2010–2019
Fahafahana ara-panahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Fahafahana ara-panahy

Amin’ny maha-mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy anareo dia afaka mandray fanentanam-panahy sy fanambarana manokana tsy mivoana amin’ireo didiny ary natao manokana ho anareo ianareo.

Raha nandao lasin’ny Zatovovavy iray aho tamin’ity fahavaratra ity dia nanolotra taratasy kely ho ahy ny zatovovavy maha-te-hotia iray. Nanontany izy tamin’ny alalan’izany hoe: “Ahoana no ahafantarako hoe te-hilaza zavatra amiko Andriamanitra?” Tiako ilay fanontaniany. Miandrandra fifandraisana amin’ny tokantranontsika any an-danitra ny fanahintsika. Te-hahatsapa ho ilaina sy mahavita zavatra isika. Indraindray anefa dia sahirana isika amin’ny fanavahana ny eritreritsika manokana amin’ny bitsika malefaky ny Fanahy. Efa nampianatra ireo mpaminany fahiny sy maoderina fa raha “manainga sy mandresy lahatra mba hanao ny tsara [ny zavatra iray], dia avy amin’i Kristy izany.”1

Nanolotra fanasana tsotra sy mahery vaika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa.”2

Ny faniriako anio maraina dia ny hiresaka aminareo avy amin’ny foko momba ny fomba efatra izay hahafahanareo mampitombo ny fahafahanareo ara-panahy handray fanambarana.

1. Manàna nahim-po hanokanana fotoana sy toerana hihainoana ny feon’ Andriamanitra

Rehefa mampiasa ny fahafahanao misafidy ianao hanokanana fotoana isan’andro hanakaikezana ny feon’ Andriamanitra, indrindra fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ho lasa mazava sy fantatrao kokoa ny feony rehefa mandeha ny fotoana.

Mifanohitra amin’izany indray, ireo zavatra manelingelina sy tabataba izay mameno izao tontolo izao sy ny tokantranontsika ary ny fiainantsika dia mety hampananosarotra ny fihainoana ny feony. Ireo zavatra manelingelina ireo dia mety hibahana tanteraka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ka lasa tsy mamela toerana ho an’ilay bitsika malefaky ny Fanahy isika.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa matetika tokoa Andriamanitra dia maneho ny Tenany “amin’ny isam-batan’olona ao amin’ny mangingina, ao amin’ny efitranony; any an-tany foana na any an-tsaha, ary amin’ny ankapobeny dia tsy ao anatin’ny tabataba na horakoraka izany.”3

Te-hanasaraka antsika amin’ny feon’ Andriamanitra i Satana amin’ny alalan’ny fanalavirana antsika amin’ireo toerana mangina ireo. Raha miresaka amin’ny feo tony sy malefaka Andriamanitra dia mila manakaiky kokoa izaho sy ianao mba hahenoana Azy. Alaivo sary an-tsaina fotsiny anie ny zavatra hitranga raha toa ka mitovy amin’ny finiavantsika hahazo Wi-Fi tsara ny finiavantsika hifandray amin’ny lanitra! Manokàna fotoana sy toerana, ary henoy ny feon’ Andriamanitra isan’andro. Ary ataovy izay haha-matipaika tsara izany satria zavatra maro no iankinan’izany!

2. Aza mangataka andro

Rehefa mandray bitsika ianao ka mandray andraikitra amin’ny nahim-po dia afaka mampiasa anao ny Tompo. Arakaraka ny handraisanao andraikitra no hahatonga anao ho zatra ny feon’ny Fanahy. Hitombo hatrany ny famantaranao ny fitarihan’ Andriamanitra ary ny “fahavononan[y] … hanambara ny sainy sy ny sitrapony.”4 Raha mangataka andro ianao dia mety hanadino ilay bitsika na tsy hahazo ilay fahafahana hanampy olona iray ho an’ Andriamanitra.

3. Raiso ny asa ampanaovin’nyTompo anao

Ny vavaka izay toa mahavonona kokoa ny Ray any An-danitra ny mamaly azy dia ny fiangaviantsika mba ho voatarika amin’ny olona izay mila ny fanampiantsika. Nampianatra antsika ny Filoha Henry B. Eyring hikatsaka fanambarana amin’ny fangatahana amin’ Andriamanitra hoe iza no azontsika ampiana ho Azy. “Raha mametraka fanontaniana tahaka izany ianao dia ho avy ao aminao ny Fanahy Masina ary hahatsapa tosika malefaka hanao zavatra ho an’ny hafa ianao. Rehefa lasa ary ianao ka manao izany zavatra izany, dia ao anatin’ny asan’ny Tompo ianao izay, ary rehefa ao amin’ny asan’ny Tompo ianao dia mendrika ny hanana ny fanomezana ny Fanahy Masina.”5

Afaka mivavaka ary mangataka asa avy amin’ny Tompo ianao. Rehefa manao izany ianao dia afaka mampiasa ny fahaiza-manao tsotra anananao mba hanatanterahana ny asa mahatalanjony Izy.

