Seminera
Tenin’i Môrmôna: “Noho ny fikasana hendry”


“Tenin’i Môrmôna: -Noho ny fikasana hendry,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tenin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tenin’i Môrmôna

“Noho ny fikasana hendry”

Sary
lehilahy manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Efa notahina tamin’ny alalan’ny fiomanan’ny olona iray hafa mialoha ve ianao? Inona no fiantraikan’ny fiomananan’izy ireo teo amin’ny zavatra niainanao? Hitan’i Môrmôna ireo takelaka kelin’i Nefia taorian’ny nahavitany ny famintinana ny ampahany tamin’ireo rakitsoratry ny Nefita. Rehefa notarihin’ny Fanahin’ny Tompo i Môrmôna, dia nampiditra ireo takelaka kely “noho ny fikasana hendry,” araka ny sitrapon’ny Tompo (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ho mahazo toky fa fantatry ny Tompo ny zavatra rehetra ary ho tanteraka ny asany.

Finoana momba an’ Andriamanitra

Amin’ny alalan’ny fampiasana mari-drefy 0–5 (0 = Tsy mino aho, 5 = Tena mino aho), dia makà fotoana hanomezana isa amim-pahitsiana ny haavon’ny finoanao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

  • Mino an’ Andriamanitra aho.

  • Mino aho fa mahalala ny zava-drehetra Izy ary manana ny hery rehetra.

  • Mino aho fa manomana lalana ho ahy hahombiazako eo amin’ny fiainako Izy.

  • Tsapako fa afaka matoky ny torohevitra sy bitsika omeny ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina aho.

Mety hanampy raha saintsainina ny hoe nahoana ianao no mino toy izao ataonao izao.

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay mety hampitombo na hanome toky anao ny amin’ny finoanao sy ny amin’ny fahatokianao an’ Andriamanitra, ny amin’ny heriny, ary ny amin’ny fomba hanatanterahany ny asany.

Ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka

Sary
I Môrmôna manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Alaovy sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana izany hoe mpaminany Môrmôna izany, izay niaina taty amin’ny efa ho 1000 taona taorian’ny nialan’ny fianakavian’i Lehia tany Jerosalema. Izy dia iray tamin’ireo mpitahiry farany ireo rakitsoratry ny Nefita ary niasa mba hamintina arivotaonan-tantaran’ny Nefita ho ao anatina amboaran-takelaka tokana. Ahoana no hisafidiananao ireo zava-nitranga tokony hampidirina sy ireo tsy tokony hampidirina?

Rehefa tonga teo amin’ny fotoanan’i Benjamina ny asa famintinana ireo takelaky ny Nefita nataon’i Môrmôna , dia nahita zavatra iray manan-danja izy. Nampiditra fanazavana fohifohy momba ny zavatra niainany tao amin’ny boky mitondra ny lohateny hoe Tenin’i Môrmôna izy.

Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:3–6 hitadiavana ny zavatra hitan’i Môrmôna sy ny zavatra nataony noho izany.

Mety hanampy ny fahalalana fa ny andian-teny hoe “ireto takelaka ireto” (Tenin’i Môrmôna 1:3–4) dia hilazana ireo takelaka kely izay nandidiana an’i Nefia ny hanao azy (jereo ny 1 Nefia 9:2–4). Ireo takelaka kely dia nitantara ny ankamaroan’ilay vanim-potoana tahaka ny tao amin’ireo takelaka lehiben’i Nefia izay efa naafohezin’i Môrmôna, saingy izy ireo dia nifantoka tamin’ireo zava-nitranga ara-panahy izay niseho. Raha te hahatakatra misimisy kokoa momba ireo rakitsoratra ireo ianao, dia hevero ny hamaky ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna,” hita any amin’ny fiandohan’ny Bokin’i Môrmôna.

Samy nahazo bitsika manokana avy amin’ny Tompo momba ireo takelaka kely na i Môrmôna na i Nefia. Vakio ny 1 Nefia 9:5–6 sy ny Tenin’i Môrmôna 1:7–8 hitadiavana fitovitoviana eo amin’ny zavatra niainan’ireo mpaminany roa ireo.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny nisongadina taminao?

  • Inona no ambaran’ireo andininy ireo amintsika momba an’i Nefia sy i Môrmôna?

  • Inona avy ireo fahamarinana azon’ny tenin’izy ireo ampianarina antsika momba ny Tompo?

Ankoatra ireo fahamarinana hafa, mety ho tsikaritrao fa ny Tompo dia mahalala ny zava-drehetra, manana ny hery rehetra, ary manomana lalana hanatanterahana ny asany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahalala fa mahafantatra ny zava-drehetra ny Tompo ary manana ny hery rehetra?

