Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Septambra: Hanompo ny Tompo amin’ ny Foko, sy ny Heriko, ny Saiko ary ny Tanjako Rehetra Aho


Septambra

Hanompo ny Tompo amin’ ny Foko, sy ny Heriko, ny Saiko ary ny Tanjako Rehetra Aho

“Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra, amin’ ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary hanompo Azy amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy” (F&F 59:5).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nampianatra antsika ny fomba tokony hanompoana ny hafa i Jesoa Kristy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary): Mampisehoa sary vitsivitsin’ i Jesoa Kristy manompo ny hafa. Ohatra, ampiasao ny sary 41, 42, 46, 47, sy 55 ao amin’ ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara. Angataho ny ankizy mba hamaritra ny zavatra mitranga ao amin’ ny sary tsirairay. Hamafiso fa manompo ny hafa i Jesoa ao anatin’ ny sary tsirairay. Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Nampianatra antsika ny fomba tokony hanompoana ny hafa i Jesoa Kristy.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina sy milalao toe-javatra an-tsehatra): Angataho ny ankizy hifandimby hilalao an-tsehatra ny iray amin’ ireo zavatra ilaina voafaritra ao amin’ ny Matio 25:35–36. Ohatra, afaka mody manao hoe noana na mangetaheta na vahiny na marary ny ankizy iray. Angataho ny ankizy anankiray hafa mba hamantatra ny zavatra ilaina, dia hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahany manompo olona iray mila fanampiana. Iaraho mamaky ny Matio 25:35–40 ary angataho ny ankizy mba hitady hoe iza no nolazain’ i Jesoa Kristy fa tompointsika rehefa manompo ny hafa isika.

Sary
ankizy maneho amin’ ny alalan’ ny fihetsika ny hoe noana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Omeo taratasy ny ankizy ary angataho izy ireo mba hitanisa anaran’ olona na hanao sarin’ olona izay azon’ izy ireo tompoina ary angataho izy ireo mba hitanisa ireo karazan’ asa fanompoana azon’ izy ireo atao ho an’ ireo olona ireo. Amporisiho izy ireo hizara ny ao anatin’ ny taratasin’ izy ireo amin’ ny fianakaviany any an-trano.

Herinandro 2: Mampiseho antsika ny fomba hanompoana ny mpaminany sy ny apôstôly.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asehoy ny sarin’ i Mosesy, i Benjamina Mpanjaka, i Joseph Smith, sy i Thomas S. Monson. Lazao ny ankizy fa ireo mpaminany ireo toy ireo mpaminany sy apôstôly rehetra dia mampiseho antsika ny fomba hanompoana ny hafa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao ankamantatra): Manomàna fanazavan-dalana momba ny fampisehoan’ i Mosesy, i Benjamina Mpanjaka, i Joseph Smith, sy i Thomas S. Monson amintsika ny fomba tokony hanompoana. Ohatra ny fanazavan-dalana sasantsasany momba ny Filoha Monson dia mety hoe: “Namangy tsy tapaka an’ ireo mananotena tao amin’ ny paroasiko aho,” “Fony aho mbola ankizilahy dia nomeko ankizilahy iray hafa ny iray tamin’ ireo kilalao tena tiako indrindra,” ary “Mamangy matetika olona any amin’ ny hôpitaly aho.” Azonao atao ny mampiasa ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hanomanana ireo fanazavan-dalana ireo. Mosesy: Eksodosy 2:16–17; 1 Nefia 17:24–29. Benjamina Mpanjaka: Môsià 2:12–19. Joseph Smith: Joseph Smith—Tantara 1:62, 67; F&F 135:3. Thomas S. Monson: Ensign, Sept. 1994, 12–17; Des. 1995, 2–4; Nôv. 2006, 56–59.

Mifidiana ankizy efatra mba haneho ireo mpaminany ireo ary asao ny iray amin’ izy ireo mba hamaky ireo fanazavan-dalana nomaninao. Asao ireo ankizy hafa mba hanangana ny tanany rehefa mieritreritra izy ireo fa fantany ilay mpaminany. Dia asaivo tadiavin’ izy ireo ny sarin’ izany mpaminany izany. Avereno atao miaraka amin’ ireo mpaminany hafa izany.