Sary
Fritz Lundgren, raiben-dRahavavy Craig

I Fritz Hjalmar Lundgren raibeko dia nifindra monina avy tany Suède fony izy 19 taona. Tonga tao Amerika izy, irery, niaraka tamin’ny valiziny ary ireo enin-taona nianarany tany an-tsekoly. Tao anatin’ny tsy fahafahana miteny Anglisy no nankanesany tany Oregon ka mpikapa hazo ny asany tany; tany avy eo no nahalasa mpikamban’ny Fiangonana azy, niaraka tamin’ny renibeko sy ny reniko. Tsy mbola niahy paroasy izy, nefa mpampianatra isan-tokantrano mahatoky izy, ka namerina fianakaviana 50 samy hafa ho mavitrika indray ao amin’ny Fiangonana. Ahoana no nanaovany izany?

Taorian’ny nahafatesan’i Dadabe dia nikarokaroka ny boaty iray nirakitra ireo taratasiny aho ary nahita taratasy iray nosoratan’ny lehilahy iray izay niverina tao amin’ny fiangonana indray vokatry ny fitiavana nasehon’i Dadabe. Mivaky toy izao ilay taratasy: “Mino aho fa ny tsiambaratelon-dRahalahy Fritz dia ny hoe eo am-panaovana asa ho an’ny Ray any An-danitra foana izy.”

Avy amin-dRahalahy Wayne Simonis izany taratasy izany. Namangy azy ary lasa nahafantatra misimisy kokoa ireo olona tsirairay tao amin’ilay fianakaviana i Dadabe. Tamin’ny fotoana nampety izany dia nilaza tamin’izy ireo i Dadabe fa nilaina izy ireo, ary nanasa azy ireo ho any am-piangonana izy. Ny marainan’izay alahady izay anefa dia niatrika olana nanahirana azy Rahalahy Simonis—tsy mbola nahavita ny asa fanavaozana ny tafon’ny tranony izy kanefa ho avy ny orana tamin’izay herinandro izay. Nanapan-kevitra izy ny handeha hiangona, handray ny tanan’i Dadabe, ary avy eo hody hamita ny fametrahana tafo. Afaka hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny fianakaviany na dia tsy eo aza izy.

Nizotra tsara izany drafiny izany, mandra-pahenoany, raha iny izy teo ambony tafo iny, olona nihanika ny tohatra. Hoy izy: “Rehefa nijery aho, … dia Rahalahy Fritz no hitako, nijoro teo an-tampon’ilay tohatra. Nitsiky be tamiko fotsiny izy. Tamin’ny voalohany aho dia afa-baraka ary nahatsiaro ho toy ny ankizikely tratra tsy nankany am-pianarana. Dia … nahatsapa hatezerana aho avy eo. Saingy [nesorin-dRahalahy Fritz] fotsiny ny palitaony ary nahantony teo amin’ilay tohatra. Raha namoritra ny tanan’akanjon’ny lobaka fotsiny izy dia nitodika taty amiko ka niteny hoe: -Manana marotoa hafa ve ianao Rahalahy Simonis? Tena tsy maintsy manan-danja be aminao ity asa ity raha tsy izany tsy navelanao tany ny fianakavianao, ary raha manan-danja toy izany tokoa izy ity dia te hanampy anao aho.- Rehefa nijery ny masony aho dia hatsaram-panahy sy fitiavana tahaka ny an’i Kristy no hany hitako. Tsy tezitra intsony aho. … Napetrako ireo fitaovako tamin’io alahady io ary nanaraka ilay namako mahafinaritra nidina ny tohatra aho ka niverina tany amin’ny trano fiangonana izahay.”

Naharay ny asany avy amin’ny Tompo i Dadabe ary nahafantatra izy fa tokony hitady ireo ondry very. Tahaka ny tamin’ireo lehilahy efatra nibata ny naman’izy ireo izay nararin’ny paralysisa hiakatra ao ambonin’ny tafo iray ary nampidina azy avy eo mba ho sitranin’i Jesoa Kristy6 no nitarihana an’i Dadabe ho amin’ny tafo iray mba hanatontosana ny asany. Mandefa fanambarana ho an’ireo izay mikatsaka ny hanampy ny hafa ny Tompo.

