2010–2019
Mitondra ny hazo fijaliantsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Mitondra ny hazo fijaliantsika

Ny hoe mitondra ny hazo fijalianareo ianareo ary manaraka ny Mpamonjy dia midika hoe manohy amim-pinoana eo amin’ny lalan’ny Tompo ary tsy mirona any amin’ireo fahazaran’izao tontolo izao.

Ry rahalahy sy ranabavy, nandray fampianarana mahafinaritra avy tamin’ireo mpitarika antsika isika nandritra ireo roa andro lasa. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa raha miezaka mampihatra ireo fampianarana nentanim-panahy sy natao ho an’izao fotoana izao ireo isika eo amin’ny fiainantsika, dia hanampy antsika tsirairay hitondra ny hazo fijaliantsika sy hanamaivana ireo enta-mavesatsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fahasoavany.1

Raha teo akaikin’i Kaisaria-Filipo ny Mpamonjy dia nambarany tamin’ireo mpianany ny zavatra izay hiaretany eo an-tanan’ireo loholona, mpisorona, ary mpanora-dalàna tao Jerosalema. Nampianatra azy ireo manokana momba ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra Izy.2 Tamin’io fotoana io dia tsy nahatakatra tanteraka ny asa masina nanirahana Azy teto an-tany ireo mpianany. I Petera mihitsy aza, rehefa nandre izay nolazain’ny Mpamonjy, dia nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: “Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany.”3

Mba hanampiana ireo mpianany hahatakatra fa tafiditra ao anatin’ny fanolorantena amin’ny asany ny fanoavana sy ny fijaliana, dia nanambara tamim-pitserana ny Mpamonjy hoe:

“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.

“Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

“Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny fanahiny? Na inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?”4

Nanantitrantitra ny Mpamonjy tamin’ny alalan’io fanambarana io fa ireo rehetra izay vonona ny hanaraka Azy dia mila mandà ny tenany ka mifehy ireo faniriany, ireo filàny, ary ireo zavatra tiany, mahafoy ny zavatra rehetra, eny na dia ny fiainana mihitsy aza raha ilaina, manoa tanteraka ny sitrapon’ny Ray—tahaka ny nataony.5 Izany raha ny marina no saran’ny famonjena fanahy iray. Nampiasain’i Jesoa noho ny antony manokana sy tamin’ny alalan’ny sariohatra ny tandindon’ny hazo fijaliana mba hanampiana ireo mpianany hahatakatra kokoa izay tena hevitry ny fanatitra sy fanolorantena ho amin’ny tanjon’ny Tompo. Tena hain’ny mpianany sy ny mponina tao amin’ny Fanjakana Romana ny hevitry ny hazo fijaliana satria noteren’ireo Romana hitondra ampahibemaso ny hazo fijaliany na vatan-kazo hanombohana azy ireo mankeny amin’ny toerana hitrangan’ny famonoana ireo olona izay hombohana.6

Taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty vao nisokatra ny sain’ireo mpianatra ka nahatakatra izay rehetra voasoratra momba Azy7 sy izay ho notakiana tamin’izy ireo nanomboka tamin’io fotoana io.8

Mitovy amin’izany koa ry rahalahy sy ranabavy, isika rehetra dia mila manokatra ny saintsika sy ny fontsika mba hahatakarana feno kokoa ny hevitry ny hoe mitondra ny hazo fijaliantsika ary manaraka Azy. Ianarantsika amin’ny alalan’ny soratra masina fa ireo izay maniry ny hitondra ny hazo fijalian’izy ireo dia tena tia an’i Jesoa Kristy ka handà ny tenany amin’ireo zavatra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra sy ny fitsiriritana ny zavatr’izao tontolo izao rehetra ary hitandrina ny didiny.9

Ny fahavononantsika hanary izay rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra sy hahafoy izay rehetra angatahina amintsika ary hiezaka hanaraka ireo fampianarany dia hanampy antsika haharitra eo amin’ny lalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, eny na dia eo anatrehan’ny fahoriana, na ny fahalemen’ny fanahintsika, na ny faneren’ny fiarahamonina sy ireo fihevitra araka izao tontolo izao izay manohitra ireo fampianarany aza.

Ohatra: ho an’ireo izay tsy mbola nahita vady mandrakizay sy mety ho mahatsapa ho irery sy tsy manam-panantenana, na ireo izay nisara-bady sy mahatsapa ho nariana sy nohadinoina, manome toky anareo aho fa ny fanekena ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitondra ny hazo fijalianareo ka hanaraka Azy dia midika fanohizana amim-pinoana eo amin’ny lalan’ny Tompo, fihazonana ny lamin’ny fahamendrehana, ary tsy fironana amin’ireo fahazaran’izao tontolo izao izay hanaisotra ny fanantenantsika ny fitiavana sy ny famindram-pon’ Andriamanitra amin’ny farany.

Ireo fitsipika ireo dia mihatra ihany koa amin’ireo izay miaina ny fifanintonan’ny samy lahy na samy vavy ka mahatsapa ho kivy sy tsy misy afaka manampy. Ary noho izany angamba no mahatonga ny sasany aminareo mahatsapa fa tsy ho anareo intsony ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha izany no izy dia te hanome toky anareo aho fa misy mandrakariva ny fanantenana ao amin’ Andriamanitra Ray sy ao amin’ny drafitry ny fahasambarany, ao amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony, ary ao amin’ny fiainana ireo didy feno fitiavana nomen’ Izy Ireo. Enga anie ny Tompo hamehy antsika ho Azy ao anatin’ny fahendreny, sy ny heriny, sy ny fahamarinany, ary ny fahasoavany izay lavorary, ka hoentina eo anatrehany isika ary hahazo famonjena mandrakizay mandrakizay, raha toa ka miorina mafy sy tsy miova amin’ny fitandremana ny didiny10ary hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara.11

Ho an’ireo izay nahavita fahotana goavana, ny fanekena io fanasana io dia midika izao zavatra izao miaraka amin’ireo zavatra hafa: manetry ny tenanareo eo anoloan’ Andriamanitra, maka torohevitra amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tompon’andraikitra amin’izany, ary mibebaka sy miala amin’ireo fahotanareo. Io lamina io dia hitahy ihany koa ireo rehetra izay miady amin’ny fiankinan-doha mampalemy, anisan’izany ny opiacés, ireo zava-mahadomelina, ny alikaola ary ny pôrnôgrafia. Mitondra anareo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy, izay afaka manafaka anareo amin’ny fahatsapana ho meloka, ny alahelo, ary ny fanandevozana ara-panahy sy ara-batana ny fanaovana ireo dingana ireo. Ankoatra izany, dia azonareo atao ihany koa ny mikatsaka fanohanana avy amin’ny fianakavianareo, namanareo, ary mpitsabo sy manam-pahaizana amin’ny fanoroan-kevitra.

Aza milavo lefona mihitsy aorian’ny tsy fahombiazana maro misesy ary raiso ho afaka manary ireo fahotana sy mandresy ireo fiankinan-doha ny tenanareo. Tsy afaka mijanona tsy miezaka indray ianareo ka hanohy ao amin’ny fahalemena sy fahotana aorian’izany! Miezaha hatrany hanao ny tsara indrindra vitanareo, maneho amin’ny alalan’ny asanareo ny faniriana hanadio ny atin’ny vazy, araka ny nampianarin’ny Mpamonjy.12 Indraindray ireo vahaolana ho an’ny olana sasany dia tonga aorian’ny volana maro nanaovana ezaka tsy tapaka. Ilay fampanantenana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao,”13dia mihatra ao anatin’ireo tranga ireo. Mba tsarovy fa ny fanomezan’ny Mpamonjy fahasoavana “dia tsy voatery ho voafetra ao anatin’ny fotoana hoe -aorian’ny- zavatra rehetra azontsika atao. Mety hahazo ny fahasoavany isika mialoha, mandritra, ary aorian’ny fotoana rehefa manitatra ny ezaka ataontsika manokana.”14

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miezaka tsy tapaka ny handresy ireo olantsika isika, dia hanome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fananana finoana ho sitrana sy hahavita fahagagana Andriamanitra.16 Izy no hanao ho antsika ny zavatra tsy vitan’ny tenantsika.

