2017
Mba ho iray ihany izy
July 2017


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, jolay 2017

Mba ho iray ihany izy

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

Sary
Relief Society seal

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Nahatontosa ilay firaisam-po tonga lafatra tamin’ny Ray i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanekeny manokana, ny vatany sy ny fanahiny, hanao ny sitrapon’ny Ray,” hoy ny nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kolejin’ny Apostoly Roambinifolo.

“… Azo antoka fa tsy ho iray miaraka amin’ Andriamanitra sy Kristy isika raha tsy ny sitrapony sy ny zavatra manan-danja Amin’izy ireo no iriantsika indrindra. Tsy ho azo ao anatin’ny indray andro ny fanaovana toy izany, saingy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hitantana sy hampianatra antsika ny Tompo raha toa isika ka manaiky, mandrapahazoana miteny marina, rehefa mandeha ny fotoana, fa ao amintsika Izy tahaka ny maha ao Aminy ny Ray.”1

I Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany dia nampianatra ny fomba atao hahazoana izany firaisam-po izany: “Ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanantsika dia fanehoana ny fanoloran-tenantsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy. Ny tena tsara indrindra dia ny miezaka hanana ilay toetra nambara tsara ao amin’ny fihirana be mpankafy iray: ‘Ny lalanao no lalako … Holazaiko izay tianao holazaiko. … Ho tonga tahaka ilay olona tianao hahatongavako aho.’”2

Nampahatsiahy antsika ihany koa ny Loholona Christofferson fa “rehefa miezaka isan’andro sy isan-kerinandro isika mba hanaraka ny dian’i Kristy dia manamafy ny fahamboniany ny fanahintsika, mihatony ny ady ao anaty, ary mitsahatra ny manakorontana ireo fakam-panahy.”3

Nijoro ho vavolombelona momba ny fiezahana mampitovy ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra i Neil F. Marriott, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, hoe: “Sahirana aho tamin’ny fanaisorana ilay faniriana amin’ny maha-olombelona hoe ny fombako ihany no arahina, saingy tsapako tamin’ny farany fa tena tsy ampy sy voafetra ary ambany teo anatrehan’ilay fomban’i Jesoa Kristy ny fombako. ‘Ny fomban[’ny Raintsika any An-danitra] no lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ilay tontolo ho avy.’”4 ’Ndeha isika hiezaka amim-panetrentena mba hiray hina amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy.

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Jaona 17:20–21; Efesiana 4:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27; reliefsociety.lds.org

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “That They May Be One in Us,” Liahona, nôv. 2002, 73.

  2. Linda K. Burton, “Ny hery sy fifaliana ary fitiavana avy amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2013, 111.

  3. D. Todd Christofferson, “That They May Be One in Us,” Liahona, 71.

  4. Neill F. Marriott, “Manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 30.