2017
Ny fifaliana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy
August 2017


Zatovo

Ny fifaliana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy

Efa niaina tontolo andro ratsy ve ianao? Inona no nataonao mba hahafaly anao? Ny Filoha Uchtdorf dia mahafantatra fa “Samy manana ny ratram-pontsika sy ny fahadisoam-panantenantsika ary ny alahelontsika isika. Mety mahatsiaro ho kivy mihitsy aza isika na vesaran-javatra maro indraindray.”

Ny vahaolana narosony dia ny miaina ilay antsoiny hoe “fiainan’ny mpianatra”: “mitoetra ho mahatoky ary manohy mandroso amim-pinoana.” Rehefa mandroso amim-pinoana isika dia afaka matoky an’ Andriamanitra, mitandrina ny didiny, manompo ny hafa, ary mahatsapa fifaliana mandritra izany rehetra izany. Araka ny nolazain’ny Filoha Uchtdorf hoe: “Ireo izay miaina ny fiainan’ny mpianatra … no mitondra fiovana lehibe noho ireo asa soa kely ataony.”

Ataovy lisitra ireo fomba ahafahanao miaina ny fiainan’ny mpianatra. Ohatra, afaka manoratra hevitra momba ny asa fanompoana iray ianao, toy ny “manampy ny ray aman-dreniko hikarakara sakafo hariva” na hevitra amin’ny fitandremana didy toy ny hoe “mivavaka mba hanana faharetana bebe kokoa amin’ireo mpiray tam-po amiko.” Rehefa mahatsapa ho diso fanantenana na vesaran’ny zavatra maro ianao amin’ny manaraka dia avoahy ilay lisitra nataonao, dia misafidiana hevitra iray ary andramo izany!