Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 15: Takaro ary hazavao


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 15: Takaro ary hazavao,” Bokin’i Môrmôna :Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 15

Takaro ary hazavao

Sary
zatovovavy miara-mandalina ny soratra masina

Satria tena manan-danja ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia irin’ny Ray any An-danitra ny hahalalan’ny zanany rehetra ireo fahamarinana ao amin’izy io. Ny fianarana manazava ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny teninao manokana dia manampy amin’ny fanazavana ny fahatakaranao. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatakaranao sy ny fahaizanao manazava fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Tsy fahazoan-kevitra

Ireto tantara nataon’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Rahalahy Bradley R. Wilcox, Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany, manaraka ireto, dia maneho tsy fahazoan-kevitra mahatsikaiky. Rehefa mandalina azy ireo ianao, dia saintsaino ny zavatra niainanao tamina tsy fahazoan-kevitra.

Tsaroako ny fotoana nandehanan’ny iray tamin’ny zanakay vavy hihaona amin’olona tsy fantatra. Nihaingo be izy ary teo am-piandrasana ilay fotoana tamin’olona ho avy no naneno ny lakolosim-baravarana. Niditra ny lehilahy iray izay somary antitra raha ny fahitana azy, saingy niezaka ny hahalala fomba izy. Nampahafantariny ahy sy ny vadiko ary ny ankizy hafa izy; avy eo dia nanaovany ny palitaony dia lasa nivoaka izy. Nojerenay izy niditra tao anaty fiara, saingy tsy nihetsika ilay fiara. Nony farany, nivoaka tao amin’ilay fiara io zanakay vavy io ary nihazakazaka niverina tao an-trano, niaraka tamin’ny tarehiny mena. Ilay lehilahy izay noeritreretiny ho ilay olona nifanao fotoana taminy, ny tena marina, dia tonga haka ny iray tamin’ireo zanakay vavy izay nanaiky ny hanao mpitaiza zaza ho azy sy ny vadiny. (Joseph B. Wirthlin, “Come What May, and Love It,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 27)

Indray mandeha aho nandefa hafatra ho an’ny zanako vavy sy ny vinantolahiko tamin’ny fampiasana ny fitaovana famadihana feo ho lasa hafatra an-tsoratra ao amin’ny findaiko. Niteny aho hoe: “E! ianareo roa. Tena tiako ianareo.” Ny voarain’izy ireo dia hoe: “Halako ianareo roa. Tokony ho tiako ianareo.” Moa ve tsy mahagaga fa toa mora ery ny handraisana amin’ny heviny diso ny hafatra iray izay tsara sy natao noho ny fikasana tsara? (Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 61)

Na dia mety hampihomehy aza ny tsy fahazoan-kevitra sasany, ny tsy fahazoana ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy, ny filazantsarany ary ny famonjena antsika mandrakizay dia mety hitarika amina vokany goavana.

  • Inona avy no sasantsasany amin’ny fampianaranana na fahamarinan’ny Mpamonjy izay mora diso ny andraisan’ny olona azy ankehitriny?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fandraisana diso ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy, ny drafiny, na ny filazantsarany miantraika amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?

Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Anisan’ny tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahafantatra ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy ho afaka manazava izany amin’ny hafa. Io karazana fahalalana io dia mihoatra noho ny fampahalalana ivelambelany fotsiny. Izy io dia fahatakarana lalina sy fahaizana mampihatra ny fotopampianarana eo amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra misy anao. Io fahatakarana io dia hanampy anao hanazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy mazava tsara ka tsy ho azo inoana ny tsy hahatakaran’ny olona anazavanao izany.

Vakio hatramin’ny farany ny toko sy andininy ary andianteny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ity tabilao manaraka ity. Hevero ny handray naoty ny hoe inona avy no fahamarinana takatrao tsara ary inona no mety ho tianao hotakarina tsara kokoa.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Mampitombo fahatakarana

Misafidiana iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tianao ho takatra tsara kokoa, ary ampiasao hamitana ity sahanasa manaraka ity izany. Raha misy fotoana, dia hevero ny hamerina io sahanasa io miaraka amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray hafa.

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity.

    Alaovy sary an-tsaina hoe angatahina hampianatra olona vao niova fo na vondron’ankizy amin’ny taonan’ny Kilonga momba io andininy io ianao. Manomana lahateny telo hatramin’ny dimy minitra na lesona hanampiana amin’ny fampitomboana ny fahatakarana ireo fahamarinana ampianarina ao amin’io andininy io. Mety hanampy ny famaliana samirery ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny handinihana ny fomba hampianaranao ny fahamarinana amin’ny hafa.

    • Fantaro ireo teny sy andianteny manan-danja, indrindra fa ireo izay mety ho diso ny fahazoana azy. Hevero ny hijery famaritana na hikaroka soratra masina mifandray ao amin’ny soratra masina ka afaka manampy amin’ny fanazavana ilay andininy. Nahoana no tena zava-dehibe ireo teny sy andianteny manan-danja ireo.

    • Ahoana no ifandraisan’io andalan-tsoratra masina io amin’ny Mpamonjy? Inona no ianaranao Aminy sy momba Azy? Amin’ny fomba ahoana no maha-ohatra amin’ireo fahamarinana ireo Azy ao amin’io andininy io?

    • Inona avy no zavatra mety hampiasainao na hasehonao mba hanampy amin’ny fanazavana ny hafatra ao amin’io soratra masina io?

Mety ho azonao atao ny manoratra amin’ny taratasy ny valinteninao amin’ireo tari-dàlana eo ambony na mandrotsaka ny tena lesona na lahateny nataonao.

Hevero ny hanolotra ny lesonao amina iray tam-po, ray aman-dreny, na namana iray ary hangataka ny fahitan’izy ireo izany. Angataho ireo izay ampianarinao mba hizara raha nanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ilay lesona.