Sary
ankizy manao akanjo na zavatra hilalaovana an-tsehatra hanehoana ireo mpaminany ireo

Ny akanjo tsotra na zavatra hilalaovana an-tsehatra toy ny akanjo lava sy ny satroka dia mahatonga ilay filalaovana toe-javatra an-tsehatra hahaliana kokoa. Ny filalaovana toe-javatra an-tsehatra dia manampy ny ankizy hahazo fahatakarana lehibe kokoa momba an’ ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo tantara avy ao amin’ ny soratra masina.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino ny fihaonambe): Asao ny ankizy mba hijery na hihaino ny fihaonamben’ ny Fiangonana amin’ ny volana ambony. Amporisiho izy ireo mba hihaino ireo tantara mikasika ny fomba hanompoana ny hafa. Omeo fahafahana hizara ny zavatra nianarany izy ireo.

Herinandro 3 sy 4: Rehefa manompo ny hafa aho dia manompo an’ Andriamanitra.

Sary
ankizy manoratra eny amin’ ny solaitrabe

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mitadidy soratra masina iray): Ampio ny ankizy hitadidy ny ampahany faran’ ny Môsià 2:17 amin’ ny fanoratana eo amin’ ny solaitrabe hoe: “Rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.” Asao ny ankizy hamerina ilay fehezanteny in-droa na in-telo. Mangataha ankizy iray hamafa teny iray na roa ary asaivo averin’ ny ankizy indray ilay fehezanteny. Avereno izany mandrapanjavon’ ny teny rehetra eo amin’ ny solaitrabe.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino toe-javatra miseho): Mba hiomanana dia halalino ombam-bavaka ny lahatenin’ ny Filoha Dieter F. Uchtdorf nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny volana Aprily 2010, “Ianareo no Tanako” (jereo ny Ensign na ny Liahona, Mey 2010, 68–70, 75). Anontanio ny ankizy hoe ahoana no ahafahantsika manompo an’ Andriamanitra rehefa manompo ny manodidina antsika (manao izay zavatra ho nataony isika raha toa Izy tety). Mizarà tantara iray na zavatra niainana iray mikasika ny fanompoana ary hazavao ny fomba nitahian’ izany an’ ilay mpanome sy ilay nomena. (Afaka mahita tantara momba ny asa fanompoana ianao ao amin’ ny L’ Ami na ny Liahona.) Manomàna toe-javatra miseho vitsivitsy izay mampiseho ny fomba ahafahan’ ny ankizy manompo ny hafa. Ohatra: “Tafintohina i Annie ka nianjera raha teny an-dalana hody rehefa avy nianatra. Niparitaka teny amin’ ny tany ny bokiny sy ny taratasiny. Nijanona i David mba hanampy azy hitsangana ary nanangona ny bokiny.” “Sahirana ilay mpifanolobodirindrina tamin’ i Mary nitondra ho any an-tranony ireo entana niantsenany rehefa nitomany ny zanany. Nampian’ i Mary izy hitondra ny entana niantsenany.” Angataho ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ireo toe-javatra miseho ireo ary asaivo lazainy hoe iza no notompoina (ilay nanaovana asa fanompoana sy Andriamanitra).

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao fampifandraisana sary): Mitadiava na ataovy sary ny olona izay azon’ ny ankizy tompoina toy ny ray aman-dreny iray, iray tampo iray, ray aman-drenibe iray, namana iray, sy mpifanolobodirindrina iray. Manaova tahadika fanindroany an’ ireo sary ireo ary manaova kilalao fampifandraisana sary amin’ ny alalan’ izy ireo. Rehefa nahavita fampifandraisana sary iray ny ankizy iray dia asao izy mba hilaza fomba iray ahafahana manompo ilay olona eo amin’ ny sary. Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valintenin’ ny ankizy. Mba hahitana hevitra momba ny fomba tokony hanompoana dia jereo ny Kilonga 4, 166.

Sary
kilalao fampifandraisana sary

Ny kilalao dia mitondra endri-javatra samihafa eo amin’ ny lesona ary manome fahafahana ny ankizy mba hifandray ary koa manamafy ny fitsipiky ny filazantsara anankiray izay nampianarina tamin’ ny fomba mahafinaritra.