2010–2019
Voa
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Voa

Afantohy amin’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy, sy ny fifaliana mandrakizay izay tsy tonga raha tsy amin’ny alalany ihany ny masontsika sy ny fontsika.

Fantatro ny zavatra eritreretinareo! Mpandahateny iray sisa dia hihaino ny Filoha Nelson isika. Mba hihazonana ny fifantohanareo eo am-piandrasana an’ilay mpaminany malalantsika dia nisafidy lohahevitra tena mahaliana iray aho. Ny lohahevitro dia momba ny voankazo.

Sary
Voa

Noho ny loko sy ny endrika ary ny hamamin’ireo voakanzo amim-boa madinika, ireo akondro, ireo voanketsihetsy ary ireo manga na ireo voankazo vahiny toy ny melon à cornes na ny goavitsinahy, ny voankazo dia sakafo matsiro mahatsiriritra.

Nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany, ny Mpamonjy dia nampitaha ireo zavatra manan-danja mandrakizay tamin’ny voa tsara. Hoy Izy hoe: “Ny voany no hahafantaranareo azy.”1 “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara.”2 Namporisika antsika Izy mba hanangona “vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.”3

Tao anatin’ilay nofy mampientanentana izay fantatsika rehetra tsara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nahita ny tenany tany amin’ny “tany foana maizina sy mahonena” ny mpaminany Lehia. Nisy rano maloto, zavon’ny haizina, lalana hafahafa, sy lalana voarara, ary koa anja-by4 teo amin’ilay lalana ety sy tery izay nitondra teny amin’ilay hazo tsara tarehy misy “voa [izay] mahasambatra ny olona.” Rehefa nitantara ilay nofy i Lehia dia nilaza hoe: “Nihinana tamin’ny voany [aho]; … tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra efa nandramako hatramin’izay. … [Ary] nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko.” Izany voankazo izany dia “mampilendalenda [bebe kokoa] [noho] ny voankazo hafa rehetra.”5

Sary
Ny hazon’aina sy ny voany matsiro

Ny dikan’ny hazon’aina sy ny voany

Maneho inona ity hazo ahitana voankazo faran’izay sarobidy ity? Maneho ny “fitiavan’ Andriamanitra izany”6 ary manambara ilay drafitra mahagagan’ny fanovatana an’ny Ray any An-danitra. “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”7

Io voankazo sarobidy io dia maneho ireo fitahiana mahatalanjona avy amin’ny Sorompanavotana tsy manam-paharoan’ny Mpamonjy. Tsy hoe mbola hiaina fotsiny indray isika aorian’ny fiainantsika eto an-tany fa amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahantsika ary ny fitandremantsika ny didy, dia afaka ny ho voavela ny fahotantsika ary indray andro dia hijoro ho madio eo anoloan’ny Raintsika sy ny Zanany isika.

Ny fihinanana amin’ny voan’ilay hazo koa dia maneho fa nanaiky ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika: natao batisa, nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ary niditra ny tranon’ny Tompo mba hotafina hery avy any ambony. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanana nataontsika, dia mahazo fampanantenana goavana isika fa hiaraka hiaina mandrakizay amin’ireo fianakaviantsika marin-toetra.8

Tsy mahagaga raha toa ilay anjely ka namaritra ilay voankazo ho “mampiravoravo indrindra ny fanahy.”9 Tena marina izany!

Ny fanamby mba hijanona no marina

Araka ny efa fantatsika rehetra, dia tsy mbola mora ny mifikitra sy mitoetra ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy na dia efa nihinana tamin’ilay voankazo sarobidin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny aza. Araka ny voalaza imbetsaka tato anatin’ity fihaonambe ity dia mbola miaina fahavarimbarianan’ny saina, famitahana, fisafotofotoana, korontana, fisaritsarihana ary fakam-panahy isika izay manandrana mamily ny fontsika tsy hitodika any amin’ny Mpamonjy sy ireo fifaliana ary ireo zavatra tsara efa niainantsika eo amin’ny fanarahana Azy.

