ao an-tokantranonao ary eo amin’ny fiarahamonina misy anao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12–13, 36; 105: 1– 6, 9–19

sary famantarana ny seminera
Tonga aorian’ny fizahan-toetra ny finoana ny fitahiana.

Amin’ny fomba maro no naha-fisedrana ny finoana ny fandraisana anjara tamin’ny Tobin’i Ziona. Lava ny dia, nafana be ny andro ary indraindray dia tena tsy ampy ny rano sy ny sakafo. Taorian’ny zava-drehetra izay niaretan’izy ireo dia tsy mbola nahomby tamin’ny famerenana ny Olomasina amin’ny taniny ny Tobin’i Ziona. Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana ianao hanoratra taratasy ho an’ny olona iray tao amin’ny Tobin’i Ziona izay voahozongozon’ny zavatra niainany ny finoany ny Tompo. Inona no mety holazainao mba hankaherezana io olona io? Inona no hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103: 5– 7, 12–13, 36; 105:1–6, 9–19 izay mety hanampy?

Avy eo dia afaka mieritreritra ohatra ana fitsapana maoderina kokoa tahaka ny Tobin’i Ziona ianao, toy ny misiônera miasa mafy, saingy tsy misy olona miditra ho mpikamban’ny Fiangonana noho ny ezaka ataony. Araka ny zavatra izay nohalalininao dia ahoana no hanampianao izany misiônera izany hahita fa mbola nahomby ihany ny asa fitoriana nataony?

Inona no fitahiana nomen’ny Tompo anao “[t]aorian’ny fahoriana be”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:12).

Jereo koa ny 1 Nefia 11:16–17; Almà 7:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:33–36; 84:88; 101:35–36; “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12.

Miomana amin’ny alalan’ny fandalinana ny sahan-kevitra ara-tantaran’ireo fanambarana. Ny fahatakarana ny sahan-kevitr’ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mety hanampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo fitsipika ampianarin’izany. Ny Avia, hanaraka Ahy dia manome rohy maro hahitana ireo loharanom-pahalalana ireo. Ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–5, dia jereo ny Olomasina, 1:194–206; “L’offrande acceptable du camp de Sion,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 213–18; sy ny “Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny: Tobin’i Ziona.”

Renirano ao Missouri, Etazonia

Nitoby nanaraka ny moron’ny Reniranon’i Little Fishing ny Tobin’i Isiraely.

Inona no tanjon’ny fitsapana?

Diniho ny torohevitra nomen’ny Loholona Orson F. Whitney momba ny tanjon’ny fitsapana: “Tsy misy fanaintainana mihatra amintsika na fitsapana mianjady amintsika ka handalo fotsiny. Mampianatra antsika izany mba hitomboan’ ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetren-tena. Ny zavatra rehetra mihatra amintsika sy ny zavatra rehetra iaretantsika, indrindra fa rehefa miaritra izany amim-paharetana isika, dia manefy ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika, ary mahatonga antsika ho be fitavana kokoa sy tia miantra, mendrika kokoa ny ho antsoina hoe zanak’ Andriamanitra … ary amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana, ny zava-tsarotra sy ny fahoriana no hahazoantsika ny fanabeazana izay ny hahazoana izany no nahatongavantsika ety sy hahatonga antsika hitovy kokoa amin’ny Raintsika sy ny Renintsika any An-danitra” (ao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 98).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104: 11–18, 78–83

Nataon’ny Tompo “mpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany” aho.

Ankoatra ny fisedrana tany Missouri, ny Fiangonana dia nisedra fahasarotana ara-bola tamin’ny 1834, ary tao anatin’izany ny trosa sy ny fandaniana be. Ao amin’ny fizarana 104 ny Tompo dia nanome torohevitra mikasika ny toe-bolan’ny Fiangonana. Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fitsipika ao amin’ny andininy 11–18 sy 78–83 amin’ny fanapahan-kevitrao ara-bola manokana?

20:32

Treasure in Heaven: The John Tanner Story

3:49

PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_TheLaborOfHisHands_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9

Afaka ny ho “fahazavana ho an’izao tontolo izao” aho rehefa manara-dia an’i Jesoa.

labozia mirehitra

Afaka ny ho toy ny fahazavana ho an’ny hafa aho rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–18

Tian’ny Tompo hizara ny zavatra anananako amin’ireo olona sahirana aho.

  • Azonao atao ny manome minitra vitsy ny ankizy mba hanao lisitra ireo fitahiana nomen’Andriamanitra azy ireo (toy ny sakafo, fitafiana, talenta, finoana, ary trano fonenana). Amporisiho izy ireo hitanisa betsaka araka izay hitany. Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–18 ianareo mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto: Iza no tena tompon’ny zavatra rehetra? Inona no tiany hataontsika amin’ireny zavatra ireny? Afaka mizara zavatra niainana izay nanomezan’olona anareo zavatra izay nilainareo ianao sy ny ankizy.

    2:14

    Ilay palitao

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:42

Hitahy ahy ny Tompo rehefa mitandrina ny didiny aho.

  • Imbetsaka ao amin’ny fizarana 104 ny Tompo no mampanantena “hamaron’ny fitahiana” ho an’ireo olona izay mankatò ny didiny amim-pahatokiana. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “hamaroa[na]”, dia afaka manao sarina faribolana ianao ary mangataka ireo ankizy hanampy anao hampitombo ny isan’ireo faribolana, manao sarina faribolana roa, dia avy eo efatra, dia valo, dia enina ambin’ny folo, sns. Isaky ny manampy faribolana ianareo dia ampio ny ankizy hieritreritra fitahiana iray nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:39–40

Afaka ny ho mpampihavana aho.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahafantatra ny tantaran’ny Tobin’i Ziona, dia afaka mizara ny “Toko 36: Ny Tobin’i Ziona,” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 135–39). Aatoy matetika mba hiresahana momba ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny Tobin’i Ziona, ohatra hoe, tian’ny Tompo ho tia fihavanana sy hiara-hiasa isika fa tsy hifanditra sy hiady (jereo koa ny Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98–101).

  • Azonao vakina koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–40 ary angataho ny ankizy hitsangana isaky ny mahare ny teny hoe “fiadanana.” Hazavao fa tian’ny Tompo hihavana tamin’ireo olona izay ratsy fanahy ny olomasina. Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao mba ho mpampihavana, ary asao izy ireo mba hilalao an-tsehatra ireo toe-javatra misy.

4:25

The Camp of Israel

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

hosodoko maneho ny Tobin’i Ziona

Tobin’i Ziona [Tobin’i Ziona eo amin’ny Reniranon’i Fishing],, nataon’i Judith A. Mehr

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy