2010–2019
Matokia ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Matokia ny Tompo

Ny hany tena azontsika hianteherana dia ny fatokiana ny Tompo sy ny fitiavany ny zanany.

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, taratasy iray voaraiko efa ela izay no mampiditra ny zavatra horesahiko amin’ny lahateniko. Ny mpanoratra dia nikasa hanao fanambadiana any amin’ny tempoly miaraka amin’ny lehilahy iray izay maty ny vadiny mandrakizay. Ho vady faharoa izy. Nametraka ity fanontaniana ity izy: hanana ny tranony manokana ve izy any amin’ny fiainana hoavy, sa tsy maintsy hiara-hipetraka amin’ny vadiny sy ilay vadin’ilay lehilahy voalohany? Nasaiko natoky ny Tompo fotsiny izy.

Tohizako amin’ny zavatra niainana iray izay reko avy tamina mpiara-miasa iray sarobidy amiko, izay hozaraiko rehefa nahazo lalana avy aminy. Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny sady renin-janany malalany, dia nanambady indray ny raim-pianakaviana iray. Nanohitra mafy ilay fanambadiana fanindroany ny zanaka lehibe sasany ka nitady torohevitra avy amin’ny havana akaiky iray izay mpitarika mendri-kaja ao amin’ny Fiangonana. Rehefa avy nandre ny anton’ny fanoheran’izy ireo izay niompana tamin’ny toe-javatra hiainana sy ny fifandraisana any amin’ny tontolon’ny fanahy na ireo fanjakam-boninahitra aorian’ny Fitsarana Farany io mpitarika io dia niteny hoe: “Manahy ny amin’ny zavatra tsy tokony ahiana ianareo. Ny tokony hampanahy anareo dia hoe ianareo ve ho tonga any amin’ireo toerana ireo sa tsia. Izay no hifantohy. Raha tonga any ianareo dia hahafinaritra kokoa noho izay azonareo eritreretina izany rehetra izany.”

Fampianarana mampahery tokoa izany! Matokia ny Tompo!

Fantatro avy amin’ireo taratasy efa voaraiko fa ny olona sasany dia sahiran-tsaina amin’ny fanontaniana momba ny tontolon’ny fanahy izay hipetrahantsika aorian’ny hahafatesantsika sy alohan’ny hitsanganantsika amin’ny maty. Ny sasany dia mihevitra fa hitohy any amin’ny tontolon’ny fanahy ny maro amin’ireo toe-javatra iainana sy ny olana izay iainantsika eto amin’ity fiainana an-tany ity. Inona no fantatsika marina momba ny toe-javatra iainana ao amin’ny tontolon’ny fanahy? Mino aho fa marina ny voalazan’ny lahatsoratra nosoratan’ny mpampianatra fivavahana iray ao amin’ny BYU mikasika io lohahevitra io hoe: “Rehefa manontany tena momba ny zavatra fantatsika mikasika ny tontolon’ny fanahy avy amin’ireo soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana isika dia -tsy araka izay eritreretintsika matetika- ny valiny”1

Marina fa fantatsika avy amin’ny soratra masina fa manohy miaina amin’ny maha-fanahy antsika isika any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny hahafatesan’ny vatantsika. Mampianatra koa ny soratra masina fa io tontolon’ny fanahy io dia mizara roa eo amin’ireo izay “marina” nandritra ny fiainana sy ireo izay ratsy fanahy. Ny soratra masina koa dia mitantara ny fomba nampianaran’ireo fanahy mahatoky ny filazantsara tamin’ireo izay ratsy fanahy na mpikomy (jereo ny 1 Petera 3:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19–20, 29, 32, 37). Fa ny manan-danja indrindra dia manambara ny fanambarana maoderina fa mitohy any amin’ny tontolon’ny fanahy ny asa famonjena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–34, 58), ary na dia entanina aza isika mba tsy hanemotra ny fibebahantsika mandritra ny fiainana an-tany (jereo ny Almà 13:27), dia ampianarina isika fa mbola misy fibebahana azo atao any (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58).

