2025
Hianao no Kristy
Ho zatovo mahery! mey 2025


Fivoriana sabotsy hariva

Hianao no Kristy

Sombin-dahatsoratra

lahatsoratra solon-tsary

Hisintona ny endrika PDF

Ireo zavatra izay nivavahany dia tsy azo soratana, nataon’i Casey Childs

Fony tao amin’ny kilasy taona fahaefatra ny zanakay lahy Eli dia nametraka sarisarina fitondram-panjakana ny kilasiny ka izy no nofidin’ny mpiara-mianatra aminy ho mpitsara ao amin’ny kilasy. Indray andro, nisy mpitsara am-perinasa avy tao amin’ny Fitsaran’ny Distrika faharoa nitsidika azy ireo ka nampitafy an’i Eli ny fanamiany ôfisialy ary avy teo dia nampanao fianianana azy tao amin’ny kilasiny. Izany dia nampitsiry tao anatin’ny fanahin’i Eli mbola tanora sy mora mandray ny fitiavana mandalina ny lalàna sy ilay Mpanome Lalàna mihitsy dia i Jesoa Kristy.

Taorian’ny taona maro nanaovana ezaka tamim-pahavitrihana dia nahazo fanasana mba hanao tafa sy dinika amin’ny iray amin’ireo sekoly fianarana lalàna tena malaza niisa folo izay nosafidiny i Eli. Nambarany hoe: “…Ny fanontaniana farany dia hoe, –Avy aiza no nahazoanao ny fenitra ara-pitondrantena arahinao?–… Nolazaiko fa raha toa ny olombelona rehetra ka manaraka ny fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra dia ho toerana tsara sy hilamina kokoa izao tontolo izao.” Nifarana ilay tafa sy dinika taorian’izay ary nieritreritra tao an-tsainy izy hoe, “Rava ireo nofinofiko hatry ny fony mbola kely. Tsy misy na iza na iza te haheno momba an’i Jesoa Kristy izany aty amin’ny tontolon’ny fampianaran’izao tontolo izao.”

Roa herinandro taty aoriana dia voaray sady nahazo vatsim-pianarana i Eli. Nitsidika ilay oniversite izahay mialohan’ny hanoloran-tena hianatra ao. … Ny zavatra niavaka rehefa namakivaky ilay tranom-boky mahatalanjona sy ireo lalantsara tsara tarehy izahay, dia hitanay teny amin’ireo faneva sy soratra voasokitra teny amin’ny vato ireo toetra avy ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra.

Ny Toriteny teo an-tendrombohitra no tena lahateny faran’izay miavaka indrindra nozaraina hatramin’izay, izay toy ny mpisava lalana teo amin’ny fampianarana nozarainy. Tsy misy toriteny hafa ankoatra izany afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa momba ny toetran’i Jesoa Kristy sy ireo toetrany amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ary ny tanjontsika faratampony mba ho tonga tahaka Azy. …

Mila mampiditra ny fahazavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika isika. …