“Ilay Mpamonjin’ny rehetra, filazantsara ho an’ny rehetra,” Liahona, 2024.
Ilay Mpamonjin’ ny rehetra, filazantsara ho an’ny rehetra
Ny filazantsara sy ny Sorompanavotana ary ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra.
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no loharanon’ny fahasambarana maharitra sy ny fiadanam-po marina ary ny fifaliana ho an’ny olon-drehetra amin’izao andro farany izao voalohany indrindra, ary mandrakizay. Ireo fitahiana izay mitobaka avy amin’ny filazantsara sy avy amin’ny hatsaram-panahin’i Kristy tsy manam-petra dia tsy natao velively ho an’ny olom-bitsy voafantina, na tamin’ny fahiny izany na amin’izao andro maoderina izao.
Na manao ahoana na manao ahoana ny fahatsapantsika ho tsy ampy fahaizana, ary na dia eo aza ny fahotana izay mety hanalavitra antsika Aminy mandritra ny fotoana fohy, dia manome toky antsika ny Mpamonjy fa “maninjitra ny tanany amin[tsika] Izy mandritra ny manontolo andro” (Jakôba 6:4), ary manasa antsika rehetra mba hanatona Azy sy hahatsapa ny fitiavany.
Fitahian’ny filazantsara ho an’izao tontolo izao
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia efa “naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao mba hahafeno ny … filàn’ny firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra eto an-tany.”1 Mihoatra noho ny zom-pirenena sy ny fihodirana rehetra ny filazantsara rehefa mamakivaky ireo fefy ara-kolontsaina rehetra mba hampianatra fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (2 Nefia 26:33).2 Ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona miavaka momba izany fahamarinana izany.
Io rakitsoratra lehibe io dia manambara fa i Kristy dia mahatsiaro ny firenen-drehetra (jereo ny 2 Nefia 29:7) ary haneho “ny tenany amin’izay rehetra izay mino Azy, … [ary hanao] fahagagana lehibe sy famantarana ary zava-mahatalanjona eo anivon’ny zanak’olombelona” (2 Nefia 26:13). Anisan’ireo fahagagana lehibe sy famantarana ary zava-mahatalanjona lehibe ireo ny fampielezana ny filazantsara. Hany ka mandefa misiônera manerana izao tontolo izao isika mba hijoro ho vavolombelona momba ny vaovao tsara entin’izany. Isika ihany koa dia mizara ny filazantsara amin’ireo manodidina antsika. Ny fampiasana ny fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny ho an’ny velona sy ny maty dia miantoka fa ny fahafenoan’ny filazantsara dia ho azon’ny zanakalahy sy zanakavavy tsirairain’ny ray aman-drenintsika any an-danitra amin’ny farany—na lasa, na ankehitriny, na ho avy.
Ny lafiny manan-danja indrindra amin’ity filazantsara ity—ny hafatra fototra voizin’ny mpaminany sy ny apôstôly rehetra izay nantsoina ho amin’ny asa hatrizay—dia ny hoe i Jesoa no Kristy ary tonga Izy mba hitahy ny olon-drehetra. Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manambara isika fa ho an’izao tontolo izao ny sorona fanavotana nataony.
Ny ilàna Sorompanavotana tsy manam-petra sy mandrakizay
Rehefa mitety an’izao tontolo izao aho dia manao tafa sy dinika amina mpikamban’ny Fiangonana avy amina fiavina samihafa marobe. Nahazo fitaomam-panahy aho hihaino ny fahatsapan’izy ireo ny fitahiana entin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany, na dia rehefa mibaboka fahotana efa ela aza izy ireo. Tena mahafinaritra tokoa fa eo foana hatrany ho antsika rehetra ny fampiononana manadio avy amin’ny Sorompanavotany!
