2013
Aiza no ahafahako mahazo gazetiboky mitovy amin’ity?
Aprily 2013


Aiza no ahafahako mahazo gazetiboky mitovy amin’ity?

Sharon Rather, Nevada, Etazonia

Raha sendra nanao dia niaraka tamin’ny fianakaviako aho niainga avy any Nevada, Etazonia, ho any Alaska, Etazonia, dia nanomboka niresaka tamin’ny ramatoa iray izay lava sy nanintona ary sariaka izay nifanila tamiko teo ampitan’ny lalantsara tao anaty fiaramanidina.

Nanontaniany aho hoe handeha ho aiza, ary dia nolazaiko taminy fa ho any Juneau, Alaska izahay, hamangy ny zanakay lahy sy ny fianakaviany. Nolazainy tamiko fa avy any Las Vegas izy. Avy teo dia lasa feno ny fony ary nilaza izy fa ho any Juneau izy hamangy ireo fianakaviam-badiny ary hamonjy fanompoam-pivavahana hahatsiarovana ny vadiny, izay vadiny nandritra ny 20 taona. Vao haingana izy no nodimandry noho ny aretina homamiadana.

Nijery tetsy ankilan’ny lalantsara aho ary nieritreritra anakam-po hoe tena sambatra aho fa mahafantatra ny drafitry ny famonjena ary mpiasa ao amin’ny Tempolin’i Las Vegas, Nevada. Nanontany tena aho hoe inona no azoko atao ho an’ity vehivavy ity mba hankaherezana azy ara-panahy.

Tsaroako tampoka teo, ary nazava tsara mihitsy, ny teny iray nataon’i Joseph Smith Mpaminany izay nampiasaiko tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Tamin’izy nanorina ny Fikambanana Ifanampiana dia nanamarika izy fa ireo rahavavy dia “Handeha faingana mba hitondra fanamaivanana ho an’ireo mpivahiny; handrotsaka menaka sy divay izy ireo eo amin’ny fo maratran’ireo ory; hamafa ny ranomason’ny kamboty izy ireo ary hampifaly ny fon’ny mananotena” (Enseignements des Président de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 452).

Nijery tetsy ampitan’ny lalantsara indray mandeha indray aho. Mpivahiny ao anaty fahoriana no tazako, mananotena izay maratra ny fony. Tsaroako fa namaky ny Ensign volana Jolay 2011 aho ny maraina tamin’izay andro izay. Nisy lahatsoratra mankahery tao izay heveriko fa afaka manome fankaherezana sy fiadanana ho azy.

Nangoniko ny herim-poko ka nosokafako ho ao amin’ny lahatsoratra iray ilay gazetiboky, ary nasaiko novakiany izany. Nodinihako akaiky tsara izy ary nanaitra ahy fa novakiany tsara—tamin-kitsim-po ny andalana tsirairay. Rehefa nahavita izany izy dia namaky lahatsoratra iray hafa.

Nazava be fa nisy zavatra voavakiny izay nanohina ny fony. Nofihininy mafy teo an-tratrany ilay gazetiboky ary avy teo izy dia namafa ranomaso nirotsaka avy tamin’ny masony.

“Aiza no ahafahako mahazo gazetiboly mitovy amin’ity?” hoy izy nanontany ahy. Nolazaiko azy hoe azony tazomina iny. Ary dia namaky bebe kokoa izy avy teo.

Nony tonga tany Juneau izahay dia nofihininy ny tanako, ary nibanjina ny masoko izy ka niteny hoe: “Misaotra.”

Lesona lehibe no nianarako avy tamin’izany zavatra niainako izany. Voahodidin’ny mpivahiny manana fo maratra isika, mpivahiny izay mila teny mamy mankahery ary mila mahafantatra izay zavatra fantatsika amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika.