2017
Miaina fiainana natokana ho masina
August 2017


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano, Aogôsitra 2017

Miaina fiainana natokana ho masina

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahiana azo amin’ny fiainana mandrakizay?

Sary
Relief Society seal

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Ny manokana dia midika hoe fanokanana zavatra iray ho masina, natolotra ho an’ny tanjona masina,” hoy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny fahombiazana marina eo amin’ity fiainana ity dia azo avy amin’ny fanokanana ny fiainantsika ho masina, izany hoe ny fotoanantsika sy ny safidintsika, mba ho an’ny tanjon’ Andriamanitra.”1

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny hoe: “Toa mihevitra isika fa ny fanokanana dia toy ny fanomezana fotsiny ireo fananantsika ara-materialy, rehefa mahazo didy avy amin’ Andriamanitra. Saingy ny fanokanana tsara indrindra dia ny manolotra ny tena manontolo ho an’ Andriamanitra.”2

Rehefa manokana ny tenantsika mba ho an’ny tanjon’ Andriamanitra isika dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Rehefa miaina fiainana natokana ho masina isika dia afaka ny ho tonga masina amin’ny alalan’ireo zavatra natao ireo.

I Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia nilaza hoe: “Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe ‘rehefa manao fanekempihavanana sy mitandrina izany isika dia miala amin’izao tontolo izao ary miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.’

“Miova isika. Lasa olona hafa ary manao zavatra amin’ny fomba hafa isika. Lasa hafa ny zavatra henointsika sy vakintsika ary lazaintsika, ary hafa ny zavatra anaovantsika satria lasa zanakavavin’ Andriamanitra isika, izay voafatotra Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.”3

Ny fanokanana dia ilay fanekempihavanana ataon’ Andriamanitra “amin’ny taranak’i Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” (Jeremia 31:33). Ny miaina fiainana natokana ho masina dia mifanaraka amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika.

Soratra masina fanampiny

1 Tesaloniana 1:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:5;

reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Fanehoan-kevitra momba ny fanokanana ny fiainana ho masina,” Liahona, nôv. 2010, 16.

  2. Neal A. Maxwell, “Consecrate Thy Performance,” Liahona, jolay 2002, 39.

  3. Carole M. Stephens, “Fantaro tsara ny andraikitrareo,” Liahona, nôv 2012, 116.