Fampitana ho an’ny S&I
Lisitr’ireo zavatra hotontosain’ny mpampianatra


Lisitr’ireo zavatra hotontosain’ny mpampianatra

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy iarahana amin’ny Loholona Uchtdorf

Alahady 12 jona 2022

Ry olona ankamamiako indrindra!

Ry rahalahy sy anabaviko, ry namako malala, fotoana miavaka ny fiarahana etoana sy ny fijerena ity horonan-tsary mahafinaritra ity izay mampiseho antsika ny fomba ahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny olona maneran-tany mampianatra olona amin’ny salan-taona rehetra sy amin’ny taranaka rehetra ny fomban’ny Mpamonjy.

Eny ry namako, feno fankasitrahana aho miaraka amin’ireto olona tiako ireto anio: dia ireo mpampianatra—taloha, sy ankehitriny, ary hoavy! Koa satria ny rehetra dia mpampianatra avokoa na amin’ny endriny iray na amin’ny endriny hafa, dia azo lazaina fa ny vondron’olona ankamamiako indrindra dia toa tsy mba manavakavaka. Tiako ireo mpampianatra. Tiako ny mifanerasera amin’izy ireo. Tiako ary tsy ho voaonitro mihitsy ireo mpampianatra teo amin’ny fiainako.

Ireo manampahaizana dia nandalina efa an-jato taonany maro hoe inona no mahatonga ny mpampianatra iray ho mahay fatratra, ary efa marobe ireo tsangan-kevitra natolotr’izy ireo sy novoiziny ary navoakany momba ny hoe inona no mampahomby ny fampitana ny fianarana.

Samy nandray fitahiana avy amin’ilay mpampianatra lehibe indrindra hatramin’izay isika rehetra, dia i Jesoa Kristy. Ampahany lehibe tamin’ireo roa arivo taona farany dia inoako fa tsy nisy segondra izay tsy nikolokoloana sy nandalinana sy nisaintsainana sy namerenana ary nakana ho ohatra ny fampianarany n’aiza n’aiza eto amin’izao tontolo izao.

Ary moa ve tsy izany no tanjon’ny mpampianatra rehetra? Dia ny hitondra fanovana maharitra ho amin’ny tsara? Ny hitahy ny fiainan’ny hafa amin’ny fomba izay mihoatra lavitra noho ny lesona iray na ny efitrano fianarana iray?

Ary i Jesoa avy any Nazareta dia nanana izany karazana hery mitaona izany mihitsy, tamin’ny lasa sy ankehitriny ary amin’ny hoavy. Koa moa ve misy tsara kokoa noho Izy hianarantsika? Raha mianatra avy Aminy isika, dia tsy hihatsara fotsiny amin’ny maha mpampianatra antsika, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy eo amin’ny fiainantsika, fa hihatsara ihany koa isika amin’ny maha olombelona antsika.

Noho izany, dia tombontsoa sy voninahitra ho ahy ny hiresaka aminareo anio momba ny Mpamonjy, satria ny fomba tsara indrindra hahatongavana ho mpampianatra tsara kokoa dia ny miova ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tsara kokoa.

Ny maha zava-dehibe ireo fanamarinana ireo zavatra mila atao mialoha ny hiaingan’ny fiaramanidina

Fony aho mpanamory fiaramadinina, ny ao an-tsaiko isaky ny mipetraka eo amin’ny sezan’ny kapiteny dia ny hahatody soa aman-tsara ny tenako sy ireo mpiara-miasa amiko ary ireo mpandeha any amin’ny toerana alehanay. Izany tanjona izany dia mitaky fifantohana sy fahamalinana.

Mba hitazonana io fifantohana io dia manao ireo fanamarinana maro mialoha ny hiaingan’ny fiaramanidina ny mpanamory, ary mamerina ireo dingana arahina amin’ny aro loza sy mijery ireo fitaovana fikirakirana sy ny maha azo antoka ny ara-mekanika. Ny tsirairay amin’ireo zavatra hita ao amin’ilay lisitry ny zavatra mila tontosaina dia efa nataon’ny mpanamory imbetsaka, efa an-jatony maro (raha tsy an’arivony maro).

