Liahona
Notarihina soa aman-tsara ho any amin’ny toerana tokony hisy anay
Martsa 2024


“Notarihina soa aman-tsara ho any amin’ny toerana tokony hisy anay,” Liahona, mar. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

2 Nefia 25–32

Notarihina soa aman-tsara ho any amin’ny toerana tokony hisy anay

Hanampy antsika tsy tapaka amin’ny diantsika amin’ny fomba miavaka ny Mpamonjy.

Sary
Tongotra mandeha anaty oram-panala

Fony aho 12 taona dia nifindra avy tany amin’ny faritra mafana tany Hong Kong ho any amin’ny toerana nisy hatsiaka sy ririnina izay tsy nahazatra ny fianakaviako. Tsy ela dia nasaina aho hanao dia an-tongotra lavitra niaraka tamin’ireo zatovolahy tao amin’ny paroasiko, tamin’ny ririnina voalohany.

Tamin’ny andro nandehananay dia nanao akanjo mafana araka izay fantatro aho. Rehefa niakatra teo amin’ilay lalan-tendrombohitra miolikolika izahay, dia faly aho nahita ny oram-panala nilatsaka nandrakotra ny tany. Tsy nitafy araka ny tokony ho izy ho an’ilay tany sy ny toetrandro anefa aho, ary sahirana tamin’ny fanarahana ny vondrona nisy ahy. Nasaiko handeha aloha izy ireo fa izaho kosa hiaraka amin’ireo izay noheveriko fa nanaraka anay.

Rehefa nanohy ny diako tamin’ny hafainganako manokana aho, dia kotsa ny kiraroko sy ny akanjoko, ary lasa donto ny tongotra aman-tanako mbamin’ny tarehiko. Nanomboka nirotsaka mafy be ny oram-panala ka tsy hitako intsony ilay lalana. Rehefa avy nirenireny nandritry ny fotoana elaela aho, dia tsapako fa very aho, irery, ary tsy azoko antoka raha toa ka nisy olona nahatsikaritra fa tsy hita aho.

Indraindray mandritra ny dian’ny fiainana dia hahatsiaro ho tsy vonona, very, na tavela any aoriana isika. Mety tsy hahafantatra izay tokony hizorana isika ary tsy hahita ny lalana eo anoloantsika. Mety ho toy ny hoe arakaraka ny hiezahantsika mandroso no maha lasa lavitra antsika amin’ny toerana hitodiantsika. Mety hisy ny fahadisoam-panantenana, ary lasa manintona ny fakam-panahy hilavo lefona.

Soa ihany fa ny Mpamonjy Jesoa Kristy dia manana hery hitarihana ny diantsika sy hampitrakana antsika rehefa tafintohina isika (jereo ny Salamo 37:23–24), ary hitondra fitsaharana ho antsika (jereo ny Matio 11:28), fanasitranana (jereo ny Isaia 53:5; Almà 15:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48), fahatokian-tena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45), ary fiadanana (jereo ny Môzià 4:3; Almà 38:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23). “Manakaikeza Ahy,” hoy Izy, “dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63). Mety tsy ho hainao ny tokony hatao rehefa avy eo, saingy afaka manaraka ny Mpamonjy amim-pinoana isika fa hifarana amin’ny fomba tsara sy amim-pandresena ny diantsika satria hitarika antsika soa aman-tsara any amin’izay tokony hisy antsika Izy.

Afaka mijery an’i Jesoa Kristy mandrakariva isika satria i Jesoa Kristy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Ny lalana mety ho an’ny diantsika

Nandritry ny fandalinanay ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity dia nanaraka an’i Lehia sy ny fianakaviany tamin’ny diany nankany amin’ny tany nampanantenaina izahay. Diniho ny zavatra niaretan’ny fianakavian’i Lehia nandritry ny diany:

  • Fanesoana noho ny finoana sy ny fanarahana ireo mpaminany

  • Fanakalozana ny zavatra nampahazo aina mahazatra ho amina tany foana tsy fantatra

  • Dia tsy nisy halavirana na toerana haleha na faharetany vaofaritra mazava tsara

  • Mosary, alahelo, aretina ary fahafatesana

  • Andraikitra sarotra, indraindray tsy takatry ny saina ny anton’izy ireny na ny fomba hanatanterahana azy

