2010–2019
Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy

Andriamanitra dia manasa antsika mba hiala tanteraka amin’ny fomba fanaontsika fahiny ary hanomboka fiainam-baovao ao amin’i Kristy.

Nanana tombontsoa manokana aho nanokana ny Tempolin’i Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’i Congo ny volana aprily lasa teo.1 Tsy hay lazaina ny fifaliana tsapako sy tsapan’ireo Kôngôle raha nahita tempoly iray natokana tany amin’ny tanin’izy ireo.

Sary
Sary hosodokon’ny Riandranon’i Congo

Ireo izay miditra ny Tempolin’i Kinshasa dia mahita sary hosodoko tena izy izay mitondra ny lohateny hoe Riandranon’i Congo.3 Izany dia mampahatsiahy amin’ny fomba miavaka an’ireo olona mankao amin’ny tempoly ny fanoloran-tena tsy voahozongozona izay ilaina mba hifikiran’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy hanarahany ilay lalan’ny fanekempihavanan’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Ilay riandrano naseho tao amin’ilay sary hosodoko dia mampahatsiahy fomba fanao iray mahazatra efa zato taona mahery lasa izay teo anivon’ireo olona voalohany niova fo ho Kristiana tany Congo.

Sary
Sary hosodokon’ny Riambe Nzongo

Talohan’ny fiovam-pony izy ireo dia nanompo zavatra tsy manan’aina sy sampy izy ireo ka nino fa ireo zavatra ireo dia nanana hery miafina.3 Taorian’ny fiovam-po dia betsaka no nanao dia nankany amin’ny iray tamin’ireo riandrano tsy hita isa manamorona ny Reniranon’i Congo, toa ny Riandranon’i Nzongo.4 Natsipin’ireo olona niova fo ireo tao anatin’ilay riandrano ireo zavatra nataon’izy ireo sampy fahiny mba ho fanehoana famantarana amin’ Andriamanitra sy ny hafa fa izy ireo dia nahafoy ireo fomba nentim-paharazana fahiny ary manaiky an’i Jesoa Kristy. Tena ninian’izy ireo ny tsy nanary ny sampin’izy ireo tao anaty rano milamina sy marivo, fa natsipin’izy ireo tao amin’ny rano maherin’ny riandrano lehibe izany, izay tsy hahafahana maka azy ireny intsony. Ireo fomba fihetsika ireo dia mariky ny fiantombohan’ny fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy.

Vahoaka tany amin’ny toeran-kafa sy vanim-potoana hafa ihany koa no efa naneho ny fanoloran-tenan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba nitovy tamin’izany.5 Ireo vahoakan’ny Bokin’i Môrmôna izay nantsoina hoe Antia-Nefia-Lehia dia “nametraka ny fiadian’ny fikomiany,” nandevina izany “lalina tao anaty tany” mba ho “fijoroana ho vavolombelona amin’ Andriamanitra … fa tsy hampiasainy na oviana na oviana intsony ny fiadian’[izy] ireo.”6 Tamin’ny fanaovana izany dia nampanantena izy ireo fa hanaraka ireo fampianaran’ Andriamanitra ka tsy hiala intsony amin’ny fanoloran-tenan’izy ireo. Izany fanoloran-tena izany no fiantombohan’ny “fiovam-po ho an’ny Tompo” ary tsy mitsoaka an-daharana intsony.8

Ny hoe “niova fo ho an’ny Tompo” dia midika hoe miova amin’ny fomba fanao iray, izay vokatry ny rafi-pinoana iray efa tranainy, ary mitodika amin’ny iray vaovao izay mifototra amin’ny finoana ny drafitry ny Ray any An-danitra sy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Izany fiovana izany dia mihoatra noho ny fanekena ara-tsaina fotsiny ny fampianaran’ny filazantsara. Izany dia manefy ny maha izy azy antsika, manova ny fahatakarantsika ny dikan’ny fiainana, ary mitondra fahatokiana tsy miovaova amin’Andriamanitra. Ny fanirian’ny tena manokana izay mifanohitra amin’ireo izay ilaina mba hifikirana amin’ny Mpamonjy sy hanarahana ny lalan’ny fanekem-pihavanana dia manjavona tsikelikely ary voasolon’ny fahatapahan-kevitra hanaraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

