Seminera
Jakoba 2:1–21: “[Aza avela handrava ny fanahinareo ity avonavona ity]”


“Jakoba 2:1–21: –[Aza avela handrava ny fanahinareo ity avonavona ity],–” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Jakoba 2:1–21,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Jakoba 2:1–21

“[Aza avela handrava ny fanahinareo ity avonavona ity]”

Sary
I Jakoba nampianatra tao amin’ny tempoly

I Jakoba mpaminany dia nahalala tamin’ny alalan’ny fanambaran’ Andriamanitra fa nanana fahasahiranana teo anatrehana fahotana maro ny vahoaka Nefita. Nitory teny tao amin’ny tempoly izy mba hiresahana ireo ota ireo, ka tafiditra tao anatin’izany ny fahotana avy amin’ny avonavona. Isika rehetra dia misy fotoana miady mafy amin’ny avonavona. Afaka manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa amin’ny alalan’ny famantarana sy fanoherana ny fahotana avy amin’ny avonavona ity lesona ity.

Avonavona

Mitadiava porofon’avonavona ao amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Antenain’i Koji hanao fahadisoana ny mpiara-milalao iray mandritra ny lalao mba hahazoany fotoana hilalaovana misimisy kokoa.

  • Itarin’i Silvia ny zava-bitany mba hahatonga azy ho hitan’ny hafa ho tsara kokoa na manan-danja kokoa.

  • Mandà tsy haneho fankasitrahana i Jens ary tsy miaiky ny soa ataon’ny hafa.

  • Maneso ny hafa i Amy ary mihomehy azy ireo rehefa tsy eo imason’izy ireo.

  • Inona no porofon’ny avonavona hitanao?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Ny avonavona dia fahotana izay afaka ny ho hita mora foana eny amin’ny hafa saingy mahalana no anekena azy eo amin’ny tenantsika. (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 235)

Eritrereto amin’izay ny Mpamonjy. Na dia teo aza ny zava-bitany sy ny fahaiza-manaony, dia nalemy fanahy sy nanetry tena hatrany Izy (jereo ny Matio 11:29). Rehefa mandalina ianao, dia mieritrereta fomba mety hisehoan’ny avonavona eo amin’ny fiainanao. Afaka manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa amin’ny alalan’ny fanoherana ny fahotana avy amin’ny avonavona ity lesona ity.

“[Aza avela handrava ny fanahinareo ity avonavona ity]”

Nanampy an’i Jakoba mpaminany hahalala ny eritreritry ny olona ny Tompo ary nandidy azy ho any amin’ny tempoly ka hijoro ho vavolombelona hanohitra ny fahotan’izy ireo, tafiditra ao anatin’izany ny otan’ny avonavona (jereo ny Jakoba 2:1–13).

Manaova tsipika midina eo afovoan’ny pejy ao amin’ny diary fandalinanao ianao. Soraty eo ambony eo amin’ny ilany havian’ny pejy, ny hoe “Fisehon’ny avonavona”. Eo ambony eo amin’ny ilany havanan’ny pejy, soraty ny hoe “Fomba ahafahantsika ho tahaka ny Mpamonjy sy manohitra ny avonavona”.

Vakio ny Jakoba 2:12–16 hitadiavana ny fisehon’ny avonavona. Ampidiro eo amin’ny ilany havian’ny teny iditry ny diarinao izy ireo. ChurchofJesusChrist.org

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io ny hoe mandrava ny fanahy ny avonavona (Jakoba 2:16).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny avonavona mandrava ny fanahintsika?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no maha mbola manan-danja ny fampitandreman’i Jakoba ankehitriny?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, sy ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nizara fomba fanampiny ahafahan’ny avonavona miseho eo amin’ny fiainantsika. Mampidira hevi-baovao avy amin’ny tenin’izy ireo eo amin’ny ilany havian’ny teny iditry ny diarinao.

