Seminera
Almà 5:1–32: Fanontanian’i Almà hanaovana fanombanan-tena


“Almà 5:1–32: Fanontanian’i Almà hanaovana fanombanan-tena,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 5:1–32,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 5:1–32

Fanontanian’i Almà hanaovana fanombanan-tena

Sary
fiovam-po

Ny fotoana anaovana fanombanan-tena dia afaka manampy antsika hahita mazava kokoa ny tanjaky ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy. Rehefa fantatr’i Almà fa tafiditra tao amin’ny Fiangonana ny avonavona sy ny fifandirana, dia nametraka andiam-panontaniana tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Zarahemlà izy izay namporisika azy ireo hisaintsaina ny fifantohan’ny fon’izy ireo sy ny fijoroany eo anatrehan’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombana ny fivoaranao ara-panahy sy hanamafy ny fiovam-ponao ho an’i Jesoa Kristy.

Fanombanan-tena

Mieritrereta fahafahana nanananao nanaovan’ny olona iray hafa tafa sy dinika taminao, tafiditra amin’izany ny tafa sy dinika ho fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ny ny tafa sy dinika fanao isan-taona miaraka amin’ny evekanao na filohan’ny sampana, na tafa sy dinika hidirana miasa.

  • Inona no tanjon’ny tafa sy dinika?

  • Ahoana no mety hanaovanao tafa sy dinika amin’ny tenanao?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo tombontsoa amin’ny fakana fotoana tsy tapaka hanombanana ny fivoarantsika ara-panahy. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Miverina sy mandray,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 8:14 hatramin’ny 8:58, na vakio ny soratra eo ambany.

Nianatra aho fa mba hifantohana amin’ny fiverenana [eo anatrehan’ Andriamanitra] sy ny fandraisana ireo fitahiana nampanantenaina, dia mila manontany tena matetika aho hoe: “Manao ahoana aho?”

Ohatra ireny hoe manao dinidinika manokana sy mangina amin’ny tenanao ireny izany. Ary raha toa ka hafahafa izany dia eritrereto izao: iza eto an-tany no mahafantatra anao kokoa noho ny fahafantaranao ny tenanao? Ianao no mahafantatra ny eritreritrao, ny asanao mangina, ny fanirianao sy ny nofinofinao, ny tanjonao sy ny drafitrao. Ary tsy misy afa-tsy ianao no mahafantatra bebe kokoa ny fandrosoanao. (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 64)

Eritrereto hoe impiry ianao no maka fotoana hanombanana ny fandrosoanao ara-panahy.

  • Karazana tombontsoa inona no mety ho tonga rehefa manao izany tsy tapaka?

Fahaiza-manao azonao ampiasaina rehefa mandalina ny soratra masinao ny fakana fotoana hiatoana kely hanombanana ny hoe manao ahoana ny fahavitanao miaina ireo fampianarana sy fitsipika halalininao. Anio dia hanana fahafahana hampihatra izany fahaiza-manao izany ianao rehefa mandalina ny Almà 5. Io toko io dia misy fanontaniana maro izay napetrak’i Almà tamin’ny vahoakany. Azonao atao ihany koa ny mametraka amin’ny tenanao ireo fanontaniana ireo mba hanombanana ny fandrosoanao ara-panahy. Rehefa mandalina ianao dia mikatsaha tari-dalana avy amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahafantatra ny zavatra vitanao tsara sy ny fomba tiany hivoaranao.

Mitory amin’ny vahoakan’i Zarahemlà i Almà

Tadidio fa taorian’ny nahitany ny avonavona sy ny fitiavan-karena teo amin’ny olony dia nidina tamin’ny maha lohan’ny mpitsara azy i Almà mba hanokan-tena feno kokoa hampianatra ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 4:19).

Nanomboka ny fitoriany tany amin’ny tanin’i Zarahemlà i Almà. Nampahatsiahy ireo olona ireo momba ny fahababoana ara-panahy sy ara-batana niainan’ny Nefita nandritra ny andron’i Noà Mpanjaka izy (jereo ny Almà 5:3–5).

Vakio ny Almà 5:6–13, hitadiavana ny zavatra tian’i Almà hotadidin’ny vahoakany momba ny taranaka tany alohan’ny Nefita.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’i Almà hahatsiaro ireo zavatra ireo ny vahoakany?

  • Inona no zavatra tian’i Almà ho fantatry ny vahoakany momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 7?

Vakio ny Almà 5:14, 26, hitadiavana ireo fanontaniana napetrak’i Almà tamin’ny vahoakany taorian’ny nampahatsiahivany azy ireo ny lovan’izy ireo ara-panahy.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Almà ho takatry ny vahoakany tamin’ny alalan’ny fametrahana tamin’izy ireo ireo fanontaniana ireo?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fametrahana fanontaniana toy ireo ao amin’ny andininy 14 sy 26 amin’ny tenanao miantraika amin’ny fiainanao?

Mampiasa ireo fampianaran’i Almà mba hanaovana fanombanan-tena

Makà fotoana handalinana ny teny nataon’i Almà tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà ao amin’ny Almà 5:14–30 sy hisaintsainana raha efa niaina na miaina ilay fiovana nofaritan’i Almà ianao. Rehefa mandalina ianao, dia ataovy amin’ny alalan’ny fampiasana ny sasany na ny rehetra amin’ireo fanontaniana napetrak’i Almà ao amin’ireo andininy ireo ny fanombanan-tenanao manokana. Ireto misy fomba sasantsasany azonao anaovana izany.

  1. Miatoa kely ary misaintsaina isaky ny andininy roa hatramin’ny telo, hanombanana ny fifandraisan’ny fanontanian’i Almà ao amin’ireny andininy ireny amin’ny fiainanao.

  2. Mifantena vitsivitsy amin’ireo fanontanian’i Almà izay tsapanao ho manan-danja sy mifanaraka indrindra aminao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izany fanontaniana izany ary raketo an-tsoratra ny valin-teninao amin’ny fanontaniana tsirairay, eo ihany koa ireo eritreritra na fahatsapana rehetra mety hanananao.

  3. Rehefa avy mijery ireo fanontaniana napetrak’i Almà ao amin’ireo andininy ireo, dia mamoròna fanontaniana roa na telo azonao ampiasaina hanombanana ny fandrosoanao ara-panahy. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin-teninao.

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona amin’ireo fanontanian’i Almà no tsapanao ho nanan-danja indrindra taminao? Nahoana?

    • Inona avy ny teny na andian-teny hitanao tamin’ireo andininy ireo ka afaka manome anao ny faniriana sy fahasahiana hibebaka?

    • Inona no nianaranao momba an’ Andriamanitra sy ny faniriany aminao avy amin’ny zavatra nohalalininao?

Eritrereto ny zavatra nianaranao na tsapanao androany rehefa nampiasa ny tenin’i Almà hanombanana ny fandrosoanao ara-panahy ianao. Mitadiava zavatra iray na roa tianao hatsaraina vokatry ny zavatra nohalalininao. Eritrereto ny zavatra hatombokao hatao anio, ireo sakana mety hatrehinao, ary ny fomba ahafahanao mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra handresena ireo sakana atrehinao. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.