2017
Afaka manova zavatra tsara ny tsiky
Janoary 2017


Zatovo

Afaka manova zavatra tsara ny tsiky

Nampahafantatra tanjona roa tokony hampiharintsika eo amin’izay zavatra ataontsika ny Filoha Uchtdorf: mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny namantsika. Saingy indraindray tsy mora tsotra izao ny mitia ny hafa. Mety misy fotoana mandritra ny fiainanao izay ahitanao fa sarotra ny mifandray amin’ny hafa—mety nisy olona nanafintohina anao na sarotra ho anao ny mifandray na minamana amin’ny olona iray. Miezaha mahatsiaro ny fitiavana tsapanao avy amin’ireo namana sy fianakaviana ary avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ireny fotoana ireny. Tsarovy ny fifaliana tsapanao nandritra ireny toe-javatra ireny ary andramo alaina sary an-tsaina hoe ny olona rehetra no manana fahafahana hahatsapa fitiavana tahaka izany. Tsarovy fa ny olona rehetra dia zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra ary mendrika ny fitiavany sy ny fitiavanao.

Mieritrereta olona iray manokana eo amin’ny fiainanao izay sarotra ho anao ny mifanara-tsaina aminy. Ampidiro ao anatin’ny vavaka ataonao izy ireo ary angataho ny Ray any An-danitra mba hanokatra ny fonao amin’izy ireo. Vetivety ianao dia hahita ny fomba fahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo: toy ny iray amin’ireo zanany izay mendrika ny ho tiavina.

Rehefa avy nivavaka ianao dia manaova zavatra tsara ho azy ireo! Angamba azonao asaina hanatrika atrikasa Ifanakalozana izy ireo na hanao fiarahana mivoaka amin’ny namana. Manolora fanampiana amin’ny fanaovana enti-mody iray. Mitenena na dia hoe “manahoana” fotsiny aza dia itsikio izy ireo. Afaka mitondra fiantraikany tsara lehibe … eo amin’ny fiainanareo roa tonta ireo zavatra kely atao!