2013
Fitetezam-paritra nataon’ireo Mpitarika ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany tany amin’ny Faritr’i Asie
Aprily 2013


Fitetezam-paritra nataon’ireo Mpitarika ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany tany amin’ny Faritr’i Asie

Nandritra ny sivy andro tao anatin’ny volana Nôvambra 2012 dia nampianatra sy nankahery ireo rahavavy tanora sy lehibe nanerana ny faritr’i Asie rehetra i Mary N. Cook, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany ary i Linda S. Reeves, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Izany dia izany dia nifanojo tamin’ilay fanambarana mikasika ny boky fampianarana nohavaozina ho an’ny Zatovo, Viens et Suis-moi, izay hampiasain’ny kilasin’ny Zatovolahy sy Zatovovavy ary ny kilasin’ny Sekoly Alahadin’ny zatovo manomboka ny Janoary 2013. Ity boky fampianarana vaovao ity dia natao mba hanampiana ny mpampianatra hampianatra araka ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy ary hampisy fifandraisana mafy orina kokoa amin’ireo mpianatra.

Taorian’ny famangian-drahavavy Cook sy Rahavavy Reeves ny faritr’i Asie dia maro ireo zatovo sy ray aman-dreny avy any Asie no nieritreritra fa vonona kokoa ny hanadio sy hanitsy ny fiainany izy ireo ary ho lasa ohatra eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo.

Nampanantena ny zatovo ny Rahavavy Reeves tany Hong Kong hoe: “Raha toa ianareo ka mitoetra ho madio eo amin’ny fiainanareo dia afaka mijoro amim-pahatokiana eo anatrehan’ny olona na iza izany na iza!”

Nanentana ny fanahin’i Tang Kak Kei 12 taona ny teniny ka izao no nolazainy taorian’ny fivoriana: “Fantatro fa mila mamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro aho. Ny mianatra mibebaka sy miaina amim-pahamarinana no nampianaran’ny Jeunes Soyez Forts ahy fa tokony hataoko mba hamenoan’ny Fahazavan’i Kristy sy ny fifaliana marina ny tenako.”

Nihaona tamin’ireo mpikambana tao amin’ny trano fiangonana vaovao tao amin’ny Distrikan’i Chennai Inde ny Rahavavy Cook tany Inde ary nihaona tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Tsatòka vaovaon’i Hyderabad Inde ary nangataka ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony mba hiomana amin’ny hoavy. “Aoka ianareo mba hianatra,” hoy izy namporisika, “hanana fahaiza-manao izay hanampy anareo hanorina ny fanjakana. Mifantoha amin’ny fianakavianareo sy ny zavatra azonareo atao mba hitahiana ireo olona ao amin’ny fianakavianareo ary mifantoha amin’ny fiomananareo ara-panahy mba hahamendrika anareo hahazo ireo bitsika ara-panahy ireo ary mba hahafahanareo mahafantatra ny lalana tokony haleha sy ny zavatra tokony hatao.”

Ny Rahavavy Reeves dia nandray anjara tao anatin’ny fihaonambe voalohan’ny Tsatòka vaovaon’i Surakarta Indonésie. “Tsapanay ilay toe-panahin’izy ireo feno fanetren-tena sy fitiavana. Tena mpikambana mahatoky izy ireo!” hoy izy.

Dia nitsidika an’i Malaisie avy eo Ny Rahavavy Reeves ka niaraka niresaka tamin’ny andian-drahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mikasika ireo olana tena maika tokony hatrehana ao anatin’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny maha-fikambanana azy ao Malaisie ary ny fomba ahafahan’ny Fiangonana manome fitarihana sy fanohanana ara-panahy.

Naneho fanamarihana mikasika ny hery sy ny fanoloran-tena ananan’ireo mpikambana eo an-toerana ny Rahavavy Reeves tany Taiwan. “Tena faly izahay mahafantatra mikasika ny fiainan’izy ireo izay feno fahatokiana ary ny fandehanan’izy ireo tsy tapaka any amin’ny tempoly. … Ohatra mahatehotia eo anatrehan’ny namany sy ny mpifanolobodirindrina aminy ireo mpikambana,” hoy izy.

Nihaona tamin’ireo manampahefana tao amin’ny vondrom-paritra sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary ny mpikambana tany Taiwan i Mary N. Cook sy Linda S. Reeves.

Sary nalain’i Yang Chieh-wen