    • Ahoana ny mety hanampian’izany fahalalana izany anao eo amin’ny fiainanao?

    • Ahoana ny mety hahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo hisy fiantraikany eo amin’ny fahavononanao hanaraka ny bitsiky ny Tompo?

Nanomana lalana ny Tompo

Ny porofon’ny fananan’ny Tompo fahalalana mialoha sy ny fananany hery dia hita ao amin’ny fandidiany an’i Nefia hanomana ireo takelaka kely sy ny fibitsihany an’i Môrmôna hampiditra ireo rakitsoratra ao amin’ny famintinana nataony.

An-jato taonany taty aoriana, rehefa nandika ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith, dia natombony tamin’ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehiben’i Nefia izany. I Martin Harris, izay nanampy tamin’ny naha mpitantsoratr’i Joseph Smith azy, dia nangataka imbetsaka ny hampiseho amin’ny vadiny sy ny olon-kafa tao amin’ny fianakaviany ireo pejy voadika. Na dia nandà ny fangatahan’i Martin aza ny Tompo, dia nanohy nangataka fahazoan-dalana tamin’ny Tompo i Joseph. Tamin’ny farany, niaraka tamin’ny toromarika sy fampitandremana hentitra, i Martin dia nahazo lalana hitondra ireo pejy natao sora-tanana miisa 116 tany an-tranony tany Palmyra, New York. Nanome toky izy fa hamerina ilay sora-tanana any amin’i Joseph any Harmony, Pennsylvanie afaka roa herinandro.

ChurchofJesusChrist.org. Na, azonao atao ny mamaky ireto teboka mamaritra ny zavatra niainan’i Joseph sy i Martin manaraka ireto. (Jereo koa ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 51–53.)

  1. Niteraka ny zanak’izy ireo voalohany, izay maty afaka ora vitsy monja, i Emma vadin’i Joseph. Nandany roa herinandro nikarakarana an’i Emma i Joseph, avy eo dia nandeha nankany Palmyra rehefa tsy niverina tany Harmony i Martin.

  2. Niaiky i Martin fa nariany ireo pejy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna natao sora-tanana. Nofaizin’ny Tompo i Joseph ary tsy nahazo nanohy ny fandikana teny.

  3. Rehefa nahavita ny fotoana nibebahana tamin-kitsimpo sy nitalahoana famelan-keloka i Joseph, dia navelan’ny Tompo hanohy handika ireo takelaka izy. Na izany aza dia nahazo toromarika ny amin’ny tsy hamerenana mandika ilay ampahany very izy.

  4. Nambaran’ny Tompo fa nisy olona ratsy fanahy nangalatra ireo pejy natao sora-tanana teo ambany fitaoman’i Satana. Nikasa ny hanova ireo teny izy ireo ary hanao izay hahitana fa mody nandika fotsiny i Joseph, ary nanimba ny asan’ny Tompo araka izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:10–19, 29–33).

  5. Ny Tompo dia nandidy an’i Joseph handika ny rakitsoratr’i Nefia tamin’ireo takelaka kely, izay nampidirin’i Môrmôna niaraka tamin’ny famintinana nataony ary nitantara ampahany maro momba ilay vanim-potoana sy ireo zava-nitranga tao amin’ilay ampahany very. Nijoro ho vavolombelona ny Tompo hoe: “Ny fahendreko dia lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43).

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’io ohatra avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana io ny fahalalan’ny Tompo sy ny heriny?

    • Ahoana no ahafahan’io zava-nitranga io manome toky anao fa afaka manomana lalana eo amin’ny fiainanao ny Tompo?

    • Oviana ny fandraisana andraikitra teo anatrehan’ny bitsika ara-panahy no nanampy anao na ny olona iray fantatrao hanatanteraka ny asan’ny Tompo?

    • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana nianaranao androany hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Manaraka ireo bitsika

Ny zavatra nosoratana rehetra nohalalininao hatreto tamin’ity taona ity tao amin’ny Bokin’i Môrmôna (1 NefiaÔmnia) dia anananao satria i Môrmôna dia nino fa fantatry ny Tompo ny zava-drehetra ary nanaraka ilay fitaomana ara-panahy hampiditra ireo takelaka kely izy.

Tahaka an’i Nefia, azonao atao ny mamorona fizarana ho an’ny “takelaka kely” ao amin’ny diary fandalinanao mba hiraketana an-tsoratra ireo zavatra niainana izay masina aminao. Azonao atao ny misaintsaina sy mirakitra an-tsoratra ny zavatra fantatrao sy inoanao momba an’ Andriamanitra ary ny fomba ahafahany manampy anao hanao asa amim-pinoana mba hanatanteraka ny asany.