Ny mpanamory matihanina dia tsy hieritreritra mihitsy hoe noho izy efa nisidina in-jato mahery, dia tsy mila misahirana manao fanamarinana mialoha ny hiaingana na hanao izany an-tsirambina indraindray.

Ny fanamarinana mialoha ny hiaingana dia mamolaka ny mpanamory mba hitazona ny fifantohany amin’ny zavatra manan-danja izay mampahomby ny sidina.

Tsisy hafa amin’ny mpanamory izay manana tanjona mitari-dalana azy isika amin’ny maha mpampianatra ny Teny antsika: dia ny hitondra fanahy ho akaiky kokoa an’i Kristy. Isaky ny miatrika fahafahana mampianatra iray isika, dia tokony hilentika ao an-tsaintsika izany tanjona izany.

Amin’ny maha mpampianatra antsika, moa ve isika manana lisitry ny zavatra mila hamarinina izay hanampy antsika hifantoka amin’ny tanjontsika masina? Eny!

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Amin’ity volana ity, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hamoaka amin’ny endriny nasiam-panavaozana ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Izy io dia tari-dalana ho an’ireo rehetra izay mampianatra ny filazantsara—any an-tokantrano sy ao amin’ny Fiangonana. Hisy amin’ny fiteny miisa 70 izany ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Ho avy afaka volana vitsivitsy ny boky vita printy.

Io loharanom-pitaovana io dia notsoahina avy amin’ny fiainana sy fampianaran’i Jesoa Kristy izay Izy no mpitarika sy mpitaona antsika mpampianatra. Izany dia manampy antsika hifantoka amin’ny fampianarana araka ny fomba nampianarany.

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia hanampy ireo rehetra izay mampianatra. Izany dia afaka manome fitaomam-panahy sy torolalana ho an’ny ray aman-dreny, mpiray vodirindrina, rahalahy sy rahavavy mpanompo, misiônera ary ireo mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra. Ny hoe maha mpianatra dia midika hoe mitia, mikarakara, mitahy sy mankahery ny hafa, ary izany dia midika koa hoe mampianatra.

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: raha miezaka ny mitia sy manompo tahaka ny nataon’i Jesoa ianao, dia mpampianatra ianao, ary natao ho anao ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Manantena aho fa ho sarobidy aminareo izy io, na vaovao ianao na efa an-taonany maro no nandia izany lalana izany.

Ao amin’ny fizarana faha 3 amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, dia misy tombantomban’ny tena manokana—fanamarihana mialoha ny hiaingan’ny fiaramanidina raha tianareo—izay afaka ny hanampy antsika hifantoka kokoa amin’ny fiezahantsika mampianatra. Izany dia hitondra amin’ny fandinihan’ny tena manokana sy hampiseho izay zavatra tsy hitantsika ary hitondra fitaomam-panahy momba ny fomba ahafahantsika mihatsara kokoa. Afaka ny ho tahaka ny ilàn’ny mpanamory ny fanamarinana mialoha ny hiaingana ny ilàn’ireo mpampianatra izany.

Raha avelanareo hipetraka eo akaikinareo ao amin’ny efitra fanamoriana aho, raha izay no ilazantsika azy, dia tiako ny hiaraka aminareo hanao ireo fanamarinana mialoha ny hiaingana amin’ny fampianarana. Manasa anareo aho hamoaka takelaka fanoratana izay anaovantsika fifanahafana ary diniho hoe ahoana no hanaovanareo tombantombana ny tenanareo amin’ny singa tsirairay. Ity tombantomban’ny tena manokana ity dia afaka ny ho fitahiana lehibe, anio sy isak’izay hiomana hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Ny zavatra voalohany ao amin’ny fanamarinana mialoha ny hiaingana izay ataontsika dia ny “Mifantoka amin’i Jesoa Kristy.” Izany dia fahafahana hieritreritra hoe eo amin’ny ivon’ny fampianarantsika marina ve ny Mpamonjy sa tsia. Mba diniho azafady ireto fanontaniana ireto:

  • Moa ve aho mampianatra momba an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianariko?

  • Moa ve asongadiko ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy?

  • Moa ve aho manampy ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo?

  • Moa ve aho minia manampy ireo mpianatra hiezaka hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

Lalina ireo fanontaniana ireo!