Ny asa famonjena ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia ny fanafahana ireo fanahy amin’ny zavatra izay faritan’ny soratra masina matetika hoe “fatorana.” Eo ambany karazana fatorana ny olona rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy. Ny fanambarana lehibe azon’ny Filoha Joseph F. Smith, izay lasa soratra masina ôfisialy ao amin’ny fizarana 138 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia milaza fa ireo marina nodimandry izay tao anatin’ny toetry ny “fiadanana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:22) teo am-piandrasan’izy ireo ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:16), dia “nihevitra ny fisarahana maharitra eo amin’ny fanahiny sy ny vatany ho toy ny fatorana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:50).

Ampahoriana amin’ny fatorana iray fanampiny koa ny ratsy fanahy. Noho ireo fahotana tsy nibebahana, izy ireo dia ao anatin’ilay nantsoin’ny Apôstôly Petera hoe “tranomaizina” (1 Petera 3:19; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:42). Ireo fanahy ireo dia faritana hoe “voafatotra” na “babo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:31, 42) na hoe “hatsipy any amin’ny haizina ivelany” izay ahitana “fitomaniana, sy fidradradradrana ary fikitroha-nify” eo am-piandrasan’izy ireo ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana (Almà 40:13–14).

Ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia azo antoka amin’ny alalan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:22), na dia mitranga amin’ny fotoana samy hafa aza izany ho an’ny vondrona samy hafa. Mandra-pahatonga izany fotoana voatendry izany dia mahakasika ny asa famonjena voalohany indrindra ny zavatra resahan’ny soratra masina amintsika momba ny zavatra atao any amin’ny tontolon’ny fanahy. Kely ny zavatra hafa nambara ankoatra izany. Ny filazantsara dia toriana amin’ny olona tsy manam-pahalalana, tsy nibebaka, ary mpikomy mba hanafahana azy ireo amin’ny famatorana ary handroso mankany amin’ireo fitahiana nomanin’ny Ray any An-danitra be fitiavana ho azy ireo.

Ny fatorana any amin’ny tontolon’ny fanahy izay mihatra amin’ireo fanahy marina niova fo dia ny tsy maintsy hiandrasan’izy ireo ny fanatanterahana ny ôrdônansy hisoloana tena azy ireo ety an-tany, ary angamba mety omena lalana mihitsy izy ireo mba hanentana ny hafa hanao izany, mba hahafahana manao batisa azy ireo sy hahazoany ireo fitahian’ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–37, 57–58).2 Ireo ôrdônansy isoloana tena eto an-tany ireo koa dia manome fahefana azy ireo mba handroso eo ambany fahefan’ny fisoronana hanatevina ny vondron’ireo olo-marina izay afaka mitory ny filazantsara ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.

Ankoatra ireo hevitra fototra ireo, dia kely monja ny zavatra raketin’ny soratra masintsika mikasika ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana ary mialoha ny Fitsarana Farany.3 Dia inona koa ary ny zavatra hafa fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy? Maro ny mpikamban’ny Fiangonana izay efa nahita fahitana na nahazo fitaomam-panahy hafa mba hampahafantarana azy ireo momba ny fandehan’ny zavatra na ny fandaminan-javatra any amin’ny tontolon’ny fanahy, saingy tsy natao mba ho takatra na ampianarina ho toy ny fotopampianarana ôfisialin’ny Fiangonana ireny zavatra niainana ara-panahy an’ny tena manokana ireny. Ary marina tokoa fa maro be ireo vinavina ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sy ny olona hafa ao anatin’ireo loharanon-kevitra navoaka toy ireo boky mikasika ny zavatra iainana eo ambavahoan’ny fahafatesana.4

Mahakasika ireny rehetra ireny, dia tena manan-danja ny hitadidiana ny fampitandremana hendry nomen’ny Loholona isany D. Todd Christofferson sy Neil L. Andersen ao anatin’ireo hafatra avy amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana teo aloha. Nampianatra ny Loholona Christofferson hoe: “Tokony hotsaroana fa tsy izay zavatra rehetra nolazain’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na mpitarika taloha izany na ankehitriny akory dia voatery ho fotopampianarana. Iarahan’ny rehetra mahalala ato amin’ny Fiangonana fa ny zavatra nolazain’ny mpitarika iray tao anatin’ny fotoana iray manokana dia matetika no raisina ho hevitry ny tenany manokana izay na dia avy tamin’ny fisainana tsara aza, dia tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy na hoe tsy maintsy arahin’ny Fiangonana iray manontolo.”5

Tamin’ny fihaonambe taorian’izay dia nampianatra ity fitsipika ity ny Loholona Andersen: “Ampianarin’ireo mpikambana 15 ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izany fotopampianarana izany. Tsy miafina ao anatin’ny andalan-tsoratra iray saro-takarina ao anaty lahateny iray izany.”6 Ilay fanambarana momba ny fianakaviana, izay nosoniavin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara rehetra miisa 15, dia fanehoana mahafinaritra an’izany fitsipika izany.

