Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10—“Efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo”


“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10—-Efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana 18:8–10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 18:8–10

“Efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo”

Sary
I Almà manao batisa ao amin’ny ranon’i Môrmôna

Tamin’ny lesona iray teo aloha ianao dia nianatra momba ny fomba ahafahan’ny fanekempihavanan’ny batisa atao amin’ny Mpamonjy miantraika amin’ny fomba iainantsika ny fiainantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10, hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fampiasana io andinin-tsoratra masina io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Alamino amin’ny alalan’ny fanoratana azy amin’ny filaharany marina ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Môzià 18:8–10 eto ambany ireto ka soraty ao amin’ny diary fandalinanao izany. Raha ilaina dia hamarino hoe marina tsara ve ny zavatra nosaratanao amin’ny alalan’ny fijerena ny lisitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

ho hatao batisa 8 Tompo aoka amin’ny Môzià ianareo 18 fanekempihavanana Taminy nanao fa vavolombelona 10 anaran’ny efa

Rehefa vitanao ny nanoratra ny andian-teny marina, dia makà fotoana hiezahana manao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny famerenana azy ireo imbetsabetsaka.

Sary
Sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

Tao amin’ny lesona iray tany aloha dia nianaranao fa rehefa atao batisa isika dia miditra ao amin’ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Alaovy sary an-tsaina hoe mandritra ny fotoam-bavaka ho an’ny batisan’ny ankizy valo taona iray, ianao dia angatahina hiresaka momba ny fanekempihavanana ataony. Raketo an-tsoratra ny fomba ahafahan’ny Môzià 18:8–10 manampy anao hanazava ilay fanekempihavanana sy ny fomba ahafahan’ny fitandremana ilay fanekempihavanana manampy ilay ankizy ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Fizàrana mampihatra

Tsy ankijery, manandrama manao lisitr’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy, ka asio famaritana fohy ny dikan’ny fitsipika tsirairay. Raha ilaina dia avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity ary ampiasao ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanomanana torohevitra ho an’i Anna izay azony ampiasaina hanampiana an’i Paula.

Tsikaritr’i Anna fa i Paula, izay ankizivavy ao amin’ny kilasy misy azy any am-piangonana, dia miady mafy mba ho sambatra sy hahazo namana. Naheno i Anna fa indraindray i Paula dia misafidy ny tsy hanatrika fiaraha-mientan’ny zatovo na fivoriam-piangonana satria mahatsapa ho tsy mifanentana amin’ny ankizivavy hafa izy. Te hanampy an’i Paula hahatsapa ho voaray tsara kokoa i Anna saingy tsy tena niresaka tamin’i Paula mihitsy izy ary manahy fa sao dia mahakamo na tsy mety ny manatona azy.

  1.  Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no hampiasanao ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 18:8–10 mba hanampiana an’i Anna amin’ny toe-javatra misy azy?

Raha niezaka ianao kanefa mbola mila fanampiana amin’ny famaliana ilay fanontaniana teo aloha, dia afaka mitari-dàlana anao ireto fanontaniana manaraka ireto.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina na teny nambarana mpitarika ao amin’ny Fiangonana fantatrao ka azonao anampiana an’i Anna? Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 18:8–10 manampy?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny firesahana amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy manome an’i Anna fahatakarana misimisy kokoa momba ny toe-javatra misy an’i Paula?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona momba ny fomba ahitan’ny Tompo ny fanekempihavanan’ny batisa no ilain’i Anna takarina ka afaka manampy azy handresy ny fahatsapana fisalasalana ananany?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’i Paula manampy an’i Anna?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampaherezana an’i Paula manampy an’i Anna ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no azon’i Anna atao mba hihazonana ireo fampanantenana manokana atao amin’ny batisa izay ampianarin’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8–10?

  • Inona avy ireo ohatra momba an’i Jesoa Kristy manampy ny hafa mety hozarainao amin’i Anna mba hanampiana azy hiasa amim-pinoana?