Ny fiovam-po ho an’ny Tompo dia miantomboka amin’ny fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’ Andriamanitra ary arahan’ny fanaovana izany fanoloran-tena izany ho isan’ny maha isika antsika. Ny fanamafisan’orina ny fanoloran-tena toy izany ho ao anatintsika dia dingana arahina mandritra ny androm-piainana ary mitaky faharetana sy fibebahana tsy an-kiato. Amin’ny farany, izany fanoloran-tena izany dia lasa anisan’ny maha izy azy antsika, raiki-tapisaka amin’ny fahatsapantsika ny tenantsika manokana, ary hitoetra mandrakariva ao amin’ny fiainantsika. Fa tsy misy hafa amin’ny tsy hanadinoantsika na oviana na oviana ny anarantsika na inona na inona zavatra eritreretintsika, no tsy anadinontsika na oviana na oviana ny fanoloran-tena izay efa voasokitra ao am-pontsika.8

Andriamanitra dia manasa antsika mba hanary tanteraka ny fomba fanaontsika fahiny ary hanomboka fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Mitranga izany rehefa mampivelatra ny finoantsika ny Mpamonjy isika, izay manomboka amin’ny fihainoana ny fijoroana ho vavolombelon’ireo izay manam-pinoana.9 Aorian’izay dia mihalalina ny finoana rehefa manao zavatra amin’ny fomba izay mampifikitra antsika mafy kokoa Aminy isika.10

Mety ho nahafinaritra raha azo nafindra toy ny sery na ny gripa ny finoana matanjaka. Raha izany dia ny fihevonana “ara-panahy” tsotra dia hanorina finoana ao amin’ny hafa. Saingy tsy izany no fandehany. Ny hany fomba hahafahan’ny finoana hitombo dia ny fanaovan’ny olona iray asa amim-pinoana. Ireo fihetsika ireo dia mitranga avy amin’ny fanasana nomen’ny hafa, saingy tsy afaka “mampitombo” ny finoan’olon-kafa isika na miantehitra amin’ny hafa irery ihany mba hampitombo ny an’ny tena manokana. Mba hahafahan’ny finoantsika hitombo, dia tsy maintsy misafidy isika ny hanao zavatra manorina ny finoana, toy ny mivavaka, mandalina soratra masina, mandray ny fanasan’ny Tompo, mitandrina ny didy ary manompo ny hafa.

Rehefa mitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, Andriamanitra dia manasa antsika hanao fampanantenana miaraka Aminy. Ireo fanekempihavanana ireo, amin’ny fahafantarana ny fampanantenana toa izany, dia fisehoan’ny fiovam-pontsika. Ny fanekempihavanana ihany koa dia mamorona fototra azo antoka ho an’ny fivoarantsika ara-panahy. Rehefa misafidy ny hatao batisa isika, dia manomboka mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika11 ary misafidy ny hampifanaraka ny mombamomba ny tenantsika amin’ny Azy. Mampanantena manokana isika fa ho lasa tahaka Azy sy hampivelatra ireo toetrany.