Noho io fahoriana mianjady io dia misy fampitandremana koa ao amin’ny nofin’i Lehia! Teny ampitan’ilay renirano dia nisy trano malalaka iray nahitana olona tao anatin’ny sokajin-taona rehetra nanondro tamin’ny rantsan-tananan’izy ireo, naneso sy nanaraby ireo mpanaradia marin-toetran’i Jesoa Kristy.

Ireo olona tao amin’ilay tranobe dia naneso ary nihomehy an’ireo izay nitandrina ireo didy ary nanantena ny hanaratsy sy hanevateva ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ary noho ireo teny feno fampiahiahiana sy fanivaivana nafafy teny amin’ireo mpino, dia lasa menatra tamin’ilay filazantsara izay noraisin’izy ireo ny sasany tamin’ireo izay efa nihinana tamin’ilay voa taloha. Voasarik’ireo fihetsika mamitak’izao tontolo izao izy ireo ka nanalavitra ilay hazo sy ilay voa ary araka ny tenin’ny soratra masina dia, “nianjera tamin’ny lalana voarara ka very.”10

Eto amin’ity tontolontsika amin’izao fotoana izao ity, ny ekipa mpanorin-tranon’ny fahavalo dia miasa mihoatra ny ora hiasana mba hanitarana haingana ilay trano mijoalajoala sy malalaka. Niitatra teny ampitan’ny renirano ilay fanitarana miaraka amin’ny fanantenana mba hanafika ny tokantranontsika, ary ireo mpanondronondro sy ireo mpanarabiraby dia mivazavaza andro aman’alina amin’ny alalan’ireo fanitaram-peon’izy ireo ao amin’ny internet.10

Nanazava ny Filoha Nelson hoe: “Ampitomboin’ny fahavalo inefatra ny ezaka ataony mba hanembantsembanana ireo fijoroana ho vavolombelona sy hisakantsakanana ny asan’ny Tompo.”12 Tokony hotsaroantsika ilay tenin’i Lehia hoe: “Tsy noraharahainay izy ireo.”13

Na dia tsy mila matahotra aza isika dia tsy maintsy mitandrina. Indraindray dia mety hanova ny filaminantsika ara-panahy ireo zavatra kely. Aza avela hampanalavitra anao amin’ireo fitahiana tena tsara sy madio ary mahafaly fo izay azo avy amin’ny voa sarobidin’ilay hazo ireo fanontaniana anananao, ny famingavingan’ny hafa, ireo namana tsy manam-pinoana, na ireo fahadisoana mampalahelo sy fahadisoam-panantenana. Afantohy amin’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy, sy ny fifaliana mandrakizay izay tsy tonga raha tsy amin’ny alalany ihany ny masontsika sy ny fontsika.

Ny finoan’i Jason Hall

Tamin’ny volana jona dia nanatrika ny fandevenana an’i Jason Hall i Kathy vadiko. 48 taona izy tamin’ny fotoana nahafatesany ary filohan’ny kôlejin’ny loholona.

Toy izao no zavatra nolazain’i Jason mikasika ny zava-nitranga iray izay nanova ny fiainany:

“[Fony aho 15 taona] dia niharan-doza rehefa nitsoraka nanao an-kilentika tany anaty rano. … Tapaka ny tendako ary nalemy ny faritra nanomboka teo amin’ny tratra no ho midina. Tsy afaka nibaiko ny tongotro intsony aho ary tsy afaka nibaiko ny ampahany tamin’ny tanako. Tsy afaka nandeha na nitsangana, … na namahana ny tenako aho. Zara raha afaka niaina na niteny aho.”14

“-Ry Ray malala [any An-danitra],- hoy aho nitalaho, -raha mba afaka mampiasa fotsiny ny tanako aho dia ho tafavoaka. Miangavy Anao re ry Ray! …