“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao,” hoy ny nambaran’i Amioleka, “fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra.” Ho “lavo [mandrakizay isika] sady … very, … raha tsy noho ny sorompanavotana,” izay nitaky “sorona tsisy fetra sady mandrakizay.” Fa “tsy mety hisy na inona na inona izay latsaky ny sorompanavotana tsisy fetra ka ho ampy ho an’ny fahotan’izao tontolo izao”(Almà 34:9, 10, 12).
Nampianatra ihany koa i Jakôba mpaminany lehibe fa “efa nahatratra ny olon-drehetra ny fahafatesana, … dia tsy maintsy ilaina ny hisian’ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty” mba hitondrana antsika eo anatrehan’ Andriamanitra (2 Nefia 9:6).
Na ny ota na ny fahafatesana dia samy nila noresena avokoa. Izany no asa nanirahana ny Mpamonjy, izay notanterahiny tamin-kerim-po ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.
Getsemane, J. Kirk Richards, tsy azo adika
Ny sorona nataon’ny Mpamonjy antsika
Niditra tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy tamin’ny alina farany niainany teto an-tany. Tao Izy no nandohalika teo anivon’ireo hazo oliva ary nanomboka nidina tao amina fangirifiriana lalina izay tsy ho fantatrao sy tsy ho fantatro na oviana na oviana.
Tao Izy no nanomboka nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao. Nahatsapa ny fanaintainana sy ny ratram-po ary ny alahelo rehetra Izy, ary niaretany ny fanaintainana sy ny fijaliana rehetra iainanao, sy iainako, ary iainan’ny fanahy rehetra izay niaina na mbola hiaina. Izany fijaliana lehibe sy tsisy fetra izany dia “nahatonga [Azy], …Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18). Izy irery ihany no afaka nanao izany.
Nentina tany Kalvary i Jesoa avy eo, ary tamin’ny fotoana tsy ara-drariny indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, dia nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Tsy ho nisy olona afaka nanala ny ainy Taminy. Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra Azy, dia nanana ny hery entina handresena ny fahafatesana ara-batana Izy. Afaka ny ho nivavaka tamin-dRainy Izy, ary dia ho nisy legionan’ anjely ho tonga mba handresy ireo mpampijaly Azy sy haneho ny fahefany amin’ny zava-drehetra. “Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina,” hoy ny fanontanian’i Jesoa tamin’ny namadihana Azy, “fa tsy maintsy ho tonga izany?” (Matio 26:54)
Noho ny fankatoavana tanteraka an-dRainy—sy ny fitiavana lavorary ho antsika—dia nanolotra an-tsitrapo ny ainy i Jesoa ary namita ny sorompanavotany tsisy fetra sy mandrakizay, izay mipaka hatrany amin’ny fotoan-dasa sy misy fiantraikany hatrany amin’ny mandrakizay.
Ny fandresen’ny Mpamonjintsika
Nandidy ny Apôstôliny i Jesoa mba hanohy ny asany aorian’ny fahafatesany. Ahoana no hanaovan’izy ireo izany? Mpanarato tsotra fotsiny ihany ny maro tamin’izy ireo, ary tsy nisy nampiofanina tao amin’ny synagoga ho amin’ny fanompoana. Tamin’izay fotoana izay, dia toa natao lany tamingana ny Fiangonan’i Kristy. Saingy ireo Apôstôly dia nahita hery mba handraisana ny antsony sy hamolavolana ny tantaran’izao tontolo izao.
Inona no niteraka ny fahatongavan’ny hery avy amin’ny fahalemena miharihary toy izany? Hoy i Frederic Farrar, mpandalina sy mpitarika ny fiangonana anglikanina: “Iray ihany ny valiny azo omena —dia ny fitsanganana amin’ny maty. Izany fiovana goavana rehetra izany dia noho ny herin’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty.”4 Amin’ny maha-vavolombelon’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty an’ireo Apôstôly, dia nahafantatra izy ireo fa tsy misy na inona na inona afaka hanakana ity asa ity tsy handroso. Loharanon-kery manohana ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo rehefa nandresy ny zava-tsarotra rehetra ny Fiangonana voalohany.