Aoka isika hanaiky fa ny filazantsara dia mivelatra tokoa hany ka afaka ny handalina azy mandritra ny fiainana manontolo ianao kanefa mbola ny eo ivelany ihany no voakitikao. Alao sary an-tsaina hoe manao hosodoko tanjona hotifirina iray ianao, izay lava sy mivelatra tahaka ny ilan’ny trano iray lehibe vita amin’ny hazo, ary maneho ny halehiben’ny fivelaran’ny filazantsara.

Isika rehetra dia samy manana ny fialam-boly mikasika ny filazantsara izay ankafizintsika indrindra, dia ireo zavatra izay mahaliana antsika izany. Fotoana mirakitra tantara, fandaharan’asa ato amin’ny Fiangonana, lohahevitra ara-potopampianarana, ary andinin-tsoratra masina iray monja mihitsy aza. Ary mety ho alaim-panahy isika hifantoka amin’ireo lohahevitra ankafizintsika ihany.

Kanefa na dia midadasika aza ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara, ny anakandriamaso—na ilay ivon’ny tanjona—izay tsy tokony hihatahan’ny fifantohantsika—dia bitika. Ary izany ivony izany dia tsy atolotra antsika amin’ny alalan’ny fanamarihana, na fanadihadiana ara-kevitra, na amin’ny alalan’ny adihevitra. Ny Mpamonjy mihitsy no nanome izany antsika.

Inona ilay izy?

Tiavo Andriamanitra ary tiavo ny hafa.

Izay ilay ivony.

Mety mahaliana antsika ny zavatra hafa. Mety hanan-danja mihitsy aza. Saingy tsy ireny no ivony.

Mpiara-miantsehatra ireny. Fangaron-daoka ireny, potipoti-batomamy mandravaka ilay mofomamy. Afaka mitondra hanitra na karazany fanampiny izy ireny fa tsy izy ireny no sakafo fototra.

Inona ary no tanjontsika amin’ny fampianarana?

Ny tanjontsika dia ny manampy ireo izay ampianarintsika hanakaiky kokoa an’i Kristy, sy hampitombo ny fahalalan’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra, ary ny hanompo an’ Andriamanitra amin’ny fanoloran-tanana amim-pangorahana ireo zanany rehetra.

Izay ilay ivony.

Ary aiza no hahitantsika ny ohatra lehibe indrindra ho antsika izay maneho ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa?

Ao amin’ny fiainana sy fampianaran’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Rehefa mitondra fanahy ho eo amin’i Kristy isika, dia manampy azy hampitombo ny finoany sy ny fitiavany an’ Andriamanitra. Ary manampy azy isika hampitombo ny fangorahany sy ny fitiavany ny hafa.

Isaky ny alaim-panahy isika hivily sy ho rebireben’ny lohahevitra hafa izay mety mahaliana antsika, dia tokony hanontany tena isika hoe:

“Moa ve aho mifantoka amin’ny Mpamonjy na inona na inona ampianariko?”

“Moa ve ny zavatra ampianariko manampy ny hafa hampitombo ny fitiavany an’ Andriamanitra sy haneho izany fitiavana izany amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana?”

Amin’ny maha mpampianatra antsika, dia afaka miteny amin’ny fitenin’ny anjely isika; afaka manary dia, mampifaly, mampihomehy ary mampitolagaga. Kanefa raha tsy vitantsika ny mitazona ny fifantohantsika amin’i Jesoa Kristy, dia any ivelan’ny tanjona no banjinintsika1 ary ny fampianarantsika dia lasa ampahany kely monja amin’ny zavatra tokony hotanterahantsika.

Hazony lalandava ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Tiavo ireo izay ampianarinao

Ny sokajy faharoa amin’ilay lisitry ny fanamarinana mila tontosaina dia ny “[Mitia] ireo izay ampianarinao.” Ity sokajy ao amin’ny lisitry ny fanamarinana mila tontosaina ity dia mamela antsika hieritreritra ny amin’izay antony mitaona antsika hampianatra, ary mampahatsiahy antsika mba hitazona ny fontsika hifantoka amin’ny fitiavana sy fanomezan-danja ireo izay ampianarintsika. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hodinihana:

  • Moa ve aho miezaka ny hahita ireo mpianatra amin’ny fomba ahitan’ Andriamanitra azy ireo?

