Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Aprily: Naverin’ i Jesoa Kristy tamin’ ny Laoniny tamin’ ny Andro Farany ny Fiangonany


Aprily

Naverin’ i Jesoa Kristy tamin’ ny Laoniny amin’ izao Andro Farany izao ny Fiangonany

“Ary efa nalefako tamin’ ny tanan’ i Joseph mpanompoko ny fahafenoan’ ny filazantsarako” (F&F 35:17).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Taorian’ ny nahafatesan’ i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny dia very ireo fahamarinan’ ny filazantsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mifanakalo hevitra): Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra sasantsasany izay nampianarin’ i Jesoa Kristy fony Izy tety an-tany. Mampisehoa sarin’ i Kristy manendry ireo Apôstôly. Hazavao fa taorian’ ny nahafatesan’ i Kristy ary nitsanganany tamin’ ny maty dia nampianatra ny filazantsara ny Apôstôliny, saingy maro ny olona no tsy nihaino azy ireo. Fotoana fohy taorian’ izany dia maty ireo Apôstôly ary tsy nampianarina intsony ireo fahamarinana manan-danja sasany mikasika ny filazantsara. Soraty eo amin’ ny solaitrabe hoe: “Very ireo fahamarinan’ ny filazantsara taorian’ ny nahafatesan’ i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny,” ary asaivo miaraka milaza izany aminao ny ankizy.

Sary
ankizy manao sary

Manome fahafahana ny ankizy haneho ny fahatakarany ireo fitsipiky ny filazantsara ny fanaovana sary. Tian’ ny ankizy ny mahita fa ampiasaina ho fitaovana jeren’ ny maso ny sary nataon’ ny tenany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao sary): Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny fitsipiky ny filazantsara sasantsasany izay very na niova nandritra ny Apôstazia (ohatra, batisa, fisoronana, tempoly, mpaminany velona ary fanasan’ ny Tompo). Zarao ho vondrona kely ny mpianatra. Omeo tapa-taratasy iray ny vondrona tsirairay miaraka amin’ ny iray amin’ ireo fitsipiky ny filazantsara voasoratra eo aminy ary angataho ny ankizy mba hanao sary maneho izany fitsipika izany. Manasà ankizy iray avy amin’ ny vondrona tsirairay mba hametraka ny sariny eny amin’ ny solaitrabe. Hazavao fa fony i Kristy tety an-tany dia nampianatra ireo fahamarinan’ ny filazantsara manan-danja rehetra ireo Izy. Angataho ny ankizy mba hanakimpy ny masony. Esory daholo ireo sary ary afeno izany. Dia angataho ny ankizy hanokatra ny masony. Hazavao fa ny fahamarinan’ ny filazantsara dia very taorian’ ny nahafatesan’ i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny. Lazao ny ankizy fa ny filazantsara dia naverina tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’ i Joseph Smith. Soloy ireo sary ary mijoroa ho vavolombelona fa ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia manana ny fahamarinana rehetra izay nisy fotoana efa very. (Tazony ireo sary mba ho ampiasaina amin’ ny herinandro 4.)

Herinandro 2: Niseho tamin’ i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary iray): Sarony amin’ ny alalan’ ny tapa-taratasy maro ny sarin’ ny Fahitana Voalohany. Asao ny ankizy hanala ireo tapa-taratasy ireo ka atao iray isaky ny mandeha izany. Angataho ny ankizy mba hanangana moramora ny tanany rehefa fantany hoe inona ilay sary. Rehefa voala daholo ireo tapa-taratasy dia angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zava-miseho eo amin’ ilay sary.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Asehoy ny ankizy hoe aiza ao amin’ ny soratra masina no ahafahantsika mamaky ny fitantaran’ i Joseph Smith ny zavatra niainany tao amin’ ilay Ala Kely Masina (Joseph Smith—Tantara 1:14–19). Vakio na mangataha ankizy vitsivitsy mba hamaky andininy maro izay mamaritra ny zava-nitranga. Azonao atao ny mangataka ankizy kely kokoa hanao fihetsika tsotra, toy ny mijoro sy maninjitra ambony ny tanany toy ny hazo na mampifanindry ny tanany toy ireny hoe mivavaka ireny. Anontanio an’ ireo ankizy izay mety ho tsapany raha toa ka afaka nijery ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy niseho sy niresaka tamin’ i Joseph Smith izy ireo. Resaho ny maha-zava-dehibe an’ izany zava-niseho izany.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara fijoroana ho vavolombelona) Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia niseho tamin’ i Joseph Smith. Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Fahitana Voalohany.

