2017
Rehefa nodimandry ny namako
July 2017


Zatovo

Rehefa nodimandry ny namako

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Nandritra ny taonako voalohany tany amin’ny lycée, tsentsina ny lalan-drà tany amin’ny atidohan’ny namako ka nodimandry izy ny ampitso. Mbola nanana olana aho na dia efa mpikamban’ny Fiangonana aza. Nampianarina ahy nandritra ny fiainako iray manontolo fa afaka mitodika amin’ny Ray any An-danitra amin’ny zava-drehetra aho, saingy tsy mbola nandalo zavatra ohatra ity velively aho teo aloha.

Nitomany nandritra ny ora maro aho, niezaka ny hitady zavatra—na inona na inona—hanome fiadanana ho ahy. Ny ampitso alin’ny nahafatesany dia nitodika tao amin’ny fihirana aho. Raha namadibadika ireo pejy aho dia nahasokatra ny boky teo amin’ny “Demeure Auprès de Moi, Seigneur” (Cantiques, no. 93). Nanintona ny saiko ny andininy fahatelo:

Mitoera eto amiko

Hangina ny alina,

Raha tsy miresaka aminao,

Na tsy tarihinao.

’Lay haizina hatahorako,

Hankao an-tranoko.

Mpamonjy ô, aza mandao!

Fa indro ny alina.

Nameno fiadanam-be ho ahy io andininy io. Fantatro tamin’izay fa tsy hoe afaka ny hijanona fotsiny niaraka tamiko ny Mpamonjy io alina io fa fantany tsara ihany koa ny fahatsapako. Fantatro fa ny fitiavana tsapako tamin’ny alalan’ilay hira dia tsy nanampy ahy hamakivaky ny alina fotsiny fa nanampy ahy hamakivavky ireo fisedrana maro hafa izay niaretako.