Ankoatra izany, ho an’ireo izay mahatsapa ho masiaka, tezitra, tohina, na voagejan’ny alahelo noho ny zavatra izay tsapanareo fa tsy tokony ho zakainareo, ny fitondran’ny olona iray ny hazo fijaliany ka hanaraka ny Mpamonjy dia midika hoe miezaka misoroka ireny fahatsapana ireny ary mitodika amin’ny Tompo mba hahafahany manafaka antsika amin’izany toe-tsaina izany sy manampy antsika hahita fiadanana. Mampalahelo fa rehefa mifikitra amin’ireo fahatsapana sy fihetseham-po tsy mahasoa ireo isika dia mety tsy hanana ny fitaoman’ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Tsy afaka mibebaka ho an’ny olona hafa isika, saingy afaka mamela azy ireo kosa, amin’ny alalan’ny fandavana ny ho babon’ireo izay nandratra antsika.17

Mampianatra ny soratra masina fa misy fomba iray hivoahana amin’ireny toe-javatra ireny, dia amin’ny alalan’ny fanasana ny Mpamonjy antsika mba hanampy antsika hanolo ny fo vatontsika amina fo vaovao izany.17 Mba hitrangan’izany, dia mila manatona ny Tompo miaraka amin’ireo fahalementsika isika 18ary mitalaho ny fanampiany sy ny famelany,19 indrindra mandritra ireo fotoana masina rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isak’alahady. Enga anie isika hikatsaka ny fanampiany ary hanao ny dingana manan-danja sy sarotra hamela ireo izay nandratra antsika mba hahafahan’ny ferintsika hanomboka ho sitrana. Mampanantena anareo aho fa rehefa manao izany ianareo dia ho fenon’ilay filaminana izay tonga avy amin’ny fiadanan-tsaina noho ny fiarahana amin’ny Tompo ny alinareo.

Raha tao amin’ny fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith dia nanoratra epistily ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, epistily izay ahitana faminaniana tena azo ampiharina ao anatin’ireo toe-javatra ireo. Nanoratra izy hoe: “Ireo fiandrianana sy fizakana ary fanapahana sy hery rehetra dia hambara ary hatolotra ireo rehetra izay efa niaritra tamin-kerim-po noho ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”20 Ary na zovy na zovy, ry rahalahy sy ranabavy, no mitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo amin’ny tenany, matoky ireo fampanantenany sy maharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena21ary hiara-honina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”22

Samy miatrika toe-javatra sarotra isika eo amin’ny fiainantsika, izay mahatonga antsika hahatsapa ho malahelo, tsy misy manampy, tsy manam-panantenana, ary indraindray ho lasa malemy. Ny sasany amin’ireny fahatsapana ireny dia mety hitarika antsika hanontany ny Tompo hoe: “Nahoana aho no miaina ireto toe-javatra miseho ireto?” na “Nahoana no tsy tratra izay zava-kinendriko? Nefa efa manao izay rehetra araka ny heriko aho mba hitondra ny hazo fijaliako sy hanaraka ny Mpamonjy!”