Ny fanekempihavanana dia mampifikitra antsika amin’ny Mpamonjy, ary manampy antsika hanaraka ilay lalana izay mitondra mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ny herin’ny fanekempihavanana dia manampy antsika hihazona fiovam-po mahery vaika, hampiorim-paka ny fiovam-pontsika amin’ny Tompo, ary handray ny endrik’i Kristy misoritra bebe kokoa eo amin’ny tarehintsika.12 Saingy ny fanoloran-tena tsy natao tamin-kitsim-po tamin’ny fanekempihavanana nataontsika dia tsy hanome antsika na inona na inona.13 Mety ho tratran’ny fakampanahy hisalasala isika, hanipy any amin’ny riandrano tony ny fomba fanao fahiny; na handevina ny fiadiantsika ka ny tahony sasany mbola mipoitra. Ny fanolorantena natao tamim-pisalasalana amin’ny fanekempihavanantsika dia tsy hanokatra ny varavarana ho amin’ny hery manamasina avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Tempolin’i Kinshasa

Ny fanoloran-tenantsika hitandrina ireo fanekempihavanantsika dia tokony tsy hiankina na hiovaova arakaraka ny zava-misy izay miovaova eo amin’ny fiainantsika. Ny tsy fiovaovantsika amin’Andriamanitra dia tokony hitovy amin’ilay Reniranon’i Congo azo ianteherana izay mikoriana eo akaikin’ny Tempolin’i Kinshasa. Io renirano io, izay miavaka amin’ny ankabetsahan’ny renirano hafa eto amin’izao tontolo izao, dia mitosaka amin’ny fomba tsy miova mandritra ny taona14 ary mandraraka rano manodidina ny 11 tapitrisa bidao isan-tsegônda ao amin’ny Ranomasimbe Atlantika.

Nanasa ireo mpianany ny Mpamonjy mba ho azo ianteherana sy tsy ho voahozongozona. Hoy Izy: “Koa ahoreno ao am-ponareo izao, fa ianareo dia hanao ny zavatra izay hampianariko anareo, sy handidiako anareo.”15 Ny fahatapahan-kevitra “mafy orina” ny hitandrina ireo fanekem-pihavanantsika dia mamela an’ireo fampanantenan’ Andriamanitra ho tontosa tanteraka mba hahafahantsika mahazo fifaliana maharitra.16

Olomasin’ny Andro Farany maro be no efa naneho fa izy ireo dia efa “mafy orina” amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana natao tamin’Andriamanitra ary efa niova mandrakizay. Mamelà ahy hitantara aminareo ny momba ny olona telo toy izany—Rahalahy Banza Mucioko, Rahavavy Banza Régine, sy Rahalahy Mbuyi Nkitabungi.

Sary
Fianakaviana Banza

Tamin’ny 1977 ry Banza dia nonina tao Kinshasa tany amin’ny firenena Zaïre, izay antsoina ankehitriny hoe Repoblika Demôkratikan’i Congo. Tena nanana ny naha izy azy tokoa izy ireo tao amin’ny tontolon’ny fiangonana Protestanta nisy azy ireo. Noho ny talentan’izy ireo, dia nanomana vatsim-pianarana ho amin’ny fianarana ambony ho an’ny fianakaviana tanoran’izy ireo ny fiangonan’izy ireo mba handehanany hianatra any Suisse.

Rehefa tany Genève izy ireo, tao anatin’ny fiara fitaterana nitondra azy ho any am-pianarana, dia matetika ny Rahalahy Banza no nahatazana trano fiangonana kely misy soratra hoe “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.” Nanontany tena izy hoe: “Moa ve manana Olomasina i Jesoa Kristy ankehitriny, amin’izao andro farany izao?” Tamin’ny farany dia nanapa-kevitra izy fa tokony handeha ho any ka hijery.

