Seminera
3 Nefia 12:1–16: “Hotahiana ianareo”


“3 Nefia 12:1–16: Hotahiana ianareo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 12:1–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 12:1–16

“Hotahiana ianareo”

Sary
I Kristy nampianatra tany Amerika fahiny

Te hitahy antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Afaka mahazo antoka isika fa rehefa arahintsika ny torohevitr’Izy ireo, dia handray ny fitahian’Izy ireo araka ny fotoanan’Izy ireo sy ny fomban’Izy ireo isika. Rehefa nampianatra ny Nefita i Jesoa dia nanambara ny maro amin’ireo fitahiana azontsika raisina Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiomana handray ireo fitahiana noresahin’ny Mpamonjy rehefa miezaka manaraka ny toroheviny ianao.

Sambatra

Alaovy sary an-tsaina ny lahatsoratry ny gazetibokin’izao tontolo izao mitondra ny lohateny hoe “Ny olona dimy voatahy indrindra tamin’ity taona ity.”

  • Inona no fitahiana manokana antenainao fa hifantohan’ilay lahatsoratra mba ho mason-tsivana amin’ny fisafidianana ireo olona?

Alaovy sary an-tsaina amin’izay ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky Liahona mitovy lohateny amin’izany.

  • Inona no fitahiana manokana antenainao fa horesahin’ilay lahatsoratra ho fitahiana lehibe indrindra azon’ny rehetra raisina?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mampianatra antsika hanome lanja ambony indrindra ireo fitahiana tsy mitovy amin’izay katsahin’ny maro eo amin’izao tontolo izao ny Mpamonjy sy ny Fiangonana?

Ao amin’ny 3 Nefia 12–14 i Jesoa Kristy dia nampianatra ny Nefita toriteny iray tena mitovitovy amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) fa ny toriteny teo an-tendrombohitra no “[toriteny] lehibe indrindra natao hatramin’izay raha ny fahafantarantsika azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234).

Ankehitriny, rehefa mandalina ny ampahany amin’ny toritenin’ny Mpamonjy nantsoina hoe Fahasambarana ianao, dia hanana fahafahana hahafantatra ireo fomba irìn’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hitahiana anao. Ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia niresaka ireo Fahasambarana nozarain’ny Mpamonjy ho “lalàm-panorenana hahazoana fiainana tonga lafatra” ary nanazava fa “tamin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra ny Tompo dia nanome antsika karazana fanambarana ny toetrany manokana, izay tonga lafatra, … ary tamin’ny fanaovana izany dia nanome antsika drafitra ho an’ny fiainantsika manokana” (Decisions for Successful Living [1973], 56–57). Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino hoe nahoana ireo fitahiana atolotr’i Kristy ao amin’io toriteny io no manan-danja lehibe kokoa noho ireo fitahiana rehetra azon’izao tontolo izao omena.

Ireo Fahasambarana nambara tany Amerika fahiny

Vakio ny 3 Nefia 12:1–12 ary asio marika ny teny hoe “sambatra” sy ny fitahiana rehetra hitanao notanisain’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo. Mariho fa ny teny hoe “sambatra” ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe faran’izay manam-bitana na mahita fitia amin’ Andriamanitra.

  • Rehefa dinihina ireo fitahiana rehetra notanisain’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo dia inona no lazain’izany aminao momba Azy na ny Rainy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’io andalan-tsoratra masina io ny hoe ny Ray any An-danitra sy i Jesoa dia faly tokoa mitahy antsika rehefa miezaka manaraka ny torohevitr’Izy ireo isika.

Vakio ny 3 Nefia 12:1–2 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra angatahin’ny Mpamonjy hataontsika raha mikatsaka ireo fitahiana atolotr’Izy sy ny Rainy antsika isika.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1.  Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no mitahy ireo izay “mampandry sofina amin’ny tenin’[ireo] roa ambin’ny folo izay nosafidi[ny]” Andriamanitra? (3 Nefia 12:1).

  • Ahoana no nitahian’ Andriamanitra anao na ny olon-kafa fantatrao noho ny fihainoana ny tenin’ny mpaminany sy ny Apôstôly?

Mikatsaka fitahiana

Vakio indray ny 3 Nefia 12:3–12 ka amin’ity indray mandeha ity izany dia hitadiavana ny hoe inona no fepetra nampifandraisin’ny Mpamonjy tamin’ny fitahiana tsirairay. Hevero ny hanisy marika ireo fepetra ireo amin’ny fomba hafa noho ny nanisianao marika ireo fitahiana, toy ny fampiasana loko hafa na ny fanisiana faribolana fa tsy fanasongadinana.

Misafidiana fitahiana iray avy amin’ireo andininy ireo izay tianao ho azo. Mariho ilay asa na fepetra izay mitarika mankany amin’izany fitahiana izany. Halalino izany asa na fepetra izany, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana misy toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny application Médiatheque de l’évangile, na ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy.

Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny tabilaon’ny Fahasambarana izay hita ao amin’ny fizarana hoe “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ity lesona ity.

  • Inona no nianaranao momba ny zavatra takina amin’ireo izay maniry ireo fitahiana nohalalininao?

  • Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy izany asa na fepetra izany? Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehony manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahanao mikatsaka izany fitahiana izany?

Tsarovy fa noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika, dia hitahy antsika araka ny fotoany sy amin’ny fombany Izy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:64.)

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

Rehefa avy nahita fitahiana iray irìnao ianao ary nandalina ny fomba hampidirana izany ho eo amin’ny fiainanao, dia manaova drafitra mikasika ny fomba ahafahanao mikatsaka izany fitahiana izany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra voafaritra tsara azonao atao mba hikatsahana izany fitahiana izany?

  • Rahoviana ianao no mikasa hanomboka?

  • Inona avy no sakana mety hisy ary ahoana no ahafahanao mandresy azy ireny?