  • Moa ve aho mikatsaka ny hahafantatra ireo izay ampianariko, mba hahatakarana ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo?

  • Moa ve aho mivavaka ho an’ireo mpianatra ary tononiko ve ny anaran’izy ireo?

  • Moa ve aho mamorona tontolo azo antoka izay hahatsapan’ny rehetra ho voahaja ary fantatro ve fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo?

  • Moa ve aho mitady fomba tsara hanehoako ny fitiavako?

Nandre ny momba ny vehivavy iray izay mpampianatra mahay teny amin’ny lisea aho. Nandany taona maro izy namolavolana ny fomba entiny mampianatra ary nitondra anjara biriky lehibe teo amin’ny fiainan’ireo mpianatra tao amin’ilay lisea izy. Hainy tsara ny fomba hitondrana ireo izay ao amin’io sokajin-taona io.

Indray taona, dia nandray anjara tamina fandaharam-pianarana mandritra ny fahavaratra izy izay nampianarany mpianatra kely taona kokoa: dia ankizy dimy taona izany. Mazava ho azy fa ireo ankizy dia falifaly sy navitrika rehefa nibosesika niditra tao amin’ilay efitrano nampianarany. Nitabataba be izy ireo ary nihomehy sy nikiakiaka sy nihazakazaka teny anelanelan’ny dabilio ary nifanenjika. Mba handaminan’ilay mpampianatra ny tao an-dakilasy, dia nampiasainy ilay atao hoe “feon’ny mpampianatra” izay fantany fa nahomby tany amin’ny lisea mba hampilamina ny ankizy sy hampipetraka azy ireo. Kanefa inona no nitranga?

Nangina tampoka ny tao an-dakilasy. Najanon’ireo ankizy avy hatrany ny zavatra nataony, ary namonjy seza malalaka faingana izy ireo sady nivontirika ny masony. Izy rehetra, afa-tsy anankiroa.

Ilay ankizy voalohany, izay zazavy kely, dia nitambotsitra tamin’ny tany ary nanomboka nitomany. Na dia tsy nahatsapa fahatezerana taminy na dia kely monja aza ilay mpampianatra, dia nahatsapa ilay ankizivavy kely hoe mety nanao zavatra tena ratsy izy ka dia nidradradradra nitomany.

Ilay ankizy faharoa, izay zazalahy kely, dia nijery ilay mpampianatra tamin-tahotra ary nirifatra nivoaka ny varavarana, ary dia nanjavona tany amin’ny lalantsara faran’izay haingana. Nanontany tena ilay mpampianatra hoe mbola hiverina ve izy iny.

Tamin’io andro io ilay mpampianatra dia nianatra lesona manan-danja iray: ireo paik’ady nampiasainy tamin’ny zatovo dia tsy nahomby loatra tamin’ny ankizy kely.

Ary lesona ho antsika ihany koa izany.

Ny olona tsirairay ampianarintsika dia zanak’ Andriamanitra ary manana ny toetra maha izy azy.

Moa ve izy ireo hitantsika amin’ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo, dia olona tsy manam-paharoa izay manana ny eritreriny sy ny fahatsapany sy ny fisedrany ary ny olany? Moa ve isika mampisy tontolo fianarana izay azo antoka, dia toerana ahafahan’ny olona tsirairay mahatsapa ho voaro sy voaray tsara?

Na inona na inona fitenin-drazantsika, moa ve mahafantatra ireo mpianatsika fa mampiasa ny fiteny iraisan’izao tontolo izao isika, dia ny fitiavana? Ary sarobidy amintsika ve izy ireo, mangoraka azy ireo ve isika, ary manaja azy ireo?

Ny Mpamonjy dia nandany ny ankamaroan’ny fotoany nanompo ireo olona izay voailikilika sy nolavin’ny fiarahamonina.

Azony natao tsara ny nananatra sy nanameloka azy ireo. Noraisiny kosa izy ireo, nositraniny, ary nankahereziny.

Eny, nampianatra azy ireo ny “handeha ary [tsy] hanota intsony” Izy.2 Saingy ho an’ilay marary, ilay mpanota, ary ilay kilemaina, dia niresaka sy naneho fihetsika mifono fitiavana sy fangorahana ary fanajana Izy.

Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra Tsitoha no ahitany antsika, tsy hoe ambany noho Izy, fa manana fahafahana kosa ny hiara-handeha Aminy amim-boninahitra.

I C. S. Lewis, izay Kristianina mpanoratra, dia namerina sy nanaiky izany fomba fijery izany rehefa nampianatra izy hoe: “Tena zavatra matotra izany hoe miaina ao anatin’ny fiarahamonina iray izay mety hisy olona ho lasa andriamanitra lahy sy vavy izany, sy ny mitadidy fa ny olona izay mahasorena sy tsy mahaliana anao indrindra no indray andro any, raha hitanao amin’izao fotoana izao, no ho ilay olona izay hahatonga anao ho alaim-panahy tokoa ny hitsaoka azy.” Dia notohizany hoe: “Tsy misy izany hoe olona tsy miavaka izany. Tsy mbola niresaka tamina olona tsy miavaka velively ianao. … fa fanahy tsy mety maty avokoa no niarahantsika nisangy sy novadiantsika sy tsy noraharahiantsika ary nohararaotintsika — fanahy tsy mety maty… manam-boninahitra mandrakizay.”3

Rehefa mandray ny hafa amin’ny fanajana toy izany isika dia maneho ny ohatr’i Jesoa Kristy. Mitia tahaka ny nitiavany isika. Mankahery tahaka ny nankaherezany isika. Mampianatra tahaka ny nampianarany isika.

’Ndeha isika hahatsiaro ny hitia sy hanaja ary hankahery ireo izay ampianarintsika.

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Ny sokajy fahatelo amin’ny lisitry ny fanamarinana mila tontosaina dia ny “Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.” Mba diniho azafady ireto fanontaniana ireto:

  • Moa ve aho manomana ny tenako ara-panahy mba hampianatra?

  • Moa ve aho manaraka ireo fitaomana ara-panahy momba ireo zavatra ilain’ireo mpianatra?

  • Moa ve aho mamorona sehatra sy fahafahana mba hahafahan’ ireo mpianatra ho ampianarin’ny Fanahy Masina?

  • Moa ve aho manampy ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary handray andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

  • Moa ve aho mijoro ho vavolombelona matetika sy mamporisika ireo mpianatra hanao tahaka izany koa?

Miezaka aho ny mampahatsiahy ny tenako matetika fa amin’ny ezaka ataoko hampianarana ny filazantsara sy hitondrana ny olona ho eo amin’i Jesoa Kristy dia tsy afaka ny manova ny fon’iza na iza aho.

Ny Fanahy Masina ihany no afaka manao izany.

Afaka milaza ireo teny isika, fa ny fiovam-po kosa dia raharahan’ny Fanahy. Mitranga izany rehefa mahakasika ny fo ny Fanahy Masina ary manao zavatra eo anatrehan’ny fitaomany ny olona iray amin’ny fanarahana ny Mpamonjy.

Raha toa noho ny teny mandresy lahatra na tohan-kevitra tsara rindra no naha-lasa “resy lahatra” ny olona iray hanara-dia an’i Jesoa Kristy, dia mety mandalo izany faharesena lahatra izany toy ny voa izay nilatsaka teo amin’ny toerana feno vato.4

Ny asantsika dia tsy ny hanova fo. Tsy andraikitsika izany.

Inona no asantsika? Ny hampianatra ilay vaovao mahafaly ny amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay naverina tamin’ny laoniny amin’izao vanim-potoantsika izao! Ary asantsika ny manohana sy manamarina ireo tenintsika amin’ny zavatra ataontsika feno fahamarinan-toetra sy amin-kitsim-po! Ny fiainantsika, ny fomba fiainantsika sy ny fihetsitsika.

Na manao zavatra na tsia amin’izay ampianarintsika ny olona iray dia azy sy Andriamanitra izany. Fa isika dia afaka ny ho mpampifandray azy ireo amin’ny Fanahy Masina. Isika dia afaka ny ho varavarankely izay hidiran’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo teny lazaintsika sy ireo fihetsika ataontsika dia afaka ny hampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba izay hanampy ireo mpianatra hiaina ny fanelanelanana ataon’ny Fanahy Masina.