Ry namana malalako, tsy maintsy tsaroantsika fa ny hoe mitondra ny hazo fijaliantsika dia ahitana ny fanetrentena sy ny fatokisana an’ Andriamanitra sy ny fahendreny tsy manam-petra. Tsy maintsy ekentsika fa Izy dia mahafantatra antsika tsirairay sy ny zavatra ilaintsika. Ilaina ihany koa ny manaiky ilay hoe tsy mitovy amin’ny fotoantsika ny fotoan’ny Tompo. Indraindray isika dia mikatsaka fitahiana ary mametraka fe-potoana hanatanterahan’ny Tompo izany. Tsy afaka manisy fepetra amin’ny fahatokiantsika Azy amin’ny alalan’ny fametrahana fe-potoana ho an’ny valin’ireo faniriantsika isika. Rehefa manao izany isika dia mitovy amin’ireo Nefita be fisalasalana fahiny, izay nanaraby ireo rahalahy sy ranabaviny tamin’ny filazana fa efa lasana ny fotoana fahatanterahan’ireo tenin’i Samoela ilay Lamanita, ka niteraka disadisa teo anivon’ireo izay nino.23 Mila ampy ny fatokisantsika ny Tompo ka ho tony isika ary hahafantatra fa Izy no Andriamanitra, fa mahalala ny zavatra rehetra Izy, ary fantany isika tsirairay.24

Sary
Ny Loholona Soares eo am-panompoana ny Rahavavy Calamassi

Vao haingana aho no nanana fahafahana hanompo ranabavy mpitondra-tena iray antsoina hoe Franca Calamassi, izay voan’ny aretina iray mampalemy. Rahavavy Calamassi no olona voalohany tao amin’ny fianakaviany niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Na dia tsy natao batisa mihitsy aza ny vadiny, dia nanaiky ny hihaona tamin’ireo misiônera izy ary nanatrika matetika ireo fivoriam-piangonana. Na teo aza izany toe-javatra niainana izany dia nijanona ho mahatoky Rahavavy Calamassi ary nanabe ireo zanany efatra tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Herintaoana taorian’ny nahafatesan’ny vadiny dia nentin-dRahavavy Calamassi tany amin’ny tempoly ireo zanany ary nandray anjara tamin’ireo ôrdônansy masina ary nofehezina ny fianakaviany. Nitondra fanantenana, fifaliana, ary fahasambarana izay nanampy azy handroso teo amin’ny fiainana ireo fampanantenana nifandraika tamin’ireo ôrdônansy ireo.

Sary
Ry Calamassi mianakavy any amin’ny tempoly

Rehefa nanomboka nipoitra ireo fambara voalohany an’ilay aretina dia nanome tsodrano ho azy ny evekany. Tamin’io fotoana io dia nilaza tamin’ny evekany izy fa vonona ny hanaiky ny sitrapon’ny Tompo, sady naneho ny finoany ho sitrana mbamin’ny finoana haharitra ny aretiny hatramin’ny farany.

Nandritra ny fitsidihako, raha nihazona ny tanan-dRahavavy Calamassi aho ka nijery ny masony, dia nahita hazavan’anjely avy teny amin’ny endriny aho—naneho ny fatokisany ny drafitr’ Andriamanitra sy ny hazavana tanteraky ny fanantenany ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny drafiny ho azy.25 Tsapako ny fahavononany matotra haharitra hatramin’ny farany ao amin’ny finoany amin’ny alalan’ny fitondrana ny hazo fijaliany, na dia teo aza ireo olana natrehany. Fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy, ary fanambarana ny finoany sy ny fanolorantenany Aminy ny fiainan’io ranabavy io.

Ry rahalahy sy ranabavy, te hijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny fitondrana ny hazo fijalianareo sy ny fanarahana ny Mpamonjy dia mitaky ny hanarahantsika ny ohatra nasehony sy ny fiezahantsika ho tonga tahaka Azy,26miatrika amim-paharetana ireo toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana, mandà sy mankahala ireo filàna araka ny nofo, ary miandry ny Tompo. Nanoratra ny Mpanao Salamo hoe:

“Miandrasa an’i Jehovah ianareo, matokia, ary aoka hahery ny fonao, eny, miandrasa an’i Jehovah.”27

“Famonjena sy ampingantsika Izy.”28

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny fanarahana ny dian’ilay Mpampianatra antsika sy ny fiandrasana Azy, dia Ilay mpanasitrana lehibe indrindra ny fiainantsika izany, dia hanome fitsaharana ho an’ny fanahintsika ary hanalefaka sy hanamaivana ireo enta-mavesatsika.29 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.