Amin’izao vaninandron’ny Paska izao, amin’ny maha iray amin’ireo vavolombelony voatendry ahy, dia manambara aho fa tamin’ny alahady maraina kanto iray, dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo mba hampahatanjaka antsika sy hanapaka ny fatoran’ny fahafatesana ho an’ny rehetra. Velona i Jesoa Kristy! Noho Izy dia tsy fahafatesana no fiafarantsika. Ny Fitsanganana amin’ny maty dia fanomezana maimaim-poana sy ho an’olon-drehetra manerana izao tontolo izao.
Christ and Mary at the Tomb [I Kristy sy i Maria teo am-pasana], nataon’i Joseph Brickey
Manatòna an’i Kristy
Ny filazantsara sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia natao ho an’ny rehetra—izany hoe ny olona tsirairay. Ny hany fomba hiainantsika ny fitahiana feno avy amin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia amin’ny alalan’ny faneken’ny tsirairay ny fanasany hoe: “Mankanesa atỳ amiko” (Matio 11:28).
Manatona an’i Kristy isika rehefa mampihatra finoana Azy sy mibebaka. Manatona Azy isika rehefa atao batisa amin’ny anarany ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Manatona Azy isika rehefa mitandrina ny didy, mandray ôrdônansy, manaja fanekempihavanana, mandray ireo traikefa ao amin’ny tempoly, ary miaina ny karazana fiainana iainan’ireo mpianatr’i Kristy.
Mety hiatrika fahakiviana sy fahadisoam-panantenana ianao indraindray. Mety ho vaky ny fonao noho ianao ihany na noho ny olona iray izay tinao. Mety ho vesaran’ny fahotan’ny hafa ianao. Ireo fahadisoana nataonao—mety ho lehibe—dia mety hahatonga anao hatahotra fa ny fiadanam-po sy ny fahasambarana dia nandao anao mandrakizay. Amin’ny fotoana toy izany dia tsarovy fa ny Mpamonjy dia tsy vitan’ny hoe manala ny enta-mavesatry ny fahotana fa “[niaritra] fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” ihany koa (Almà 7:11), anisan’izany ny anao! Noho ny zavatra niainany ho anao dia fantany manokana ny fomba hanampiana anao rehefa manaiky ilay fanasany izay manova fiainana ianao, dia ilay hoe: “Mankanesa atỳ amiko.”
Raisina an-tanan-droa avokoa ny rehetra
Nasehon’i Jesoa Kristy mazava tsara fa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia manana zo mitovy amin’ireo fitahian’ny filazantsarany sy ny Sorompanavotany. Mampahatsiahy antsika Izy fa ny olon-drehetra rehetra “dia manan-jo hitovy (…), ka tsy misy voarara amin’izany” (2 Nefia 26:28).
“Manainga ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy” (2 Nefia 26:33).
“Manainga ny rehetra Izy”—isika rehetra no tian’izany holazaina! Tsy tokony hanome petak’anarana sy fanavahana manokana noforonin’olombelona amin’ny tenantsika na amin’ny hafa isika. Tsy tokony hametraka sakana na oviana na oviana amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy isika na hieritreritra zavatra izay tsy takatry ny saintsika na ny hafa. Araka ny nolazaiko teo aloha hoe: “Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra [ny olona iray] ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”5
Fa izao kosa, araka ny nampianariko sy Rahavavy Holland volana vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, dia nodidiana isika mba “hanana fiantrana, dia fiantrana izay fitiavana” (2 Nefia 26:30).6 Izany no fitiavana asehon’ny Mpamonjy amintsika, satria “Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’ izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy” (2 Nefia 26:24).
Mijoro ho vavolombelona aho fa ny filazantsara sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia natao ho an’ny olon-drehetra. Mivavaka aho mba handray amim-pifaliana ireo fitahiana entiny ianareo.