2012
Mampiseho ny Maha-mpanara-dia Antsika amin’ny alalan’ny Fitiavana sy ny Asa Fanompoana
Jolay 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jolay 2012

Mampiseho ny Maha-mpanara-dia Antsika amin’ny alalan’ny Fitiavana sy ny Asa Fanompoana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ireo rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Nandritra ny fiainany teto an-tany, dia nampiseho ny fitiavany tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fanompoana azy ireo i Jesoa Kristy. Niteny Izy hoe: “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35). Naneho ohatra Izy ary tiany isika mba “hanampy ireo izay mila ny fanampia[ntsika]” (Mosià 4:16). Miantso ny mpianany Izy hiasa hiaraka Aminy ao anatin’ny asa fanompoany, ka manome azy ireo ny fahafahana hanompo ny hafa ary ho tonga tahaka Azy.1

Ny asa fanompoantsika amin’ny maha-mpamangy isan-tokantrano antsika dia hitovy akaiky amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy antsika rehefa mampiseho fitiavana amin’ireo izay tsidihantsika isika amin’ny fanatanterahana ireto manaraka ireto:2

  • Mahatadidy ny anaran’izy ireo sy ny anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviany ary mifandray tsara amin’ izy ireo.

  • Mitia azy ireo ary fa tsy mitsara azy ireo.

  • Mikarakara azy ireo sy manamafy orina ny finoan’izy ireo “tsirairay,” tahaka ny nataon’ny Mpamonjy (3 Nefia 11:15).

  • Manorina finamanana amin-kitsimpo amin’izy ireo ary mitsidika azy any an-tokantranony sy mihaona aminy any amin’ny toeran-kafa.

  • Mikarakara tsara ny rahavavy tsirairay. Mahatsiaro ny tsingerintaona nahaterahana, ny fotoana nahazoana mary-pahaizana, ny fanambadiana, ny batisa, ary ireo fotoana hafa izay manan-danja aminy.

  • Manampy ireo mpikambana vaovao sy malaina.

  • Manampy ireo manirery na ireo mila fankaherezana.

Avy amin’ny Soratra Masina

3 Nefia 11; Môrônia 6:4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:47

Avy amin’ny Tantarantsika

“Ny Testamenta Vaovao dia ahitana ny tantaran’ireo vehivavy voalaza anarana sy tsy voalaza anarana, izay nampihatra ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. … Ireo vehivavy ireo dia lasa mpanara-dia fakan-tahaka. … Niara-dia tamin’i Jesoa sy ireo Apôstôliny Roambinifolo [izy ireo]. Nanome izay nananany izy ireo mba hanohanana ny asa fanompoany. Taorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty, dia nijanona ho mpanara-dia mahatoky foana [izy ireo].”3

Nanoratra momba ny vehivavy iray nantsoina hoe Foiby i Paoly, “izay [mpanompon]’ny fiangonana” (Romana 16:1) dikanteny ara-bakitenin’ ny ao amin’ny Baiboly King James. Nangataka ny vahoaka izy mba “[hanampy] azy amin’izay raharaha ilany [azy ireo]; fa izy dia mpiahy ny maro” (Romana 16:2). “Ny karazana asa fanompoana izay nataon’i Foiby sy ireo vehivavy hafa nanana ny maha izy azy tao amin’ny Testamenta Vaovao dia mitohy ankehitriny amin’ireo mpikamban’ny Fikambanana Ifanampiana—mpitarika, sy mpamangy isan-tokantrano, sy reny ary ireo hafa—izay miasa toy ny mpamonjy na mpanampy ny maro.”4

Fanamarihana

  1. Jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 105.

  2. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 3.2.3.

  3. Filles dans Mon Royaume, 3.

  4. Filles dans Mon Royaume, 6.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no hampitomboako ny fahafahako mikarakara ny hafa?

  2. Inona no ataoko hahazoana antoka fa ireo rahavavy izay iandraiketako dia mahafantatra fa tiako izy ireo?