Ankoatra ny zavatra tena ôfisialy tahaka ny fanambarana momba ny fianakaviana dia ohatra amin’izay koa ny fampianarana avy amin’ny faminaniana izay ataon’ireo Filohan’ny Fiangonana, izay hamarinin’ireo mpaminany sy apôstôly hafa. Mikasika ny toe-javatra iainana ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia nanome fampianarana roa izay nampianarin’ireo mpandimby azy matetika ny Mpaminany Joseph Smith rehefa akaiky hifarana ny asa fanompoany. Iray amin’ireny ny fampianarana ao amin’ny lahateny King Follett izay nilaza fa ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay marina dia ho tafaraka any amin’ny tontolon’ny fanahy.7 Iray hafa ity teny voalaza tamin’ny fotoam-pandevenana tao anatin’ny taona farany teo amin’ny fiainany ity: “Ny fanahin’ny marina dia hasandratra mba hanao asa lehibe kokoa sy be voninahitra kokoa … [any amin’] ny tontolon’ny fanahy. … Tsy lavitra antsika Izy ireo, ary mahafantatra sy mahatakatra ny eritreritsika, ny fahatsapantsika, ny asantsika, ary matetika izy ireo no malahelo noho izany rehetra izany.”8

Koa ahoana ary ny amin’ny fanontaniana iray tahaka ilay nolazaiko teo aloha mikasika ny toerana hipetrahan’ireo fanahy? Raha toy ny hoe hafahafa na kivalavala aminao izany fanontaniana izany, dia eritrereto ny maro amin’ireo fanontanianao manokana, na ireo fanontaniana izay nahatonga anao ho nalaim-panahy hamaly izany avy amin’ny zavatra renao tamin’olon-kafa tany aloha tany. Ho an’ny fanontaniana rehetra momba ny tontolon’ny fanahy dia valiny roa no arosoko. Voalohany, tadidio fa tia ny zanany Andriamanitra ary tsy maintsy hanao izay tsara indrindra ho antsika tsirairay avy Izy. Faharoa, tadidio ity fampianaran’ny Baiboly efa tsy zoviana ity, izay tena nanampy ahy indrindra tamin’ny fanontaniana maro tsy nahazoam-baliny:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.

“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao” (Ohabolana 3:5–6).

Mitovy amin’izany ihany, i Nefia dia namarana ny salamony lehibe tamin’ireto teny ireto: “Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay. Tsy hapetrako amin’ny sandry nofo ny fitokiako” (2 Nefia 4:34).

Afaka manontany tena mangingina mikasika ny toe-javatra hiainana any amin’ny tontolon’ny fanahy isika, na miresadresaka an’ireo na fanontaniana hafa tsy voavaly rehefa miaraka amin’ny fianakaviana na miaraka amin’ny olona tena akaikin’ny fo. Kanefa isika dia tsy tokony hampianatra na hampiasa toy ny fotopampianarana ôfisialy ny zavatra tsy mahafeno ny fenitry ny fotopampianarana ôfisialy. Ny fanaovana izany dia tsy mampandroso ny asan’ny Tompo ary mety hahakivy mihitsy aza ireo olona izay mikatsaka ny fampiononana na ny fankaherezana azy manokana amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay omanin’ny Tompo mba omena ny tsirairay avy amintsika. Ny fianteherana diso tafahoatra amin’ny fampianarana na ny vinavina ataon’ny tena manokana dia mety hampivoana antsika mihitsy aza mba tsy hifantoka amin’ny fianarana sy ny asa tokony hatao izay hampitombo ny fahatakarantsika ary hanampy antsika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ny fatokiana ny Tompo dia fampianarana efa mahazatra sy marina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany no fampianarana nataon’i Joseph Smith rehefa niaina fanenjehana mavaivay sy sakana izay toa tsy hay noresena ireo Olomasina tany am-piandohana.9 Mbola izany ihany no fitsipika tsara indrindra azontsika ampiasaina rehefa tojo sakana ny ezaka ataontsika mba hianatra na hahazo fankaherezana noho ireo zavatra izay tsy mbola nambara na tsy noraisina ho fotopampianarana ôfisialin’ny Fiangonana.

