2013
Mankahery sy Manentana ny Fanahy ary Mijoro ho Vavolombelona ny Fanahy Masina
Aprily 2013


Ny Zavatra Inoantsika

Mankahery sy Manentana ny Fanahy ary Mijoro ho Vavolombelona ny Fanahy Masina

Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra azontsika raisina eto amin’ity fiainana ity satria mankahery, mitaona fanahy, mampitandrina sy manadio ary mitarika antsika ny Fanahy Masina. Afaka mameno antsika “amin’ny fanantenana sy fitiavana tanteraka” Izy (Môrônia 8:26). Mampianatra ny “fahamarinan’ny zava-drehetra” Izy (Môrônia 10:5). Mandray fanambarana sy fanomezana ara-panahy avy amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Fa ny zava-dehibe indrindra dia azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Afaka nahatsapa ny Fanahy Masina ianao indraindray talohan’ny nanaovana batisa anao. Saingy amin’ny alalan’ny fandraisanao ny fanomezan’ny Fanahy Masina ihany aorian’ny batisanao no ahafahanao manana ny Fanahy Masina ho namana lalandava, ary omena anao izany rehefa mendrika ianao. Io fanomezana io dia nomena tamin’ny alalan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (jereo ny Asan’ny Apôstôly 19:6; F&F 33:15). Isaky ny Alahady aorian’izay, dia afaka manavao ny fanekempihavanan’ny batisanao ianao rehefa mandray ny Fanasan’ny Tompo ary mahazo noho izany ny tsodranon’ny Tompo mba “[hanana] mandrakariva ny Fanahiny” miaraka aminao (F&F 20:77).

Ny Fanahy Masina izay antsoina matetika hoe ny Fanahy dia mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy. Fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina” (F&F 130:22).

“Satria tsy mitoetra ao amin’ny tempoly izay tsy masina ny Fanahin’ny Tompo” (Helamàna 4:24), dia tsy maintsy mendrika ny fananana azy ho namana isika. Mendrika ny fananana azy ho namana isika amin’ny alalan’ny fananana eritreritra madio, fiainana amim-pahamasinana ary fikatsahana ny hitandrina ny didy.

Rehefa avy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika dia afaka manao zavatra maro mba hanasana ny fitarihany ho ao amin’ny fiainantsika:

  • Mivavaha.

  • Halalino ny soratra masina.

  • Raiso amim-pahamendrehana ny Fanasan’ny Tompo.

  • Mivavaha any amin’ny tempoly.

  • Mijere na mamakia na mihainoa fampitam-baovao mahasoa, mampiasà fiteny madio ary manàna eritreritra madio.

Sary NALAIN’I Christina Smith, Eve Tuft, Cody Bell, ary Matthew Reier