2015
Fomba hanompoana mandritra ny fotoan’ny Krismasy
Desambra 2015


Ho an’ny Zatovo

Fomba hanompoana mandritra ny fotoan’ny Krismasy

Manokana fotoana ny Filoha Monson mba hitsidihana ny beantitra sy ireo any amin’ny toerana fikarakarana beantitra, indrindra indrindra mandritra ny fotoan’ny Krismasy. Nanamarika izy fa misy ireo faly satria nisy mpitsidika izy ireo, fa ny hafa kosa manantena fotsiny fa hisy mpitsidika izay tsy ho tonga mihitsy. Misy olona izay miandry olona iray—angamba amin’ity Krismasy ity, mety ho ianao izany olona izany.

Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahanao manampy mba hakana antoka fa tsy misy olona mahatsapa tena ho irery amin’ity Krismasy ity. Aza misalasala mieritreritra fomba hafa izay ahafahanao manolo-tanana ao amin’ny fiarahamonina misy anao mandritra ity vanim-potoana ity. “Moa ve misy olona iray izay miandry ny fitsidihanao?”

  • Manaova karatra Krismasy halefa any amin’ireo misiônera sy any amin’ireo mpikambana tokan-tena sy beantitra ao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao.

  • Manolora tena ao amin’ny fikambanana ara-piarahamonina eo an-toerana.

  • Manomeza tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna atao fanomezana ho an’ny Krismasy ho an’ny namanao sy ireo mpifanolobodirindrina aminao.

  • Mamangia beantitra ao amin’ny paroasy misy anao na ao amin’ny fianakavianao.

  • Manamboara mofomamy homena ireo mpifanolobodirindrina aminao.