“… -Azonao hazonina ny tongotro ry Ray fa [mivavaka] fotsiny aho mba ho afaka hampiasa ny tanako.-”15

Tsy afaka niverina nampiasa ny tanany intsony i Jason. Renao ve ny feon’ireo olona avy ao amin’ilay trano malalaka? “Ry Jason Hall a! Tsy mihaino ireo vavaka ataonao Andriamanitra! Raha be fitiavana tokoa Andriamanitra, dia nahoana Izy no mamela anao ho toy izao? Inona no antony inoana an’i Kristy?” Henon’i Jason Hall ny tenin’izy ireo saingy tsy noraharahainy izany. Fa naleony kosa nivoky tamin’ny voan’ilay hazo. Lasa tsy voahozongozona ny finoany an’i Jesoa Kristy. Nahazo mari-pahaizana tany amin’ny oniversite izy ary nanambady an’i Kolette Coleman tany amin’ny tempoly, izay nofaritany hoe ilay olona tiany indrindra eo amin’ny fiainana.16 16 taona taorian’ny nivadian’izy ireo dia nisy fahagagana iray hafa nitranga. Teraka i Coleman, ilay zanakalahin’izy ireo sarobidy.

Sary
I Jason sy Kolette Hall
Sary
Ny fianakaviana Hall

Ahoana no fomba nampitomboan’izy ireo ny finoan’izy ireo? Nanazava i Kolette hoe: “Natoky ny drafitr’ Andriamanitra izahay. Ary nanome anay fanantenana izany. Fantatray fa ho avy ny andro izay hahatafaverina amin’ny laoniny ny vatan’i Jason. … Nahafantatra izahay fa Andriamanitra dia nanome anay Mpamonjy, izay ny sorona fanavotana nataony no manome fahafahana anay hanana fanantenana foana rehefa mitady hilavo levona izahay.”17

Sary
Coleman Hall

Rehefa nandray fitenenana nandritra ny fandevenana an’i Jason i Coleman izay 10 taona, dia nilaza fa nampianarin’ny dadany izy hoe: “Manana drafitra ho antsika ny Ray any An-danitra, ho tena tsara ny fiainana eto an-tany ary afaka miaina ao anatina fianakaviana isika. … Saingy … tsy maintsy handalo zava-tsarotra isika ary hanao fahadisoana.”

Notohizan’i Coleman hoe: “Nandefa an’i Jesoa, Zanany, ho ety an-tany ny Ray any An-danitra. Ny anjara asany dia ny mba ho lavorary. Hanasitrana ny olona. Hitia azy ireo. Ary avy eo dia hizaka ireo fijaliantsika sy fahoriantsika ary ireo fahotantsika. Maty ho antsika izy avy eo.” Dia nampian’i Coleman hoe: “Noho i Jesoa nanao izany dia fantany ny zavatra tsapako amin’izao fotoana izao.

“Telo andro taorian’ny nahafatesan’i Jesoa, dia … velona indray Izy niaraka tamin’ny vatana tonga lafatra. Zava-dehibe ho ahy izany satria fantatro fa … ho tonga lafatra ny vatan’ny [dadako] ary ho tafaraka izahay amin’ny maha-fianakaviana anay.”

Sary
Ny fianakaviana Hall

Nofaranan’i Coleman tamin’ny hoe: “Isaky ny alina, nanomboka fony aho zazakely, dia niteny tamiko ny dadako hoe -Tia anao i Dada, tia anao ny Ray any An-danitra ary ankizilahy tsara toetra ianao.-”18

Ny fifaliana dia tonga noho i Jesoa Kristy

Nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson ny antony nahatsapan’ny fianakaviana Hall fifaliana sy fanantenana. Hoy izy hoe:

“Tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika, fa tena misy ifandraisany amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika kosa izany.

“Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga, na tsy mitranga, eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra. …

“Raha toa ka mijery izao tontolo izao isika … , dia tsy hahafantatra fifaliana na oviana na oviana. … [Ny fifaliana] no fanomezana izay tonga avy amin’ny fiezahana amin’ny nahim-po mba hiaina fiainana araka ny fahamarinana, araka ny nampianaran’i Jesoa Kristy.”19

Fampanantenana raha hiverina ianareo

Raha toa ka lavitra ny voan’ilay hazo ianao nandritra ny fotoana maharitra, dia fantaro azafady fa ny sandrin’ny Mpamonjy dia mihijintra foana mankeny aminao. Manasa amim-pitiavana Izy hoe: “[Mibebaha ary manatòna] ahy.”20 Mitobaka ny voankazony ary misy foana amin’ny fotoana rehetra. Tsy voavidim-bola izany ary tsy misy na iza na iza izay maniry izany amin-kitsim-po no holavina tsy hahazo izany.21

Raha toa ianareo maniry ny hiverina eo amin’ilay hazo ary hihinana ilay voa indray dia atombohy amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny Rainao any An-danitra izany. Minoa an’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny sorona fanavotany. Mampanantena anao aho fa raha mibanjina ny Mpamonjy amin’ny “eritreritra rehetra”22 ianao dia hahazo ny voan’ilay hazo izay mafilotra sy mampiravoravo ny fanahinao, ary “lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra.”23

Sary
Ny Loholona Andersen miaraka amin’ireo Olomasina Portogay nandritra ny fanokanana ny tempolin’i Lisbon

Telo herinandro lasa izay, dia nahita maso ny fifaliana avy amin’ny voan’ny Mpamonjy aho raha nanatrika ny fanokanana ny Tempolin’i Lisbonne Portugal izaho sy i Kathy. Nisokatra ho an’i Portugal tamin’ny 1975 ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa nisy ny fahalalahana ara-pivavahana. Olomasina mendri-kaja maro izay nanandrana voalohany ilay voa tamin’ny fotoana tsy nahitana mpiangona sy trano fiangonana ary tempoly akaiky raha tsy tany amin’ny 1600 kilaometatra, no miara-mifaly amintsika fa hita ao amin’ny tranon’ny Tompo ao Lisbonne, Portugal amin’izao fotoana izao ny voa sarobidin’ilay hazo. Tena manome voninahitra sy maneho fanajana an’ireo Olomasin’ny Andro Farany ireo aho izay nampifantoka ny fon’izy ireo tamin’ny Mpamonjy.

Hoy ny Mpamonjy hoe: “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.”24

Rehefa niresaka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao ny Filoha Nelson ny maraina teo dia niteny hoe: “Ry rahalahy sy anabaviko malala, ohatra velona amin’ny fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy ianareo.” Dia nampiany hoe: “Misaotra anareo aho! Tiako ianareo!”25

Tianay ianao ry Filoha Nelson.

Izaho dia vavolombelona mahita maso ny herin’ny fanambarana izay mitoetra eo amin’ny Filoha malalantsika. Mpaminanin’ Andriamanitra izy. Toa an’i Lehia fahiny, dia manasa antsika sy ny fianakavian’ Andriamanitra rehetra ny Filoha Russell M. Nelson mba ho tonga ary hihinana amin’ny voan’ny hazo. Enga anie isika hanana fanentrentena sy tanjaka hanarahana ny toroheviny.

Mijoro ho vavolombelona amim-panetren-tena aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra. Ny fitiavany, ny heriny ary ny fahasoavany dia mitondra ireo zavatra rehetra manan-danja maharitra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Matio 7:16.