Ny fahavalo lehiben’ny fiantrana dia ny avonavom-po. Ny avonavom-po dia isan’ny antony lehibe indrindra mampihozongozona ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny avonavom-po dia mora tezitra, tsy tsara fanahy ary mitsiriritra. Ny avonavom-po dia mampihoam-pampana ny heriny manokana ary tsy mahita ny hatsaran’ny hafa. Ny avonavom-po dia tia tena ary mora tezitra. Ny avonavom-po dia mahita fihetsika ratsy ataon’ny hafa na dia tsy misy aza izany ary manafina ny fahalemeny manokana amin’ny alalan’ny lainga tsara lahatra. Ny avonavom-po dia tsy manana fanantenana, tezitra ary tsy manam-paharetana. Ny tena marina dia raha toa ka ny fiantrana no fitiavana madion’i Kristy dia ny avonavom-po kosa no manoritra ny toetran’i Satana. (Dieter F. Uchtdorf, “Ho fiderana ireo izay manavotra,” Liahona, mey 2016, 80)

Ny ankamaroantsika dia mihevitra ny avonavona ho fahotan’ireo olona ambony toy ny manan-karena sy ny manam-pahaizana izay mijery ambany ny sisa amintsika. (Jereo ny 2 Ne. 9:42.) Na izany aza, misy aretina hita matetika kokoa eo amintsika, ary izany dia avonavona avy eny ambany mijery ny eny ambony. Miseho amin’ny fomba maro be izany, toy ny fahitana ny hadisoan’ny hafa, fifosana, fihatsarambelatsihy, fimonomononana, fiainana mandany mihoatra izay zaka, tsy fahafaliana amin’ny zavatra ananan’ny hafa, fitsiriritana, fandavana fankasitrahana sy fiderana izay mety hampisondrotra ny hafa ary ny tsy famelana sy ny fialonana. (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 235)

  • Inona avy ireo fomba hafa ahitanao ny fisehon’ny avonavona eo amin’ny tontolontsika ankehitriny?

  • Ahoana no maha zavatra mifanohitra amin’ny toetran’i Jesoa Kristy ny avonavona?

Miatoa kely ary saintsaino ireo eritreritrao sy ireo zavatra ataonao manokana. Amin’ny fomba ahoana no iadianao amin’ny fahotana avy amin’ny avonavona indraindray? Ahoana no fiantraikan’ireny fisehon’ny avonavona ireny eo amin’ny fifandraisanao amin’olona sy ny fahasambaranao? Inona no mety tianao hovana? Nahoana?

Mandresy ny avonavona

I Jakoba dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mahazo fanantenana ao amin’i Kristy sy manohitra ny fahotana avy amin’ny avonavona.

Vakio ny Jakoba 2:17–21 hitadiavana ireo fomba ahafahanao misoroka ny fahotana avy amin’ny avonavona. Ampidiro eo amin’ny ilany havanan’ny teny iditry ny diarinao izy ireo. ChurchofJesusChrist.org

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahan’ny torohevitr’i Jakoba manampy antsika hanohitra ny avonavona sy hahazo fanantenana ao amin’ny Kristy?

    • Iza no fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fanoherana avonavona amin’ireo fomba voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo? Inona no ataon’izy ireo?

    • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy azontsika ifantohana sy ampivelarina ka hanampy antsika hisoroka ny avonavona? Nahoana no hanampy ireo toetra ireo ary amin’ny fomba ahoana?

Saintsaino ny filanao manokana hamantatra sy hanohitra ny fahotana avy amin’ny avonavona eo amin’ny fiainanao. Mieritrereta toe-javatra na fifandraisana manokana anehoanao avonavona. Ezaho fantarina ny mety ho fiantraikan’ny avonavona eo amin’ny fifandraisanao amin’olona. Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahatonga anao ho tahaka ny Mpamonjy kokoa amin’ny alalan’ny fanoherana ny avonavona rehefa manao ity manaraka ity ianao.

  1. Misafidiana fisehon’ny avonavona iray avy eo amin’ny ilany havia amin’ny teny iditry ny diarinao, izay nahazoanao fitaomam-panahy fa tokony hifantohanao ny fandresena azy amin’izao fotoana izao.

  2. Misafidiana fomba iray avy eo amin’ny ilany havanana amin’ny teny iditry ny diarinao izay ahafahanao manohitra izany fisehon’ny avonavona izany. Mieritrereta toetra tahaka ny an’i Kristy ary manorata zavatra manokana azonao atao.