2017
Mikendry ny eo afovoany
Janoary 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2017

Mikendry ny eo afovoany

Nijery vondron’olona nanao fanazaran-tena nandefa zana-tsipìka aho vao haingana. Lasa nazava tamiko tamin’ny alalan’ny fijerena izany fotsiny fa raha tena te hahay hifehy tsara ilay tsipìka sy zana-tsipìka ianao dia mitaky fotoana sy fanazaran-tena izany.

Mihevitra aho fa tsy ho afaka ny hampitombo ny lazanao ho mpitifitra tsipìka mahay ianao amin’ny alalan’ny fitifiranao eny amin’ny rindrina tsy misy na inona na inona dia asianao boribory toy ny hoe ilay faritra kendrena avy eo manodidina ireo tsipìka. Mila mianatra ny fahaizana mijery ilay faritra kendrena ianao dia mikendry ilay tigetra.

Manao sary ny faritra kendrena

Mety ho hevitra adaladala ihany ny hoe mitifitra aloha dia manao ny sarin’ilay faritra kendrena avy eo, saingy mampiseho io toetra io mihitsy isika indraindray any amin’ireo toe-javatra hafa eo amin’ny fiainana.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mirona any amin’ny firaiketam-po amin’ireo fandaharan’asan’ny filazantsara, sy ireo olana ary ireo fotopampianarana mihitsy izay toa mahaliana na manan-danja na mahafinaritra antsika mihitsy aza isika. Alaim-panahy manisy boribory manodidina azy ireo ho toy ny zavatra kendrena isika, dia mino fa mikendry ny zavatra manan-danja indrindra ao amin’ny filazantsara.

Mora ny manao izany.

Nandray torohevitra sy fanentanam-panahy tena tsara avy amin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra isika tao anatin’ny vanimpotoana rehetra nandalo. Mandray torolalana sy fanazavana avy amin’ireo zavatra maro samihafa navoaka sy ireo boky torolalana ary ireo bokin’ny Fiangonana koa isika. Afaka misafidy mora foana ny lohahevitra momba ny filazantsara izay tena tiantsika isika, dia manao sarina tigetra manodidina izany, ary manamarina fa nahita ny zavatra manan-danja indrindra ao amin’ny filazantsara.

Manazava ny Mpamonjy

Tsy olana miseho manokana amin’izao androntsika izao izany. Fahiny ireo mpitondra fivavahana dia nandany fotoana be dia be nanasokajy sy nandahatra ary niady hevitra mikasika ny hoe iza amin’ireo didy an-jatony no tena manan-danja.

Indray andro nisy vondrona mpahay fivavahana izay nanandrana nampiditra ny Mpamonjy tao anatin’ny adihevitra. Nangatahan’izy ireo Izy mba hizara ny heviny mikasika ny toe-javatra iray izay vitsy ihany no mety hanaiky azy.

Nanontanian’izy ireo Izy hoe: “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?”

Fantatsika rehetra ny namalian’i Jesoa izany: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”1

Diniho tsara ilay fehezanteny farany: “Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”

Tsy hoe nampisehon’ny Mpamonjy antsika fotsiny ilay tanjona fa nampahafantariny koa ilay tigetra.

Manatratra ilay tanjona

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manao fanekempihavanana isika fa hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Voafono ao anatin’izany fanekempihavanana izany ny fahatakarana fa hiezaka ny hianatra momba an’ Andriamanitra isika, hitia Azy, hampitombo ny finoantsika Azy, hanaja Azy, handeha amin’ny lalany ary hijoro mafy ho vavolombelony.

Rehefa mahafantatra bebe kokoa an’ Andriamanitra isika sy mahatsapa ny fitiavany antsika, dia hahatsapa bebe kokoa fa fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ny sorompanavotana tsy manam-petra nataon’i Jesoa Kristy. Ary ny fitiavan’ Andriamanitra dia manentana ny fanahintsika mba hampiasa ny lalan’ny fibebahana marina izay hitondra antsika any amin’ny fahagagana avy amin’ny famelan-keloka. Manome fahafahana antsika hanana fitiavana sy fangorahana lehibe kokoa an’ireo olona manodidina antsika io dingana arahina io. Hahay hijery mihoatra ny fanasokajiana olona isika. Hahatohitra ny fakam-panahy hiampanga na hitsara ny hafa noho ny fahotany na ny fahalemeny na ny kilemany na ny fironany ara-pôlitika na ny fiaviany na ny lokon’ny hodiny isika.

Hahita ny olona tsirairay mihaona amintsika ho toy ny zanaky ny Raintsika any An-danitra isika—rahalahintsika na anabavintsika.

Hanolo-tanana ny hafa amin-katsaram-panahy sy amim-pitiavana isika—na dia ireo olona izay mety tsy mora aza ny mitia manokana azy ireo. Hiara-malahelo amin’izay malahelo ary hampionona ireo izay mila fampiononana isika.2

Ary dia ho tsapatsika fa tsy ilaina ny miferinaina mikasika ny hoe inona no tanjona marin’ny filazantsara.

Ireo didy roa lehibe indrindra no tanjona. Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.3 Hilamina ny zavatra hafa rehetra rehefa manaiky izany isika.

Raha toa ny zavatra ifantohantsika sy ny eritreritsika ary ny ezaka ataontsika ka miompana amin’ny fampitomboana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra Tsitoha sy amin’ny fanehoam-pitiavana ny hafa, dia afaka mahafantatra isika fa nahita ilay tanjona marina ary mikendry ilay tigetra—ny ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy.

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Alohan’ny hizaranao ity hafatra ity dia azonao atao ny mihira ny “Divin amour” (Cantiques, lah. 59). Dia hevero ny hamporisika ireo olona vanginao mba hieritreritra ireo “tanjona” eo amin’ny fiainany manokana. Azonao atao ny mifanakalo hevitra mikasika ireo fomba hakana antoka fa ireo didy roa lehibe—ny “[mitia] an’i Jehovah Andriamanitrao” sy ny “[mitia] ny namanao tahaka ny tenanao” (jereo ny Matio 22:37, 39)—dia mitarika ireo zavatra ataon’izy ireo. Azonao atao koa ny mizara fomba manokana nentinao nampifantohana ny fiainanao tamin’i Kristy sy mizara fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fitahiana azonao avy amin’izany.