2013
Fianakaviana sy Namana Maharitra Mandrakizay
Desambra 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Desambra 2013

Fianakaviana sy Namana Maharitra Mandrakizay

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Na aiza na aiza ipetrahanao dia manana namana ianao izay mitady ilay fahasambarana lehibe kokoa izay hitanao tamin’ny alalan’ny fiainana ilay filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Mety tsy afaka ny hamaritra izany fahasambarana izany amin’ny alalan’ny teny izy ireo saingy afaka mamantatra izany kosa rehefa hitany eo amin’ny fiainanareo izany. Tsy andrin’izy ireo izay hahafantarana ny loharanon’izany fahasambarana izany, indrindra rehefa hitany ianareo fa miatrika fitsapana toa azy ireo koa.

Nahatsapa fahasambarana ianareo rehefa nitandrina ny didin’Andriamanitra. Izany no fitahiana nampanantenaina rehefa miaina ny filazantsara (jereo ny Môsià 2:41). Tsy hoe mankatò amim-pahatokiana ny didin’ny Tompo akory ianao mba ho hitan’ny olona hafa fa ireo izay mahita ny fahasambaranao dia omanin’ny Tompo mba hihaino ilay vaovao mahafaly momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara.

Ny fitahiana izay nomena anao dia miteraka andraikitra sy tombontsoa mahafinaritra ho anao. Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy nanao fanekempihavanana anao dia manana andraikitra ianao mba hanome fahafahana ho an’ny hafa mba hahita fahasambarana lehibe kokoa, indrindra ireo namanao sy olona ao amin’ny fianakavianao.

Hitan’ny Tompo ilay tombontsoa azonao ary nofaritany tao anatin’ity didy ity ilay andraikitrao: “Ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany” (F&F 88:81).

Hamorain’ny Tompo ny fankatoavana izany didy izany amin’ny alalan’ny fiovana izay miseho ao amin’ny fonao rehefa manaiky sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao. Mitombo vokatr’izany ny fitiavanao ny hafa ary koa ny fanirianao mba hananan’izy ireo ilay fahasambarana izay niainanao.

Ny ohatra iray maneho izany fiovana izany dia ny fampiasanao ilay fahafahana mitondra fanampiana ao amin’ny asa fitorian’ny Tompo. Tsy ela dia ho fantatry ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno fa afaka manantena valinteny mifono fahavononana amin’ny olona iray tena niova fo izy ireo rehefa mitady olona mba hampianarina. Maniry mafy ny mba handray anjara amin’ny fahasambaran’ny namany sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany ilay olona niova fo.

Rehefa mangataka aminao anaran’olona mba hampianarina ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasinao na ireo misiônera dia raisinao ho voninahitra lehibe izany. Fantatr’izy ireo fa nahita ny fahasambaranao ny namanao ary noho izany dia efa voaomana hihaino sy hisafidy hanaiky ny filazantsara ireo namana ireo. Ary manana fahatokiana izy ireo fa ianao no ho ilay namana ilain’izy ireo rehefa miditra ny fanjakana izy ireo.

Tsy mila matahotra ianao hoe hamoy namana rehefa asainao mba hihaona amin’izy ireo ny misiônera. Nanana namana izay nandà tsy hihaona amin’ny misiônera intsony aho saingy nisaotra ahy izy ireo tao anatin’ny taona maro noho ny fanolorako azy ireo zavatra izay fantany fa sarobidy ho ahy. Afaka mahazo namana maharitra mandrakiray ianao amin’ny alalan’ny fanoloranao azy ireo ilay filazantsara izay hitany fa nitondra fahasambarana ho anao. Araraoty foana ny fotoana ahafahana manasa namana iray indrindra fa olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hisafidy ny hanaraka ny drafitry ny fahasambarana.

Tsy misy fahafahana lehibe kokoa hanaovana izany fanasana izany noho ny any amin’ny tempolin’ny Fiangonana. Afaka manolotra ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo razambentsika izay tsy afaka nahazo izany teo amin’ny fiainana ny Tompo any amin’io toerana io. Mijery anareo avy any an-danitra ao anatin’ny fitiavana sy fanantenana izy ireo. Nampanantena ny Tompo fa hanana fahafahana hiditra ny Fanjakany izy ireo (jereo ny F&F 137:7–8), ary namboleny fitiavana azy ireo ao am-ponao.

Maro aminareo no nahatsapa fifaliana tamin’ny fanolorana ôrdônansy ho an’ny hafa tany amin’ny tempoly toy ny rehefa manome anaran’olona mba hihaona amin’ny misiônera. Nahatsapa fifaliana lehibe kokoa aza ianao rehefa nanatanteraka ôrdônansy ho an’ny razambenao. Nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa ny fahasambarantsika mandrakizay dia tsy ho tanteraka raha tsy manolotra fomba ahafahan’ireo razambentsika mahazo ireo fitahiana ireo isika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy isoloana tena ny hafa (jereo ny F&F 128:18).

Mampitodika ny fontsika any amin’ny Mpamonjy sy any amin’ilay fifaliana nentin’ny filazantsara ho antsika ny vanim-potoan’ny Krismasy. Tena maneho tsara ny fankasitrahantsika Azy isika rehefa manolotra izany fahasambarana izany amin’ny hafa. Lasa fifaliana ilay fankasitrahana rehefa manolotra anarana ho an’ireo misiônera isika ary rehefa mitondra ny anaran’ireo razambentsika any amin’ny tempoly. Izany porofon’ny fankasitrahantsika izany dia afaka mahatonga ny namana sy ny fianakaviana haharitra mandrakizay.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Nanazava ny Filoha Eyring fa afaka maneho ny fankasitrahantsika ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Afaka mifanakalo hevitra miaraka amin’ireo izay ampianarinao ianao momba ny fomba nitahian’ilay filazantsara natao fanomezana teo amin’ny fiainanao. Asao izy ireo mba hikaroka ombam-bavaka ireo izay irian’izy ireo hizarana ny filazantsara ho fanomezana sy ny fomba ahafahan’izy ireo manao izany.