Herinandro 3: Naverin’ ireo iraky ny lanitra ny fahefan’ ny fisoronana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira iray): Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahany manambara zavatra tena manan-danja iray. Hazavao fa taloha ela be tany dia tsofina ny trômpetra rehefa nisy zavatra manan-danja nambara. Angataho ny ankizy mba hanakimpy ny masony ary haka sary ao an-tsaina hoe maheno ny trômpetra izy ireo rehefa tendren’ ny mpitendry pianô ny “La Prêtrise Rétablie” (CPE, 60). Angataho ny ankizy hihira ilay hira ary hitady hoe inona ilay hafatra manan-danja ambaran’ izany hira izany. Mangataha ankizy vitsivitsy mba hanazava ny dikan’ izany hira izany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino vahiny nasaina hiresaka): Asehoy ny ankizy ireo sarin’ ny famerenana ny Fisoronana Aharôna sy ny famerenana ny Fisoronana Melkizedeka. Manasà mpihazona ny Fisoronana Aharôna iray mba hizara fohifohy ny tantaran’ ny famerenana ny Fisoronana Aharôna (jereo ny F&F 13; Joseph Smith—Tantara 1:68–72). Dia manasà mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray mba hilaza amin’ ny ankizy momba ny famerenana ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny F&F 27:12–13; Joseph Smith—Tantara 1:72). Asehoy indray ireo sary ary angataho ny ankizy mba hanome ny anaran’ ny olona eo amin’ ny sary.

Sary
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka sy Aharôna

Afaka manampy karazan-javatra hafa sy zavatra mahaliana eo amin’ ny Kilonga ny vahiny nasaina.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara fijoroana ho vavolombelona): Angataho ny ankizy ao amin’ ny kilasy tsirairay mba hanoratra zavatra iray izay ananantsika ankehitriny satria naverina ny Fisoronana Aharôna (ohatra, batisa sy fanasan’ ny Tompo) ary zavatra iray izay ananantsika ankehitriny satria naverina ny Fisoronana Melkizedeka (ohatra, ny fandraisana ho mpikambana sy ny fitsofan-drano ny marary). Angataho ny sasany amin’ ireo ankizy mba hizara ny zavatra nosoratany. Asehoy ny fankasitrahanao an’ ireo fitahiana avy amin’ ny Raintsika any an-danitra noho ny famerenana amin’ ny laoniny ny fisoronana.

Herinandro 4: Nandika ny Bokin’ i Môrmôna i Joseph Smith ary namerina ny fahamarinan’ ny filazantsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra): Alohan’ ny hiantombohan’ ny fotoan’ ny Kilonga dia soraty eo amin’ ny taratasy iray ny hoe: “Nandika ny Bokin’ i Môrmôna i Joseph ary namerina tamin’ ny laoniny ireo fahamarinan’ ny filazantsara” ary hetezo hiendrika piozila ilay taratasy. Soraty ao ambadiky ny tapa-taratasy tsirairay ny anaran’ ny olona iray na zavatra iray izay misy ifandraisany amin’ ny fandikana ny Bokin’ i Môrmôna (ohatra, Joseph Smith, Orima sy Tomima, Anjely Môrônia, takela-bolamena, herin’ Andriamanitra ary Oliver Cowdery). Omeo singany iray amin’ ilay piozila ny ankizy tsirairay ary angataho izy ireo mba hilaza hoe ahoana no fomba ifandraisan’ ilay zavatra na ilay olona amin’ ny fandikana ny Bokin’ i Môrmôna. Asao ny ankizy ao amin’ ny kilasy tsirairay mba handroso eny aloha ary hizara ny zavatra nifanakalozany hevitra dia hametraka ny singan’ ny piozila tany amin’ izy ireo eo amin’ ny solaitrabe. Rehefa feno ilay piozila dia iaraho mamaky ilay fehezan-teny.

Sary
piozila

Misy piozila ao amin’ ny sharingtime.lds.org

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino ny vahiny nasaina mba hiresaka): Manasà mpihazona ny fisoronana iray mba hanome famaritana mikasika an’ i Joseph Smith ary hilaza ny fomba nandikany ny Bokin’ i Môrmôna. Omeo azy ny maromaro amin’ ireo sary izay nataon’ ny ankizy tamin’ ny herinandro 1 ary angataho izy mba hizara ny fomba namerenana tamin’ ny laoniny ny fitsipiky ny filazantsara. Afaka manao zavatra tsotra hilalaovana an-tsehatra izy toy ny ruban mainty mivona atao karavato. Asao izy mba hanala ilay zavatra anaovana hilalaovana an-tsehatra ary hijoro ho vavolombelona mikasika an’ i Joseph Smith.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara hevitra): Angataho ny ankizy mba hitsangana rehefa milaza fahamarinana iray ao amin’ ny filazantsara izy ireo izay very ary naverina tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’ i Joseph Smith. Manasà ankizy vitsivitsy mba hizara ny hevitr’ izy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny sy momba ny Bokin’ i Môrmôna.