4. Minoa ary matokia

Vao tsy ela aho no namaky tao amin’ny soratra masina momba ny misiônera lehibe iray izay nandray ny asany avy amin’ny Tompo. I Aharôna dia nampianatra ny mpanjakan’ny Lamanita, izay nanontany hoe nahoana i Amôna rahalahin’i Aharôna no tsy tonga nampianatra azy ihany koa. “Ary hoy i Aharôna tamin’ny mpanjaka: Indro, ny Fanahin’ny Tompo no efa niantso azy ho amin’ny làlan-kafa.7

Niresaka tamiko tao am-poko ny Fanahy: manana iraka samy hafa ho tontosaina isika tsirairay avy, ary indraindray ny Fanahy dia mety hiantso antsika ho amin’ny “làlan-kafa.” Maro ny fomba hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny maha-mpanao fanekempihavanana antsika, amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy mpitandrina fanekempihavanana antsika. Amin’ny maha-mpianatra mahatokiny anareo dia afaka mandray fanentanam-panahy sy fanambarana manokana tsy mivoana amin’ireo didiny ary natao manokana ho anareo ianareo. Manana asa anirahana sy anjara asa miavaka hotanterahina eo amin’ny fiainana ianareo ary hahazo fitarihana miavaka mba hanatanterahana azy ireo.

I Nefia, ny rahalahin’i Jareda, ary na i Mosesy aza dia samy niampita rano be, ary ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia niampita tamin’ny fomba samy hafa. I Nefia dia “nandrafitra ny hazo araka ny fahaizana asa kanto.”8 Ny rahalahin’i Jareda dia nanambaotra sambofiara “tsy tantera-drano tahaka ny lovia,”9 Ary i Mosesy dia “nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina.”10

Samy nandray fitarihana natao manokana ho azy ireo tsirairay avy izy ireo, ary samy natoky sy nandray andraikitra izy ireo. Ny Tompo dia mijery akaiky ireo izay mankatò Azy, ary araka ny nilazain’i Nefia azy dia “[h]anomana lalana ho [antsika Izy] mba hahazoan[tsika] manatontosa ny zavatra izay andidiany [antsika].”11 Mariho tsara fa i Nefia dia niteny hoe “lalana”—fa tsy hoe “ilay lalana.”

Moa ve isika tsy manao na tsy miraharaha ireo asa anirahana antsika manokana avy amin’ny Tompo satria nanomana “lalana” hafa Izy fa tsy ilay lalana nantenaintsika?

Notarihina ho any amin’ny lalana tsy mahazatra ny dadabeko, nanao palitao izy nihanika tafo iray tamin’ny andro alahady. Matokia an’ Andriamanitra fa hitarika anao Izy, na dia tsy araka ny nieritreretanao azy na tsy mitovy amin’ny an’ny hafa aza izany.

Samy hafa endrika sy halehibe ireo Olomasin’ny Andro Farany, saingy “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”—“na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy,” na manam-bady na tsia, na mahantra na manan-karena, na antitra na tanora, na mpikambana efa ela na mpikambana vao tsy ela.12 Na iza ianao na iza, na inona na inona olana atrehanao, dia voasa ho eo amin’ny latabatry ny Tompo ianao.13

Rehefa lasa ny fikatsahana sy fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray no lasa fizotry ny fiainanao andavanandro dia mazava ho azy fa ho voatarika hiova sy hibebaka ianao.

Ilay fandaharan’asan’ny Fiangonana vaovao natokana ho an’ny ankizy sy ny zatovo dia miorina eo amin’ny fototry ny fianarana mikatsaka fanambarana, ny fikarohana izay tian’ny Tompo ataontsika, ary avy eo ny fandraisana andraikitra mifanaraka amin’izany toromarika izany. Isika tsirairay avy, na firy taona isika na inona ny toe-javatra iainantsika, dia afaka miezaka mikatsaka, mandray, ary manao asa. Rehefa manaraka izany lamina mandrakizay voatendry ho an’ny androntsika izany ianao, dia hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy—hanakaiky kokoa ny fitiavany, ny fahazavany, ny fitarihany, ny fiadanany, ary ny heriny manasitrana sy mankahery. Ary dia hampitombo ny fahafahana ara-panahy anananao ianao mba ho lasa fitaovana eo am-pelatanany isan’andro hanatanterahana ny asany lehibe. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.