2015
Manokàna fotoana ho an’ny Mpamonjy
Desambra 2015


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Desambra 2015

Manokàna fotoana ho an’ny Mpamonjy

Tonga indray izao ny vanim-potoan’ny Krismasy ary ho avy tsy ho ela koa ny taom-baovao. Toa tahaka ny vao omaly isika no nankalaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy nametraka tanjona.

Tao anatin’ireo tanjontsika tamin’ity taona ity, moa ve isika nametraka tanjona ny hanokana fotoana eo amin’ny fiainantsika sy hampitombo bebe kokoa ny fahatsapantsika ho an’ny Mpamonjy? Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fahombiazantsika tamin’ny tanjona iray hatreto dia azoko antoka fa samy maniry ny hanao tsaratsara kokoa isika rehetra. Ny fotoan’ny Krismasy no fotoana tsara indrindra handinihina sy hanavaozana ny ezaka nataontsika.

Eo amin’ny fiainantsika feno rotoroto izay ahitana zavatra maro hafa misarika ny saintsika dia zava-dehibe ny miezaka manao fanahy iniana sy manolo-tena hitondra an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika sy ao an-tokantranontsika. Toy ireo Magy avy any Atsinanana dia tena manan-danja ny ifantohantsika lalandava amin’ny kintany ka “tonga mba hiankohoka eo anatrehany.”1

Hatrizay dia mitovy foana ny hafatra avy amin’i Jesoa. Hoy Izy tamin’i Petera sy i Andrea teo amin’ny moron-tsirak’i Galilia: “Andeha hanaraka Ahy.”2 Tonga tamin’i Filipo ny antso hoe: “Andeha hanaraka Ahy.”3 Ho an’ilay Levita izay teo am-pamorian-ketra dia tonga ny didy hoe: “Andeha hanaraka Ahy.”4 Ary ho anao sy ho ahy, raha mihaino fotsiny isika, dia ho avy ilay fanasana hoe: “Andeha hanaraka Ahy.”5

Rehefa manaraka ny diany sy manaraka ny ohatra nasehony isika anio dia hanana fahafahana ny hitahy ny fiainan’ny hafa. Manasa antsika i Jesoa mba hahafoy ny tenantsika: “Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo.”6

Moa ve misy olona iray izay tokony hanaovanao asa fanompoana amin’ity Krismasy ity? Moa ve misy olona iray izay miandry ny fitsidihanao?

Taona maro lasa izay dia nitsidika ny tranon’ny mpitondratena beantitra iray aho nandritra ny Krismasy. Rehefa tany aho dia naneno ny lakolosim-baravarana. Indro nitsangana teo am-baravarana dokotera iray izay tena sahiran-dava kanefa fanta-daza. Tsy nampanantsoina izy fa nahatsapa fotsiny ilay bitsika hitsidika ny marary iray izay manirery.

Mandritra ity vanim-potoana ity dia maniry mafy ny hotsidihana mandritra ny Krismasy ireo izay tsy afaka mivoaka ny tranony. Indray Krismasy izay, raha nitsidika ny toerana fikarakarana beantitra iray aho dia nipetraka sy niresaka tamin’ny vehivavy beantitra dimy, ka ny antitra indrindra dia 101 taona. Jamba izy kanefa mbola nahafantatra ny feoko.

“Ry Eveka, tara kely ianao tamin’ity taona ity!” hoy izy. “Nieritreritra aho hoe tsy ho avy mihitsy ianao.”

Nahafinaritra ny fotoana niarahanay. Kanefa, nisy beantitra iray nitazana teo am-baravarankely izay nanam-paniriana mafy ka namerimberina hoe: “Fantatro fa ho avy ny zanako lahy androany.” Nanontany tena aho raha ho avy tokoa izy, satria nisy fotoan’ny Krismasy hafa izay tsy niantsoany mihitsy.

Mbola misy ny fotoana amin’ity taona ity hanolorana fanampiana sy fo be fitiavana ary fahavononana—raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy antsika sy manompo araka ny tiany hanompoantsika. Rehefa manompo Azy isika dia tsy hamoy ilay fahafahantsika, tahaka ny nataon’ilay tompon’ny trano fandraisam-bahiny fahiny,7 mba hanokana fotoana eo amin’ny fiainantsika sy hampitombo bebe kokoa ny fahatsapantsika ho Azy.

Azontsika an-tsaina ve ilay fampanantenana lehibe izay ao anatin’ilay hafatra nomen’ilay anjely an’ireo mpiandry ondry izay nitoetra tany an-tsaha hoe: “Hitondra teny soa mahafaly aminareo aho. … Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio … dia Kristy Tompo”?8

Rehefa mifanakalo fanomezana isika amin’ny Krismasy dia enga anie ka hotsaroantsika sy hankasitrahantsika ary horaisintsika ilay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra—dia ilay fanomezan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay.

“Fa inona no soa azon’ny olona raha atolotra azy ny fanomezana kanefa tsy mandray izy? Indro tsy mankasitraka izay omena azy izy sady tsy mankasitraka an’ilay mpanome fanomezana.”9

Manantena aho fa hanaraka Azy, hanompo Azy sy hanaja Azy ary handray ny fanomezany ho antsika eo amin’ny fiainantsika isika, mba hahatonga antsika, araka ny tenin’Ikaky Lehia hoe: “[ho voasakambiny] mandrakizay amin’ireo sandrim-pitiavany.“10

Fampianarana avy amin’ity hafatra ity

Miantso antsika ny Filoha Monson mba “hiezaka hanao fanahy iniana sy hanolo-tena hitondra an’i Kristy eo amin’ny fiainantsika sy ao an-tokantranontsika.” Hevero ny hifanakalozana hevitra amin’ireo izay ampianaranao momba ny fomba ahafahan’izy ireo manao io ezaka iniana atao io ho an’ny tena manokana na miaraka amin’ny fianakaviana. Azonao atao ny mangataka azy ireo mba hieritreritra momba ny olona na fianakaviana iray manokana izay azon’izy ireo hovangiana na hanaovana asa fanompoana amin’ity Krismasy ity. “Mbola misy ny fotoana amin’ity taona ity hanolorana fanampiana sy fo be fitiavana ary fahavononana.”