Voaray tsara tao amin’ilay sampana Rahalahy sy Rahavavy Banza. Napetrak’izy ireo ny sasany tamin’ireo fanontaniana niverimberina izay nananan’izy ireo momba ny toetoetran’Andriamanitra, toy ny hoe, “Raha toa ka fanahy Andriamanitra, toy ny rivotra, dia ahoana no nahafahana nahary antsika araka ny endriny? Ahoana no ahafahany mipetraka amina seza fiandrianana?” Tsy mbola nahazo valinteny nahafa-po mihitsy izy ireo mandra-panazavan’ny misiônera ny fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny tao anatina lesona fohy. Rehefa lasa ireo misiônera, dia nifampijery ry Banza ary niteny hoe: “Tsy ny fahamarinana ve izay rentsika teo izay?” Nanohy nankany am-piangonana sy nihaona tamin’ny misiônera izy ireo. Fantatr’izy ireo fa ny batisa ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hisy fiantraikany. Halaina amin’izy ireo ny vatsim-pianaran’izy ireo, ho foanana ny visa an’izy ireo, ary izy ireo sy ny zanak’izy ireo mbola tanora dia hasaina handao an’i Suisse. Nisafidy ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana izy ireo tamin’ny Ôktôbra 1979.

Roa herinandro taorian’ny batisan’izy ireo dia niverina tany Kinshasa Rahalahy sy Rahavavy Banza ka izy ireo no mpikambana voalohany sy faharoan’ny Fiangonana tany amin’ny firenen’izy ireo. Ireo mpikambana tao amin’ny Sampan’i Genève dia nanohy nifandray tamin’izy ireo foana ary nanampy azy ireo hifanerasera tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Namporisihina ry Banza hiandry amim-pahatokiana foana an’ilay fotoana nampanantenaina fa hanorenan’ Andriamanitra ny Fiangonany ao Zaïre.

Sary
Elder Mbuyi

Nandritra izany dia nisy mpianatra avy tany Zaïre nanaraka drafitra fifanakalozana mpianatra, Rahalahy Mbuyi, izay nianatra tao Belzika Natao batisa tamin’ny 1980 tao amin’ny Sampan’i Bruxelles izy. Fotoana fohy taorian’izan dia nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Angletera izy. Ary nanatanteraka ny fahagagany Andriamanitra. Niverina tany Zaïre Rahalahy Mbuyi ary izy no mpikamban’ny Fiangonana fahatelo tao amin’ny fireneny. Rehefa nahazo lalana tamin’ny ray aman-dreniny dia natao tao amin’ny tokantranon’ny fianakaviany ny fivoriam-piangonana. Tamin’ny volana Febroary 1986 dia nisy fangatahana natao tamin’ny governemanta mba hanekena ny Fiangonana amin’ny fomba ôfisialy. Nilaina ny sonian’ny olona telo mizaka ny zom-pirenen’i Zaïre. Ireo mpanao sonia anakitelo feno fifaliana tamin’io fangatahana io dia Rahalahy Banza, sy Rahavavy Banza, ary Rahalahy Mbuyi.

Sary
Rahalahy Mbuyi sy ry Banza

Ireto mpikambana mahatoky ireto dia nahafantatra ny fahamarinana rehefa naheno izany izy ireo. Nanao fanekempihavanana izy ireo tamin’ny batisa izay nampifikitra azy ireo tamin’ny Mpamonjy. Raha ampiasana sarin-teny dia efa nanary ny fomban’izy ireo fahiny tao anatina riandrano mahery sady tsy nanana faniriana ny hitady azy ireny intsony izy ireo. Tsy mora na oviana na oviana ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny savorovoro ara-pôlitika, ny tsy fahenoana vaovao matetika avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, sy ireo fanamby izay mpitranga matetika rehefa manorina fiarahamonin’Olomasina dia mety efa naha kivy ny olona izay tsy ampy fanoloran-tena. Saingy nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Finoan’izy ireo Rahalahy sy Rahavavy Banza ary Rahalahy Mbuyi. Nanatrika ny fanokanana ny Tempolin’i Kinshasa izy ireo, 33 taona taty aorian’ny nanaovan’izy ireo sonia an’ilay fangatahana izay nitondra nankany amin’ny fanekena ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy tany Zaïre.

Sary
Rahalahy sy Rahavavy Banza

Ato amin’ny ivon-toeran’ny Fihaonambe izy ireo anio. Miaraka amin’izy ireo ny zanak’izy ireo roa lahy, dia i Junio sy i Phil, sy ny vinantovavin’izy ireo, dia i Annie sy i Youyou. Tamin’ny 1986 dia i Junior sy i Phil no olona roa voalohany vita batisa ka lasa mpikamban’ny Fiangonana tany Zaïre. Rahalahy Mbuyi dia mijery izao fivoriana izao any Kinshasa miaraka amin’i Maguy vadiny sy ny zanak’izy ireo dimy.

Sary
Rahavavy sy Rahalahy Mbuyi

Ireo mpamaky lay ireo dia mahatakatra ny dikan’ireo fanekempihavanana sy ny vokatr’izany izay nahatonga azy ireo “ho amin’ny fahalalana ny Tompo Andriamaniny sy hifaly ao amin’i Jesoa Kristy Mpanavotra azy.”17

Ahoana no hifikirantsika amin’ny Mpamonjy sy hitoerana ho mahatoky toa an’ireto sy ireo Olomasina Congolais an’aliny maro izay nanaraka azy ireo sy ny an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao? Nampianatra antsika ny fomba hanaovana izany ny Mpamonjy. Isan-kerin’andro dia mandray ny fanasan’ny Tompo isika ary manao fanekempihavanana amin’ ny Ray any An-danitra. Mampanantena isika ny hampifandray ny maha izy antsika amin’ny an’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampanantenana fa vonona ny hitondra ny Anarany, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny Didiny.18 Ny fiomanana tsara sy ny fanaovana amim-pahamendrehana an’ireo fanekempihavanana ireo isan-kerinandro dia mampifikitra antsika amin’ny fototra mafy orin’ny Mpamonjy, manampy antsika hiaina ny fanolorantena nataontsika,20 ary manosika mafy antsika handroso manaraka ny lalan’ny fanekempihavanana.

Manasa anareo aho mba hanolo-tena ho amin’ny dingana iray mandritra ny androm-piainana amin’ny maha mpanara-dia. Manao sy mitandrina fanekempihavanana Ario any amin’ny riandrano lalina sy mahery ireo fombanareo taloha. Aleveno tanteraka ny fiadian’ny fikomianareo ka tsy hisy tahony mbola mipoitra. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fanaovana fanekempihavanana amin-kitsimpo hanaja azy ireny dia hitahy ny fiainanao mandrakizay. Ho lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy ianao rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva, sy manaraka Azy ary mitia Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no fototra mafy orina. Azo ianteherana Izy, ary ny fampanantenany dia azo antoka. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny fanokanana dia notanterahina ny alahady 14 aprily, 2019, araka ny nanendren’ny Filoha Russell M. Nelson.

  2. Ny mpanao asa kanto David Meikle dia nanao ny hosodoko Riandranon’i Congo ka niainga tamin’ireo sarin’ny Riandranon’i Kiubu. Ny Riandranon’i Kiubu dia eo amin’ny manodidina ny 400 kilômetatra avaratr’i Lubumbashi any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo.

  3. Ireo zavatra ireo dia antsoina hoe inkisi amin’ny fiteny Kikongo ary fétiches amin’ny teny Frantsay. Ny dikan’ireo teny ireo amin’ny teny Malagasy dia ody iambozonana, na ody atao fiaro, na sampy.

  4. I David Meikle ihany koa dia nanao ny hosodoko Riandranon’i Nzongo avy tamin’ny sarin’ireo riandrano ireo. Ny Riandranon’i Nzongo dia eo amin’ny manodidina ny 130 kilômetatra miala ny Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’i Congo. Ilay renirano eo amin’ireo riandrano ireo lasa fantatra amin’ny hoe Nzadi Inkisi, na “Reniranon-tsampy.” Io anarana io dia ahitana taratra ny fomba fanao notantaraina ao anatin’ny lahatsoratra.

