Seminera
Etera 13–15: Mandresy ny fahatezerana


“Etera 13–15: Mandresy ny fahatezerana” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Etera 13–15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Etera 13–15

Mandresy ny fahatezerana

Sary
Zatovolahy kivy miaraka amin’ny rainy tazana eo ambadimbadika

Amin’ny fitiavany lehibe no amelan’ny ny Ray any An-danitra antsika hiaina fihetseham-po isan-karazany mandritra ny fiainana an-tany, toy ny fitiavana, fiadanana, alahelo ary ny fahasorenana. Ny fiainana ireny fihetseham-po ireny dia mamela antsika hianatra. Rehefa nanohy nikomy tamin’ny Tompo ny Jaredita, dia navelan’izy ireo ny fihetseham-pony hitarika tamina fanapahan-kevitra izay nahatonga fahapotehan’ny sivilizasiônan’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handresy ny fakam-panahy hanao zavatra amim-pahatezerana mandritra ny fiainanao.

Ny vokatry ny fahatezerana

Vakio na jereo ity tantara manaraka nozarain’ny Filoha Thomas S.Monson (1927–2018) mombana mpirahalahy izay niara-nipetraka nandritra ny fiainan’izy ireo.

Taona maro lasa izay no namakiako ity lahatsoratra an-gazety iray novokarin’ireo Fikambanan’ny mpanao gazety ity: Lehilahy lehibe iray no nanambara ampahibemaso nandritra ny fandevenana ny rahalahiny izay niara-nipetraka taminy hatramin’ny fahakeliny tao anatin’ny efitrano kely iray akaikin’i Canisteo New York, fa taorian’ny fifamaliana iray dia nozarain’izy ireo roa tamin’ny alalan’ny tsipika nosoritana tamin’ny tsaoka ilay efitrano ary tsy nisy niampita ilay tsipika izy ireo na nifampiteny nanomboka tamin’izay andro izay, 62 taona talohan’izay. Mba eritrereto fotsiny hoe ny vokatr’izany hatezerana izany. (Thomas S. Monson, “Sois vainqueur de tes sentiments, ô mon frère [Beazo ny fihetseham-ponao ry rahalahiko],” Ensign na Liahona, Nov. 2009, 68–69)

  • Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’ny Filoha Monson momba ireo mpirahalahy? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja eo amin’izao tontolo izao io hafatra io ankehitriny?

Eritrereto ny fihetseham-ponao manokana sy ny hatetiky ny fahatezeranao. Hevero hoe inona no toe-javatra mety hahatezitra anao ary ahoana no iantraikan’izany fahatezerana izany amin’ny fisainanao, zavatra ataonao ary ny fifandraisanao aman’olona.

Toe-javatra manahirana vao mainka miharatsy vokatry ny fahatezerana

Tamin’ny andron’i Etera mpaminany dia tena mamohehatra ny olona. Tsy maintsy nipetraka tany an-davabato i Etera mba hiafenany ireo izay nikatsaka ny hamono azy. Niady lalandava ny miaramila mpifahavalo. Notarihin’ny mpanjaka iray nantsoina hoe Kôriantomira ny tafika iray, ary ny iray hafa dia notarihina mpikomy isan-karazany tamina fotoana samy hafa, anisan’izany ny lehilahy iray nantsoina hoe Sareda. Nampitandrina an’i Kôrinatomira hibebaka i Etera fa raha tsy izany dia hofongorana ny vahoaka.

Vakio ny Etera 13:22–31, hitadiavana ny fomba niantraikan’ny fahatezerana tamin’ny zavatra nataon’ny olona.

  • Inona no hitanao?

Ny famongorana ny Jaredita dia maneho ny loza ateraky ny famikirana amin’ny fahatezerana. Nahomby tamin’ny fandresena an’i Sareda i Kôriantomira sy ny tafiny tamin’ny farany. Saingy nisy hafa nitsangana hitarika ireo mpikomy, tao anatin’izany i Siza. Taorian’ny namonoana an-tapitrisany tamin’ny olony, i Kôriantomira dia niezaka nanajanona ny fandatsahan-drà tamin’ny alalan’ny fanoratana taratasy maro tany amin’i Siza mba hikatsahana fandriampahalemana.

