2013
Afaka Mizara ny Bokin’i Môrmôna ve Aho?
Desambra 2013


Ho an’ny Tanora

Afaka Mizara ny Bokin’i Môrmôna ve Aho?

Mipetraka any Washington, Etazonia ny mpanoratra.

Tao anatin’ny taona voalohany nianarako tao amin’ny lycée dia nanasa ireo mpianatra tao amin’ny kilasiko ny mpampianatra seminera ahy mba hanome Bokin’i Môrmôna ireo namana tsy mpikambana. Na dia tena faran’izay saro-kenatra aza aho dia nanaiky ilay fanasana.

Nila roa andro aho mba hanangonana ny herimpo hiatrehana izany ary farany dia nanome boky iray ny namako Britny aho nandritra ny ora fisakafoanana atoandro sady nijoro ho vavolombelona fohy. Nisaoran’i Britny aho tamin’ilay boky.

Rehefa nifarana io taom-pianarana io dia nifindra monina i Britny saingy nanohy ny fifandraisanay izahay. Nolazainy tamiko ny momba ny sekoliny vaovao ary tena saika mpikamban’ny Fiangonana daholo ny namany saingy tsy mba niresaka zavatra ara-panahy velively tamiko izy.

Niova izany talohan’ny nandehanako nanao asa fitoriana. Nahazo hafatra avy tany amin’i Britny aho izay nilaza fa manam-baovao lehibe ho ahy izy: hatao batisa izy ary te hisaotra ahy noho ny naha-namako azy sy nanehoako ohatra tsara taminy.

Nalain’Andriamanitra ny zatovolahy saro-kenatra iray 15 taona izay tsy manan-traikefa momba ny asa fitoriana ary notarihany hizara ny filazantsara amin’ny olona iray izay fantany fa hanaiky izany. Fantatro fa amin’ny alalan’ny fihainoana ny Fanahy dia afaka mahita olona manodidina antsika isika rehetra, izay miandry ny hianatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Fantatro fa rehefa mitondra na dia olona iray eo amin’ny Tompo aza isika, dia “akory ny halehiben’ny fifalian[tsika] miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Rain[tsika]! (F&F 18:15).