Io fitsipika io dia mihatra amin’ireo fanontaniana tsy voavaly momba ny famehezana any amin’ny fiainana ho avy na ireo fanovana irintsika hatao noho ireo fandikan-dalana izay nitranga teto amin’ny fiainana an-tany. Marobe ny zavatra tsy fantatsika, ka ny hany tena azontsika hianteherana dia ny fatokiana ny Tompo sy ny fitiavany ny zanany.

Ny hamaranako azy, dia ny zavatra fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy dia hoe mitohy any ny asa famonjen’ny Ray sy ny Zanaka. Ny Mpamonjy antsika no nisantatra ny asa fanambarana ny fanafahana ireo babo (jereo ny 1 Petera 3:18–19; 4:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6–11, 18–21, 28–37), ary mitohy ny asa satria ireo iraka mendrika sy mahafeno tsara ny fepetra dia manohy mitory ny filazantsara, anisan’izany ny fibebahana, ho an’ireo izay mbola mila ny hery manadio avy amin’izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57). Ny tanjon’izany rehetra izany dia voafaritra ao amin’ny fotopampianarana ôfisialin’ny Fiangonana, izay nomena tao anatin’ny fanambarana maoderina.

“Ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra,

“Ary rehefa voaloany ny sazin’ny fandikan-dalàny ary voasasa madio izy ireo dia handray valisoa araka ny asany, fa izy ireo dia mpandova ny famonjena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58–59).

Ny adidintsika tsirairay avy dia ny mampianatra ny fotopampianaran’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny, mitandrina ny didy, mifankatia sy mifanampy, ary manao ny asa famonjena ao amin’ireo tempoly masina.

Ijoroako ho vavolombelona ny fahamarinan’ny zavatra nolazaiko teto sy ireo fahamarinana nampianarina ary ho ampianarina amin’ity fihaonambe ity. Azo tanterahina avokoa izany rehetra izany noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Araka ny fantatsika avy amin’ny fanambarana maoderina, Izy dia “mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:43; nampiana fanamafisana). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “What’s on the Other Side? A Conversation with Brent L. Top on the Spirit World,” Religious Educator, vol. 14, no. 2 (2013), 48.

  2. Jereo ny Teachings of the Prophet Joseph Smith, sel. Joseph Fielding Smith (1976), 309–10; Joseph Smith, “Journal, December 1842–June 1844; Book 2,” p. 246, The Joseph Smith Papers, josephsmithpapers.org.

  3. Ny fanambarana iray nomena an’i Joseph Smith izay indramina matetika mikasika ny tontolon’ny fanahy dia milaza hoe: “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2). Mety manoritsoritra fanjakam-boninahitra iray izany fa tsy ny tontolon’ny fanahy, satria izao no tohiny hoe: “Saingy izany dia homban’ny voninahitra mandrakizay, dia voninahitra izay tsy ananantsika ankehitriny” (andininy 2).

  4. Ohatra, George G. Ritchie, Return from Tomorrow (1978) and Raymond Moody, Life after Life (1975).

  5. D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 89; jereo koa ny Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, 5th ed. (1939), 42. Jereo ohatra ny fanoritsoritana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74:5 momba ny olona iray izay nampianarin’ny Apôstôly Paoly.

  6. Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 41.

  7. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 187.

  8. History of the Church, 6:52; nampidirina ao amin’ny Teachings of the Prophet Joseph Smith, 326; izay indramina matetika, toy ny ao amin’ny Henry B. Eyring, To Draw Closer to God (1997), 122; jereo koa ny Enseigements des présidents de l’Eglise: Brigham Young (1997), chapitre 38, “Le monde des esprits.”

  9. Jereo ny Teachings: Joseph Smith, 231–33.