Seminera
2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia


“2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 4

Salamo nataon’i Nefia

Sary
I Nefia mivavaka

Miatrika fakam-panahy ny olona rehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho ketraka na kivy. Nahatsapa toy izany ihany koa i Nefia mpaminany. Taorian’ny niatrehany ny fahafatesan’i Lehia rainy sy niatrehany ireo rahalahiny tezitra, dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapany lalina i Nefia. Nilaza ny hafaliany sy ny alahelony izy. Ny ohatra nataony dia nampiseho tamintsika ny fomba ahafahantsika mitodika amin’ny Tompo rehefa miatrika ny fanambin’ny fiainana an-tany isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ny Tompo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ireo fanambin’ny fiainana an-tany

Isika rehetra dia misy fotoana alaim-panahy, malahelo, na kivy. Mieritrereta fakam-panahy na olana manokana atrehinao ka mety hahatonga anao hahatsapa ho ketraka.

  • Nahoana araka ny hevitrao no alaim-panahy ny olon-drehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho ketraka?

  • Amina ambaratonga 1 hatramin’ny 10, ahoana no fahatsapanao fa voatantanao ireny fahasarotana ireny?

  • Ahoana no mety hitahiana ny fiainanao raha mahavita mandresy fakam-panahy sy fahakiviana tsara kokoa ianao?

Salamo nataon’i Nefia

Vakio ny 2 Nefia 4:12–13, 18, hitadiavana ny sasany amin’ireo fanamby natrehin’i Nefia.

  • Araka ny hevitrao dia inona no fahatsapana nananan’i Nefia naterak’ireo fanamby ireo?

Ireo andininy ao amin’ny 2 Nefia 4:16–35 dia matetika no antsoina hoe salamo nataon’i Nefia. Ny salamo dia “hira na tononkalo entanim-panahy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Salamo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ao amin’ireo andininy ireo, i Nefia dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapana lalina nananany. Nozarainy ny fanamby natrehiny sy ny fomba nanaovany fihetsika namaly ny fakam-panahy sy fahakiviana. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao, dia mitadiava aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny zavatra azonao atao amin’ireo fanamby manokana atrehinao.

Afaka mitadidy dingana efatra ianao mba hanampiana anao hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanao:

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana.

Sary
icon, record
  1. Vakio ireo andininy ary valio ao anaty diary fandalinanao ireo fanontaniana ao amin’ity tabilao manaraka ity.

Ny Salamo nataon’i Nefia sy Izaho (2 Nefia 4:16–35)

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—”2 Nefia 4: Salamon’i Nefia”

Ny zavatra niainan’i Nefia

Ny zavatra niainako

2 Nefia 4:16

Ny zavatra niainan’i Nefia

Nanao ahoana ny fahatsapan’i Nefia?

Ny zavatra niainako

Oviana aho no nanana fahatsapana mitovitovy amin’izany?

2 Nefia 4:17–19

Ny zavatra niainan’i Nefia

Nanao ahoana ny fahatsapan’i Nefia?

Ny zavatra niainako

Oviana aho no nanana fahatsapana mitovitovy amin’izany?

2 Nefia 4:20–25

Ny zavatra niainan’i Nefia

Inona no traikefa niaraka tamin’ Andriamanitra nanampy an’i Nefia hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana nahazo azy?

Ny zavatra niainako

Inona avy no traikefa ara-panahy azoko tadidina rehefa alaim-panahy na kivy aho?

2 Nefia 4:26–29

Ny zavatra niainan’i Nefia

Karazana fisainana toy ny ahoana no nanampy an’i Nefia hatanjaka rehefa nahatsiaro ho alaim-panahy sy ho kivy?

Ny zavatra niainako

Karazana fisainana toy ny ahoana no afaka manampy ahy hatanjaka rehefa nahatsiaro ho alaim-panahy sy kivy?

2 Nefia 4:30–35

Ny zavatra niainan’i Nefia

Inona no manaitra ahy amin’ny vavak’i Nefia?

Ny zavatra niainako

Ahoana no ahafahako mampihatra ny ohatra nataon’i Nefia amin’ny vavaka ataoko manokana?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Andininy na andian-teny inona ao amin’ny 2 Nefia 4 no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Inona no ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ny 2 Nefia 4?

  • Ahoana no niantraikàn’ny fampitahana ny soratra masina amin’ny fiainanao tamin’ny fandalinanao ny 2 Nefia 4?

  • Inona avy ireo fitsipika maromaro hitanao?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao hitodika amin’ny Tompo rehefa alaim-panahy na mahatsiaro ho kivy ianao?

Ny drafitra handreseko fakam-panahy sy fahakiviana

.

Araho ny ohatra nasehon’i Nefia ary soraty ny salamonao. Mety hanampy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Fitsipika, na fampianarana na andininy inona ao amin’ny 2 Nefia 4 no azonao ampiharina amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no hampiharanao izany eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana araka ny hevitrao no hanampian’ny fanaovana izany anao hitodika amin’ny Mpamonjy?

  • Rehefa mihasarotra ny fiainana, ahoana no ahafahanao mamaly am-pinoana ao amin’ny Mpamonjy?