  5. Tamin’ny taona 1000 taorian’i Jesoa Kristy, ireo lehiben’ny foko tany Islande dia nivory ho amin’ny Allting, fanao isan-taona, mandritra ny tapa-bolana, izay toy ny antenimiera tsy ara-panjakana izay fotoana nanaovana lalàna izay hifehy ny rehetra. Nisy lehilahy iray izay nantsoina hoe Thorgeir izay nasaina hanapa-kevitra ho an’ny tsirairay mikasika ny hiovana fo ho amin’ny finoana Kristiana na hanohy hanompo ireo andriamanitra avy any amin’ny faritr’i Norvege fahiny. Rehefa avy nitokana telo andro tao amin’ny lainy i Thorgeir, dia nanambara ny fanapahan-keviny dia ny hoe ho lasa Kristiana ilay foko. Rehefa niverina tany amin’ny tanànany i Thorgeir, dia nalainy ny Andriamanitra sandoka izay nolalainy ary dia natsipiny tany amina riandrano, izay antsoina ankehitriny hoe Godafoss, na “Riandranon’ireo Andriamanitra.” Izany fihetsika izany no nanambara ny fiovam-pon’i Thorgeir tanteraka ho amin’ny finoana Kristiana.

  6. Almà 23:13; 24:17–18.

  7. Jereo ny Almà 23:6; David A. Bednar, “Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahôna, Nôv. 2012, 106–9.

  8. Jereo ny Ezekiela 11:19–20; 2 Korintiana 3:3.

  9. Jereo ny Romana 10:14, 17.

  10. Jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera, ed. nohavaozina (2018), 203.

  11. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Taking upon Us the Name of Jesus Christ,” Ensign, May 1985, 80–83.

  12. Jereo ny Almà 5:12–14.

  13. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10.

  14. Ny Reniranon’i Congo no renirano lalina indrindra, sy faharoa amin’izay mahery indrindra, ary faha-sivy lava indrindra maneran-tany. Noho izy manapaka in-droa ny zana-pehintany, dia tsy maintsy misy fara fahakeliny ampahany amin’ilay renirano no tratran’ny fotoam-pahavaratra, izay mahatonga ny habetsaky ny rano mikoriana tsy hiovaova. Tsy miova mihitsy ny habetsaky ny rano mikoriana mandritra ny taona, ary rano manodidina ny 41,000 metatra toratelo isan-tsegôndra izany, fa na izany aza dia mety hiova ny habetsaky ny rano ao anatin’ny taona maro (eo anelanelan’ny 23,000–75,000 metatra toratelo isan-tsengôndra).

  15. Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 14:28 (ao amin’ny Lioka 14:27, fanamarihana ambany pejy b).

  16. Jereo ny 2 Nefia 9:18; Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahôna, Nôv. 2016, 81–84. Nilaza ny Filoha Nelson fa,“fanomezana ho an’izay mahatoky ny fifaliana.” (pejy 84).

  17. Almà 37:9.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 Nandritra ny seminera momba ny fahaiza-mitarika ao amin’ny Misiôna tamin’ny jona 2019, taorian’ny nandraisana ny fanasan’ny Tompo, sy mialoha ny nanombohany ny lahateniny, dia nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Nisy hevitra tonga tao amiko fa ny fanaovako fanekempihavanana anio dia manan-danja lavitra kokoa noho ny hafatra izay nomaniko. Nanao fanekempihavanana aho rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo fa izaho dia vonona ny hitondra eo amiko ny anaran’i Jesoa Kristy ary izaho dia vonona ny hitandrina ireo didiny. Matetika aho no maheno ny fitenenana hoe isika dia mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavaozana ireo fanekempihavanana izay natao tamin’ny batisa. Na dia marina aza izany, dia mbola mihoatra lavitra noho izany ilay izy. Nanao fanekempihavanana vaovao aho. Nanao fanekempihavanana vaovao ianao. … Ankehitriny dia ho setrin’izany no Hanaovany ny fanambarana fa hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika isika. Tena fitahiana izany!”

  19. Jereo ny 3 Nefia 18:12.