2019
Anjara masina
Ôktôbra 2019


Anjara masina

Monina any Frantsa ny mpanoratra.

Falifaly foana ilay namako raha ny mahazatra. Inona ary no mety manahirana ny sainy?

Sary
girls under umbrella

Sary nataon’i Reginald Swinney

Avy any Frantsa aho saingy nipetraka nandritra ny herintaona tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia izaho sy ny rahavaviko tamin’ny naha-mpianatra nomen’ny sekoly fahafahana handranto fianarana any ivelany anay. Nandritra izany fotoana izany dia nihaona tamina olona maro izahay, saingy ny olona iray izay nisy fiantraikany tena lehibe teo amiko dia ilay tovovavy antsoina hoe Destiny. Lasa iray tamin’ireo namako akaiky indrindra izy. Niaraka nanao karazan-javatra maro izahay nandritra ny fotoam-pianarana sy taorian’ny fotoam-pianarana ary niaraka tamin’ny rahavaviko. Faly foana i Destiny. Izany no zavatra tena tiako momba azy.

Dia indray andro, hitako hoe sorisorena izy ary mbola tsy nahita azy velively toy izany aho teo aloha. Nanontaniako azy izay manahirana ny sainy. Nilaza izy fa tsy te hiresaka momba izany. Dia nahatsikaritra taratasy teny an-tanany aho. Nalaiko izany ary novakiko.

Nisy olona nanoratra zavatra feno haratsiam-panahy taminy. Voalaza tao anatin’izany taratasy nosoratan’olona tsy fantatra izany fa izy dia ratsy tarehy, tsy misy olona tia azy, tsy misy antony tokony hahavelona azy ary tokony handeha ka hamono ny tenany izy. Tsy nino velively aho hoe olona tahaka azy dia hisy hihantsy tahaka izany. Nisy fiantraikany lalina tamiko ny fahafantarana ilay alahelo nianjady taminy.

Nanomboka tamin’izay dia nanao ezaka bebe kokoa aza aho mba ho naman’i Destiny. Tsy hoe hanokana fotoana hiarahana aminy fotsiny fa ho eo foana ho azy ary indrindra mba hahitsy toetra. Nohazavaiko taminy fa zanak’Andriamanitra izy, nomena toetra araka an’Andriamanitra, mendrika ny hotiavina ary mahavita zavatra lehibe.

Sarotra ny mitia ny tenanao rehefa anehoan’ny hafa toetra ratsy sy kianiny ianao. Rehefa ninamana tamin’i Destiny aho dia nianatra fa indraindray ny fomba tsara indrindra hanampiana ny hafa dia ny mitia azy ireo fotsiny sy manampy azy ireo mba hahafantatra hoe iza marina izy ireo.

Tany amin’ny fiafaran’ny taona rehefa tsy maintsy hiverina any Frantsa aho dia niteny zavatra tamiko izay hotadidiko lalandava i Destiny. “Emma a!” hoy izy, “Nanavotra ahy ianao. Naniry ny hamono tena aho talohan’ny nahatongavanao. Saingy avy eo nampianao sy ny rahavavinao be dia be aho, tamin’ny alalan’ny fanehoana firaharahiana ahy fotsiny. Amin’izao fotoana izao dia tiako ny tenako ary tiako ianao.”

Misy ankizy maro any an-tsekoly izay ianjadian’ny fampitahorana na ampijaliana na mitoka-monina. Mitadiava fomba hanampiana azy ireo. Miresaha amin’izy ireo, mieritrereta azy ireo ary manehoa hatsaram-panahy amin’izy ireo. Izany no ho nataon’ny Mpamonjy ary indraindray ny fiarahabana tsotra fotsiny na ny tsikitsiky iray dia afaka manova ny zava-drehetra.