  2. Matio 7:17.

  3. Jaona 4:36.

  4. Tany amin’ny fiandohan’ny taona 2007, raha nanomana lahateny atao mandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young izay hatao ny 4 martsa 2007 aho tamin’ny naha-Filohan’ny Fitopololahy ahy, dia nanontaniako ny Loholona David A. Bednar izay nomaniny ho an’ny lahateniny izay hataony ny 4 febroary 2007, ho an’ireo mpihaino irao ihany. Gaga aho raha namaly izy fa momba ny fifikirana mafy amin’ny anja-by ny lahateniny. Izany mihitsy no lohateny nosafidiako ho an’ny lahateniko. Rehefa nifampitaha ny lahatsoratray izahay dia hitanay fa samy hafa ny fomba nitondranay izany. Ny lahateniny, izay mitondra ny lohateny hoe “A Reservoir of Living Water,” dia nanantitrantitra ny anja-by, na ny tenin’Andriamanitra, izay manambara ny soratra masina. Nanontany izy tao anatin’ny lahateniny hoe: “Moa ve izaho sy ianao mamaky sy mandinika ary mandalina ny soratra masina amin’ny fomba izay ahafahantsika mamikitra mafy amin’ilay anja-by—sa mihazona tsotra fotsiny izany isika?” (speeches.byu.edu).

    Dia herinandro monja taorian’ny resakay sy ny Loholona Bednar, dia nanao lahateny nandritra ny fampaherezam-panahy tao BYU mitondra ny lohateny hoe “Lehi’s Dream and You” ny Filoha Boyd K. Packer. Noantitranterin’ny Filoha Packer ny anja-by izay fanambarana ho an’ny tena manokana sy fitaomana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Nilaza izy hoe: “Raha toa ka mifikitra amin’ilay anja-by ianareo dia afaka hahatsapa fa mandroso miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. … Fikiro ilay anja-by ary aza avotsotra izany. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia afaka mahatsapa mandroso eo amin’ny fiainana ianareo” (Jan. 16, 2007, speeches.byu.edu).

    Ny lohahevitro: “Hold Fast to the Words of the Prophets,” tamin’ny martsa 2007 dia ny anja-by izay manaho ireo tenin’ireo mpaminany velona (Mar. 4, 2007, speeches.byu.edu).

    Tsy kisendrasendra ny fifandraisan’ireo lahateny telo ireo. Niasa ny tanan’ny Tompo rehefa nomanina ho an’ny mpihaino mitovy ny lahateny telo izay naneho endrika telon’ny anja-by, na ny tenin’Andriamanitra: (1) ny soratra masina, na ireo tenin’ireo mpaminany fahiny; (2) ny tenin’ireo mpaminany velona; ary (3) ny herin’ny Fanahy Masina. Traikefa nitondra fianarana manan-danja ho ahy izany.

  5. Jereo ny 1 Nefia 8:4–12.

  6. 1 Nefia 11:25.

  7. Jaona 3:16.

  8. Jereo ny David A. Bednar, “Nofin’i Lehia: Mihazona mafy ny anja-by,” Liahona, ôkt. 2011, 32–37.

  9. 1 Nefia 11:23.

  10. 1 Nefia 8:28.

  11. Jereo ny Boyd K. Packer, “Lehi’s Dream and You” (Brigham Young University devotional, Jan. 16, 2007), speeches.byu.edu.

  12. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona,mey 2019, 68.

  13. 1 Nefia 8:33.

  14. Stephen Jason Hall, “The Gift of Home,” New Era, Dec. 1994, 12.

  15. Stephen Jason Hall, “Helping Hands,” New Era, Oct. 1995, 46, 47.

  16. Taratasy manokana ho an’ny Loholona Andersen avy tany amin’i Kolette Hall.

  17. Taratasy manokana ho an’ny Loholona Andersen avy tany amin’i Kolette Hall.

  18. Lahateny nataon’i Coleman Hall, nozarain’ny Loholona Andersen tamin’ny alalan’i Kolette Hall.

  19. Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82, 84.

  20. 3 Nefia 21:6.

  21. Jereo ny 2 Nefia 26:25, 33.

  22. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  23. 1 Nefia 15:36.

  24. Jaona 15:5.

  25. Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 100.