Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 21: Takaro ary hazavao


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 21: Takaro ary hazavao,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 21,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 21

Takaro ary hazavao

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ho afaka manazava azy ireny amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana mampitombo ny fahatakaranao fahamarinana sy manazava izany avy amina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Mahatakatra ny soratra masina

Jereo ireto sary manaraka ireto:

Sary
sarina mpanao baolina kitra tanora eo akaikin’ny sarina mpilalao baolina kitra manana traikefa iray
  • Inona no takina amina mpilalao baolina kitra tanora iray mba hivoarany ho lasa matihanina?

  • Inona no mety ifandraisan’io dingana io amin’ny fahafahantsika manakatra ny soratra masina?

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Mba hahatonga ny filazantsara ho voasoratra ao am-ponareo dia mila mahafantatra ny dikan’izany sy mitombo ao amin’ny fahatakarana izany bebe kokoa ianareo. Midika izany fa tsy maintsy mandalina ianao. Rehefa miteny aho hoe -mandalina,- dia zavatra mihoatra noho ny hoe mamaky no tiako holazaina. (D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 11)

  • Ahoana no nitomboan’ny fahatakaranao ny filazantsara nandritra ny fiainanao? Ahoana no nanampian’ny fandalinana soratra masina anao amin’izany?

  • Inona avy no fomba fandalinana sasantsasany nampiasainao mba hampitomboana ny fahatakaranao andalan-tsoratra masina na lohahevitra iray ao amin’ny filazantsara?

Na dia mety ho zatra ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana soratra masina sy ny fotopampianarana ampianarin’izy ireo aza ianao dia iran’ny Mpamonjy ny fitomboan’ny fahatakaranao hatrany. Mitaky ezaka avy aminao izany. Ato amin’ity lesona ianao dia hanana fahafahana hampihatra fahaiza-mandalina soratra masina izay afaka mampitombo ny fahatakaranao andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Fahaiza-mandalina soratra masina

Avereno jerena vetivety ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andianteny manan-danja manaraka ireto.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Misafidiana anankiray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana soratra masina ao amin’io tabilao io izay tianao hotakarina tsara kokoa. Rehefa avy eo dia mampiasà iray na mihoatra amin’ireto fahaiza-manao hoenti-mandalina soratra masina manaraka ireto mba hampitomboana ny fahatakaranao izany andalan-tsoratra masina izany hitombo. Miomàna hanazava amin’ny hafa ny soratra masina nosafidinao.

Vitao ny sahanasa A, B, na D.

Sahanasa A: Andinin-tsoratra masina mifandray

Ampiasao ny fanamarihana eny ambanim-pejy ao amin’ny soratra masina, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na loharano hafa mba hahitana soratra masina hafa izay afaka mampitombo ny fahatakaranao ny andalan-tsoratra masina iray. Hevero ny hanoratra ny andinin-tsoratra masina mifandray ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na hampifandray izany ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile anao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na ny application Médiathèque de l’Évangile anao ireo andinin-tsoratra masina mifandray nosafidianao sy ny hevi-baovao azonao momba ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ny fandalinana araka izany fomba izany.

Sahanasa B: Farito ireo teny sy andianteny

Mitadiava teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tianao ho takatra tsara kokoa. Tadiavo ny famaritana ireo teny na andianteny ireo avy ao amin’ny loharanom-pahalalana izay misy toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na rakibolana ankapobeny. Raketo ao anaty diary fandalinanao, na eny amin’ny sisin’ny soratra masina, na ao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile ny famaritana izay hitanao, miaraka amin’ireo hevi-baovao rehetra momba ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Sahanasa D: Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Mba hahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andalan-tsoratra masina iray, dia mety ho azonao atao ny mamaky lohatenin-toko sy ny andininy manodidina ilay andalan-tsoratra masina halalininao. Katsaho ny hahatakatra ny hoe iza no miteny sy ny hoe nahoana. Mitadiava famantarana hahatakarana ilay zava-misy na zavatra manodidina ireo andininy sy ny hafatra fototra ezahin’ny mpanoratra ampitaina. Raketo an-tsoratra ny zavatra takatrao tsara kokoa momba ilay andalan-tsoratra masina noho ny zavatra nosaintsaininao.

Raha misy fotoana, dia miezaha mampiasa fahaiza-manao hafa amin’ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina hafa.

  1. Raketo an-tsoratra ireto manaraka ireto:

    • Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao hohalalinina

    • Ny fahaiza-manao hoenti-mandalina soratra masina nampiasainao

    • Hevi-baovao iray na maromaro azonao momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianaranao

    • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao miantraika amin’ny fifandraisanao na ny fahatakaranao ny momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy