2019
Fiarahabana avy ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo!
Ôktôbra 2019


Fiarahabana avy ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo!

Sary
Hello from the Democratic Republic of the Congo

Salama ô, izahay no Margo sy Paolo!

Mitsidika ny Repoblika Demôkratikan’ i Congo izahay, na ny R. D. Congo.

Ny R. D. Congo dia ao Afrika afovoany. Olona eo ho eo amin’ny 80 tapitrisa no mipetraka ao.

Rakotra ala trôpikaly ny ampahany lehibe amin’ny R. D. Congo. Toeram-ponenan’ny karazam-biby mahaliana toy ny elefanta, ny gorille ary ny rhinocéros izany. Okapi no anarana fiantsoana ity biby ity.

Ny R. D. Congo dia malaza amin’ny taokanto nentim-paharazana ao aminy, anisan’izany ireo sary vongana vita amin’ny hazo, ny harona voarary, ary ny saron-tava.

Ny misiônera avy ao amin’ny fiangonantsika dia nanomboka nampianatra ny olona tao R. D. Congo tamin’ny 1986. Amin’izao fotoana izao dia efa ho olona 60.000 ao no mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny ankamaroan’ny olona ao R. D. Congo dia miteny frantsay ao am-piangonana. Io no fiteny ôfisialin’ilay firenena. Saingy misy fiteny hafa efa miisa ho 250 ampiasain’ny olona ao R. D. Congo!

Tamin’ity taona ity ny R. D. Congo no nahazo ny tempoliny voalohany. Faly ery ny mpikamban’ny Fiangonana ao fa nahazo tempoly ao amin’ny fireneny.

Misaotra tamin’ny fitsidihana ny R. D. Congo niaraka taminay. Amin’ny manaraka indray!