2012
Ny Tsirairay dia Afaka Manao Zavatra Ankehitriny
Jolay 2012


Ho an’ny Ankizy

Ny Tsirairay dia Afaka Manao Zavatra Ankehitriny

  1. Ny Filoha Uchtdorf dia nampianatra fa na firy taona ianao na firy taona, dia afaka manao zavatra hanampiana ny hafa. Tanisao ao amin’ny diarinao na eo amin’ny taratasy iray ireo fanomezam-pahasoavana na fahaiza-manao anananao. Anontanio ny ray aman-dreninao izay eritreretin’izy ireo fa fanomezam-pahasoavana anananao.

  2. Inona no fomba azonao ampiasana ireo fanomezam-pahasoavana anananao mba hanampiana ny hafa?

  3. Any amin’ny faran’ny lisitr’ ireo fanomezam-pahasoavana anananao, dia manorata fomba iray ahafahanao mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo hanampiana ny hafa amin’ity herinandro ity.