Vakio ny Etera 15:5–6, 15–30, hitadiavana ny fiantraikan’ny fahatezeran’ny Jaredita tamin’ny isam-batan’olona sy vondron’olona.

  • Tamin’ny fomba ahoana no niantraikan’ny fahatezerana tamin’olona tahaka an’i Kôriantomira sy i Siza ary ny hafa? Ahoana no niantraikan’ny fahatezeran’izy ireo tamin’ny olona nanodidina azy ireo?

Fahamarinana iray ampianarin’io tantara io ny hoe ny fahatezerana dia mety hitarika antsika hanao safidy izay mandratra ny tenantsika sy ny hafa.

  • Toy ny ahoana no nahitanao fiantraikan’ny fahatezerana tamina mpinamana, mpiray ekipa, mpikamban’ny paroasy, na olona ao amin’ny fianakaviana?

Nanazava ny antony tokony hikatsahantsika ny handresy ny fihetseham-pon’ny fahatezerana sy fifandirana ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Nangatahan’i Jesoa isika ny “hiara-honina amim-pitiavana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45] ka “tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo” [3 Nefia 11:22]. “Izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy,” hoy Izy nampitandrina ny Nefita [3 Nefia 11:29]. Mazava ho azy fa hamaritra be ny fifandraisantsika amin’i Kristy, na farafahakeliny hitondra fiantraikany eo amin’izany, ny fifandraisana misy eo amintsika. (Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 78)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana araka ny eritreritrao no misy fiantraikany amin’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy ny fifandraisantsika amin’ny hafa?

    • Inona no mahasarotra ny miala amin’ny fanaovana zavatra amim-pahatezerana?

    • Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ny fahatezerana?

  1. Vitao farafahakeliny ny iray amin’ireto safidy manaraka ireto.

Safidy A. Ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny hatsaram-panahy

Mandalìna farafahakeliny ohatra iray teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay azony nanaovana fihetsika tamim-pahatezerana saingy nisafidianany ny hamaly tamim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Azonao atao ny mandalina ny Fanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana (jereo ny Lioka 23:33–43) na tamin’ny fotoana nitondrana teo Aminy ny vehivavy iray nijangajanga (jereo ny Jaona 8:1–11).

Manorata famintinana ny toe-javatra natrehin’ny Mpamonjy sy ny fomba namaliany. Avy eo dia raketo an-tsoratra ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony rehefa miatrika toe-javatra sarotra ianao amin’ny hoavy.

Safidy B. Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny hatsaram-panahy

Mamoròna rafi-tantara maneho toe-java-misy izay ahitana olona iray tezitra amin’ny olona iray hafa. Asio antsipiriany, isan’izany ny anarana sy ny anton’ilay fahatezerana.

Rehefa avy mamorona rafi-tantara ianao, dia raketo an-tsoratra ny fomba ahafahan’ny olona tsirairay ao amin’ilay tantara mamaly amin-katsaram-panahy. Mety hanampy raha eritreretina ny fomba mety ho namalian’ny Mpamonjy raha teo Izy. Raketo an-tsoratra ihany koa ny fomba mety hisehoan’ilay rafi-tantara raha mamaly amim-pahatezerana ny olona.

Fanasana hiala amin’ny fahatezerana

Nilaza toy izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Tsy misy amintsika afaka mifehy firenena na mifehy ny zavatra ataon’ny hafa na dia ny ataon’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika aza. Saingy afaka mifehy ny tenantsika isika tsirairay” (“Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 97).

Manaova drafitra amin’ny zavatra azonao atao mba hifehezana ny tenanao sy handresena ny fahatezerana. Mety hifandray amin’ny fomba itondranao olona manokana na anaovanao fihetsika mamaly azy ny drafitra ataonao. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatry ny Mpamonjy izany. Ataovy azo antoka ny mampiditra fomba azonao anatonana ny Ray any An-danitra mba hahazoana fanampiana avy amin’ Andriamanitra na mandritra ny toe-javatra sarotra.