  • Fahasarotan-javatra, fahatarana, fisaraham-bazana ary fahadisoam-panantenana

  • Toe-javatra sarotra amin’ny fananganana ankohonana kely

Niaraka tamin’izany dia tsikaritray ihany koa ny fomba nanampian’ny Tompo azy ireo tsy tapaka. Izy dia nanome

  • fitarihana ara-paminaniana sy fanambarana manokana,

  • soratra masina izay mirakitra fitahiana nampanantenaina sy fanekempihavanana,

  • rakitsoratra misy tetiarana sy tantaram-pianakaviana,

  • fitaovana sy fomba vaovao hanomezana ny filan’izy ireo,

  • fahafaha-miaritra bebe kokoa entina hiaretana zava-tsarotra,

  • fahendrena sy torolalana hamitana andraikitra tsy mahazatra,

  • ny Liahônà (fitaovana iray hanampiana azy ireo hamakivaky ny diany), sy

  • fisorohana ny loza ary fiarovana ny fianakaviany.

Tahaka ny tamin’ny fianakavian’i Lehia, dia tsy maintsy hisy fanamby sy fahafoizana ny diantsika. Torak’izany koa, ny Mpamonjy dia hanampy antsika tsy tapaka amin’ny fomba miavaka. Nampianatra i Nefia fa “Ny mino an’ i Kristy no lala-mahitsy … amin’ny hery, ny saina, ny tanjaka, ary ny fanahinareo rehetra” (2 Nefia 25:29). Raha misafidy ny finoana an’i Jesoa Kristy isika, sy mandray amim-panetren-tena ny teniny, ary manana herim-po hampihatra, dia hahita fifaliana sy fitahiana ao anatin’ireo fahasahiranana izay atrehintsika. Miaraka amin’izany dia afaka manana fahatokiana isika fa afaka manatontosa izay zavatra tiany hataontsika (jereo ny 1 Nefia 3:7).

Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo fomba maro hanampian’ny Mpamonjy antsika tsy tapaka.

Sary
Sarin’i Jesoa Kristy

The Dawning of a Brighter Day [Ny fiposahan’ny andro mamiratra kokoa], nataon’i Simon Dewey

Manome antsika ny fotopampianarany Izy

Fantatr’i Jesoa Kristy “hatraminʼny voalohany ny farany” (Abrahama 2:8). Izy ihany koa no “nanoritra sy nitarika ny lalana.”1 Ny fotopampianarany, izay fantatra ao amin’ny soratra masina aminʼny hoe fotopampianaran’i Kristy, no lalana tsy maintsy arahintsika rehetra mba ho avotra sy ho voavonjy.

Tsy maintsy mampihatra tsy tapaka finoana an’i Jesoa Kristy isika, mibebaka tsy tapaka, atao batisa, mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina, manao fanekempihavanana, ary miezaka araka izay azo atao mba haharitra. Ho setrin’izany dia ampanantenaina famelan-keloka sy fanantenana ary fiainana mandrakizay isika. (Jereo ny 2 Nefia 31:2–20.)

Ao anatina tontolo ahitana lalana samihafa sy fomba mifanipaka, ny fotopampianaran’i Kristy dia manome torolalana mazava sy azo tanterahina izay azontsika arahina mba hihazonana antsika ho amin’ny lalana marina (jereo ny 2 Nefia 31:21).

Mitondra fampiononana ho antsika Izy

Tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony no ahafantaran’ny Mpamonjy hoe manao ahoana izany tena irery sy nilaozana izany. Fantany tsara ihany koa ny fomba hampiononana antsika. Hoy izy: “Aza malahelo ny fonareo” (Jaona 14:1) ary “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho” (Jaona 14:18).

Ny Mpamonjy dia nampanantena ny fanomezana ny Mpampionona, izay ny Fanahy Masina, ho an’ireo izay mino Azy. Nilaza Izy fa ilay Mpampionona no “hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

Manome antsika ny tenin’ Andriamanitra Izy

Tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao, ny Tompo dia nanome antsika soratra masina tranainy sy amin’ny andro farany, izay mirakitra ny tenin’ Andriamanitra. Nampianatra i Nefia fa “na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy” (1 Nefia 15:24).

Ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra dia mitondra fiarovana ary mitarika antsika hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra. Manazava ny lalantsika ny teniny (jereo ny Salamo 119:105) ary “hilaza amin[tsika] ny zava-drehetra tokony hatao[ntsika]” (2 Nefia 32:3).

Mitarika antsika amin’ny alalan’ny Mpanompony Izy,dia ireo Mpaminany sy Apôstôly izany

Niantso mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy mba hanampy antsika. Ny torohevitr’izy ireo sy ny fampianaran’izy ireo dia ho antsika sy ho an’izao androntsika izao. Raha sendra very na very hevitra ianao amin’ny dianao, dia mety hanampy anao ny misaintsaina ireto fanontaniana telo manaraka ireto:

  1. Ahoana no nanomanan’ny Tompo ahy tamin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly ho amin’ireo fitsapana niainako?

  2. Inona no asain’ireo mpaminany sy apôstôly ataoko anio mba hiomanana amin’ireo fanamby izay mbola miandry ahy?

  3. Inona no zavatra ataoko izao mba hanarahana ny fanasana avy amin’ny mpaminany?

Rehefa misaintsaina ireo fanontaniana ireo isika dia afaka mahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fitarihan’ny mpaminany sy ny apôstôly. Afaka mandre tsara kokoa ny feon’ny Tompo isika ary mahita ny fomba nanampiany antsika tsy tapaka. Raha misafidy isika dia afaka mihaino ireo mpaminany sy apôstôly ary mahita fitarihana sy firoboroboana ary fiarovana eo amin’ilay lalana izay mitondra miverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Sary
Loholona Tai teny an-tampon-tendrombohitra

Loholona Tai tany amin’ny laharan-tendrombohitr’i Sierra Nevada any Kalifornia nanodidina ny taona 1988. Ny tantara nozarainy dia nitranga tao amin’ny Havoanan’i Baden Powell ao amin’ny Tendrombohitra San Gabriel any Kalifornia tamin’ny taona 1984.

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny mpanoratra

Finoana mba handroso

Raha very, nangatsiaka, ary irery teo amin’io tendrombohitra misy oram-panala io aho, taona maro lasa izay, dia lasa kivy. Tsy fantatro izay zavatra hafa tokony hataoko, dia nandohalika tao anatin’ilay oram-panala vao nilatsaka aho ary nivavaka tamin’ny Raiko any An-danitra mba hahazoana fanampiana. Nozaraiko taminy ny fahasahiranako sy ny tahotro ary nitalaho aho mba ho hita sy hisy hanavotra.

Rehefa nitsangana avy tamin’ny fivavahako aho, dia nidina nanodidina ahy ny oram-panala, ary nisy fahanginana tsara sy tony nanerana ireo hazo. Tapaka izany fahatoniana izany rehefa nandre zavatra nikasokasoka tao amin’ny kirihitra teo akaiky teo aho. Nisy ankizilahy roa efa lehibebe nipoitra. Efa tonga teny an-tampony izy ireo, ary raha tokony nanaraka ny lalana, dia nanapa-kevitra ny higorisa hidina ny tendrombohitra. Tamin’ny toerana rehetra, dia nigorisa teo amin’izay nisy ahy izy ireo!

Rehefa nanontany ahy izy ireo hoe inona no nataoko teo, dia nolazaiko azy ireo fa very aho. Nasain’izy ireo hiaraka amin’izy ireo aho, ary niara-nigorisa nidina soa aman-tsara teo amin’ny lalan-kely hatrany am-pototry ny tendrombohitra izahay. Tamin’ny farany, dia tafaraka indray tamin’ny ambin’ny vondrona nisy anay izahay.

Rehefa mandroso amin’ny diantsika manokana amim-pinoana sy amim-pahazotoana ary amim-paharetana isika, dia enga anie isika hahafantatra ny fomba andehanan’ny Mpamonjy miaraka amintsika sy ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika amim-pahavitrihana. I Jesoa Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Enga anie ny finoantsika Azy hitondra fiadanana ao an-tsaintsika sy fifaliana eo amin’ny diantsika.

Fanamarihana

  1. Endrey fahendrena, fitia,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 37.