Seminera
Helamàna 8: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany


“Helamàna 8: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 8

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany

Sary
Jesoa Kristy

Ao anatina tontolo iray izay misy feo be dia be misintona antsika amina zotra be dia be, Andriamanitra dia nanome antsika mpaminany hihazona antsika Aminy. Rehefa nanontanian’ny Nefita ratsy fanahy momba ny antony nitenenany mafy momba azy ireo i Nefia, dia nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy tamim-pahasahiana izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fa ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ary afaka manampy anao hahatsapa ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo izy ity.

Ny fijoroana ho vavolombelon’ny vavolombelona iray

Mieritrereta fotoana iray nahenoanao zavatra iray izay sarotra inoana. Ohatra, angamba naheno mombana olona iray nahavita zavatra izay toa tsy azo tanterahina na sitrana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana ianao. Nila inona ianao vao nino? Inona no mety ho fiantraikan’ny fahenoana izany avy amina vavolombelona iray amin’ny finoanao?

Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mbola nahita an’i Jesoa Kristy, saingy betsaka ny mbola mino Azy.

  • Inona avy no antony sasantsasany inoan’ny olona an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no anjara asa tanan’ny mpaminany amin’ny fanampiana anao hino ny Mpamonjy?

Ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany taloha

Mety tsaroanao fa i Nefia mpaminany dia naminany tamin’ny Nefita ratsy fanahy fa hofongorana izy ireo raha tsy mibebaka (jereo ny Helamàna 7:22–29). Maro tamin’ireo Nefita no lasa tezitra tamin’i Nefia noho ny nitenenany nanohitra ny faharatsian’izy ireo (jereo ny Helamàna 8:1–7). Niteny mafy ireo olona ireo i Nefia ary nilaza tamin’izy ireo fa tsy ny teniny ihany no nolavin’izy ireo fa ny tenin’ny mpaminany taloha koa, anisan’izany i Mosesy izay nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 8:10–13).

Vakio ny Helamàna 8:13–23, hitadiavana ny zavatra nozarain’i Nefia momba an’i Mosesy sy mpaminany taloha hafa. Azonao atao ny manisy marika ny anaran’ireo mpaminany nolazain’i Nefia.

  • Inona no zavatra niraisan’ireo mpaminany rehetra ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo ny hoe mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Nilaza toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny anjara asa manan-danja indrindra sahanin’ny mpaminanin’ny Tompo dia ny mampianatra antsika momba ny Mpamonjy sy ny mitarika antsika hankany Aminy. …

Tsy mijoro manelanelana anao sy ny Mpamonjy ny mpaminany. Fa mijoro eo anilanao kosa izy ary manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Ny andraikitra lehibe indrindra izay sahanin’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra izay omen’ny mpaminany iray antsika dia ny tenivavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. (Neil L. Andersen, “Ilay mpaminanin’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, mey 2018, 25, 27)

  • Nahoana araka ny hevitrao no ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy no fanomezana lehibe indrindra omen’ny mpaminany antsika?

Ohatra amin’ny mpaminany mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Makà fotoana handalinana ny sasany amin’ireo fijoroan’ny mpaminany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ianao, ny Fanahy Masina dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny tenin’izy ireo ao am-ponao sy ao an-tsainao.

  1. Vitao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

Safidy A: Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany fahiny

Vakio ny telo farafahakeliny amin’ireto fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny mpaminany noresahin’i Nefia manaraka ireto. Ataovy lisitra ny zavatra ampianarin’ireo fijoroana ho vavolombelona ireo anao momba an’i Jesoa Kristy.

Avereno jerena ilay lisitra nosoratanao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny hevi-baovao na fahatsapana rehetra nanananao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina ianao. Manorata fehezanteny vitsivitsy manazava ny mety hahahafa ny fiainanao raha tsy nampianatra antsika ireo zavatra momba an’i Jesoa Kristy ireo ny mpaminany.

Raha nisafidy io safidy io ianao dia alefaso ny zavatra nosoratanao.

Safidy B: Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminan’ny andro farany

Mitadiava ohatra roa na mihoatra amin’ny mpaminanin’ny andro farany mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mety ho avy amina fihaonambe maneran-tany vao haingana na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany. Hevero ny hampiasa ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque de l’Évangile amin’ny fikarohana ataonao. Azonao atao ihany koa ny mamaky na mihaino ny “Ilay Kristy velona: Teny vavolombelon’ny Apôstôly” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Raha misafidy io safidy io ianao, dia raketo an-tsoratra ny ohatrao momba ny mpaminany mijoro ho vavolombelon’i Kristy. Soraty ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy, ary ampidiro ny fahatsapanao rehefa namaky na nihaino ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ianao.