Seminera
3 Nefia 18:15–39; 19:19–29: “Mivavaha mandrakariva”


“3 Nefia 18:15–39; 19:19–29: -Mivavaha mandrakariva,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 18:15–39; 19:19–29,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 18:15–39; 19:19–29

“Mivavaha mandrakariva”

Sary
i Jesoa Kristy nivavaka tany Amerika

Olona maro no mivavaka isan’andro. Ny vavaka sasany dia mety ho vokatry ny fo kokoa noho ny hafa. I Jesoa Kristy dia tsy nampianatra fotsiny ny mpanaradia Azy mba “hivavaka mandrakariva amin’ny Ray” (3 Nefia 18:19), fa naneho tamin’izy ireo ny fomba fivavaka ihany koa Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ireo fampianarana sy ohatr’i Jesoa Kristy ny hivavaka mandrakariva sy hanao vavaka amin-kitsimpo kokoa.

Ohatra

Mieritrereta talenta na fahaiza-manao na toetra tianao hatsaraina kokoa. Mieritrereta olona fantatrao izay manana izany talenta na fahaiza-manao na toetra izany. , Fenoy amin’ny fomba samihafa vitsivitsy ireto banga manaraka ireto amin’ny alalan’ny fampiasana ireo zavatra nieritreretinao ireo:

  • Raha toa ka te hianatra momba ny aho, dia hanaraka ny ohatra nasehon’i satria .

Avereno izany amin’ny famenoana ny banga voalohany amin’ity fehezanteny manaraka ity amin’ny zavatra iray tianao hianarana amin’ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’ny famaliana ny anton’izany eo amin’ilay banga farany.

  • Raha te hianatra momba ny aho, dia hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy satria .

Nandritra ny asa fanompoany tany Amerika, ny Mpamonjy dia nampianatra ny olona tamin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra.

Vakio ny 3 Nefia 18:16, 24 hitadiavana ohatra iray nasehon’i Jesoa.

  • Inona avy no tian’ny Mpamonjy nianaran’ny olona tamin’ny ohatra nasehony?

Alohan’ny hijerena ireo fampianarana sy ohatry ny Mpamonjy dia tombano ny vavaka ataonao manokana.

Refeso amin’ny ambaratonga 1 hatramin’ny 5 ireto manaraka ireto, ka ny 5 no ambony indrindra:

  • Mivavaka isan’andro aho.

  • Mifandray amin’ny Ray any An-danitra aho ary mahatsapa ho akaiky Azy rehefa mivavaka.

  • Mahatsapa faniriana hanatsara ny vavaka ataoko manokana aho.

Rehefa manohy mandalina ny 3 Nefia 18 ianao dia katsaho ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahalala ny zavatra azonao atao mba hanatsarana ny vavaka ataonao manokana. Araho ny fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny hivoatra ianao.

Ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vavaka

Vakio ny 3 Nefia 18:15, 18–23 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny vavaka. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny toromariky ny Mpamonjy momba ny vavaka avy amin’ny toriteny nataony tao amin’ny -tempoly ao amin’ny 3 Nefia 13:5–13.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Iza amin’ireo fampianaran’i Jesoa momba ny vavaka no heverinao fa afaka manampy anao indrindra? Nahoana?

Ny ohatra momba ny vavaka nasehon’ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany mandre an’i Jesoa Kristy mivavaka ho anao izany. Inona araka ny eritreritrao no hivavahany ho anao? Eritrereto ny fahatsapana mety hanananao sy ny fomba mety hahafahan’izany miantraika amin’ny vavakao manokana.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina roa manaraka avy ao amin’ny 3 Nefia 19 ireto ary andalan-tsoratra masina iray hafa izay safidinao. Tadiavo ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny vavaka.

 ChurchofJesusChrist.org

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nianaranao momba ny vavaka avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

    • Inona no nianaranao momba ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba anao?

    • Ahoana, araka ny eritreritrao, no ahafahan’ny fanarahana ny ohatra nasehony hampiova ny vavaka hataonao?

Ny vavaka ataontsika manokana

Mifantena iray farafahakeliny amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy na zavatra iray nasehony an’ohatra tamin’ny vavaka ka azonao ampidirina amin’ny vavaka ataonao manokana. Mamoròna fampahatsiahivana ary manomboha manao zavatra manoloana izany anio ihany. Rehefa manao izany ianao, dia mariho ny soa hoentin’izany amin’ny vavaka ataonao mba ho amin-kitsimpo kokoa izany sy ny fomba iantraikan’izany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra.

Azonao atao ny mampiditra ny sasantsasany amin’ny zavatra nianaranao androany ao amin’ny firaketana iray ao amin’ny diarinao izay hatao hoe “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia”.