Araka ny nampianarin’ny Loholona Dallin H. Oaks tamin’izany hoe: “Ny fandalinana sy ny famakafakana dia afaka hahita ny fahamarinana, … fa ny fanambarana ihany no afaka manamafy izany.”5

Mamelà ahy hamerina izany fehezan-teny izany: “Ny fandalinana sy ny famakafakana dia afaka hahita ny fahamarinana, … fa ny fanambarana ihany no afaka manamafy izany.”

Misy fotoana isika toy ny matory mitsangana eo amin’ny fiainana. Mahita zavatra isika kanefa zara raha mahatsiaro azy ireny. Dokam-barotra, teny ambara ao amin’ny Pinterest, eny fa na takela-by famantarana eny amin’ny lalana aza. Ny ankamaroan’izany dia mandalo ao an-tsaintsika fa tsy miditra ao am-pontsika.

Kanefa raha toa ny Fanahy Masina no miteny amin’ny fanahinao, dia tsy afaka ny hanadino izany ianao, satria manova anao izany; manova antsika izany. Tsarovy ny nolazain’i Joseph Smith taorian’ny namakiany ny Jakoba 1:5 hoe: “Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay.”6

Ny Fanahy dia afaka ny hahatonga ny hevitra iray izay nolazaina tamin’ny fomba mahazatra ho lasa mivaivay tahaka ny afo.

Ny fiovam-pon’ny olona iray hafa dia tsy miankina amin’ny fahaizantsika miteny na ny fahalalantsika ny soratra masina. Tsy miankina amin’ny fahatsaran’ny fampianarantsika na ny fahaizantsika miaro ny fotopampianarana. Tsy miankina amin’ny faharanitan-tsaintsika, na ny fahaizantsika misarika olona na ny fifehezantsika ny fiteny.

Ny zavatra mila ilofosantsika dia ny hoe mahafantatra ny tenantsika. Avy eo ny Ray any An-danitra dia manasa antsika mba “[h]anokatra ny vavan[tsika] amin’ny fotoana rehetra, ka [h]anambara ny filazantsara[ny] amin’ny feom-pifaliana.”7 Raha manao izany isika dia hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana ny Fanahy Masina.

Tsy voatery isika ny ho “lasa” mihoatra na latsaka noho izay efa maha isika antsika, dia zanak’ Andriamanitra sy mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izany.

Moa ve ianao afaka ny maneho am-pifaliana ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany?”

Raha manao ny anjaranao ianao dia hanao ny Azy ny Fanahy. Izany no fomba “hampianarantsika amin’ny alalan’ny Fanahy”.

Ampianaro ny fotopampianarana

Ny zavatra fahefatra ao amin’ny lisitry ny fanamarinana mila tontosaintsika mialoha ny hiaingana dia ny “Mampianatra ny fotopampianarana”, tsy hoe izay mety ho fotopampianarana izany, mazava ho azy, fa ilay fotopampianarana izay noraisin’i Jesoa Kristy avy amin’ny Rainy. Nilaza ny Mpamonjy hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ Izay naniraka Ahy.”8 Mba hanombantombanana hoe manao ahoana ny fanarahanao ny ohatra nasehony dia diniho ireto fanontaniana ireto:

  • Moa ve aho mianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy ho an’ny tenako manokana?

  • Moa ve aho mampianatra avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany?

  • Moa ve aho manampy ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary hahatakatra ireo fahamarinana ao anatin’ny soratra masina?

  • Moa ve aho mifantoka amin’ireo fahamarinana izay manorina finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Moa ve aho manampy ireo mpianatra hahita fanambarana an’ny tena manokana ao amin’ny fotopampianarana?

Amin’izao fotoampitantanana iainantsika izao dia nilaza ny Tompo hoe: “Ary omeko anareo ny didy mba hifampianaranareo ny fotopampianaran’ny fanjakana. Mampianara amin’ny fahazotoana tokoa dia homba anareo ny fahasoavako.”9

Inona no fotopampianarana tokony hampianarintsika?

Ny teny izay avy amin’ny soratra masina sy ny vavan’ireo apôstôly sy mpaminany. Izy ireo no manana ny zo sy fahefana hanazava sy hanaisotra izay manjavozavo amin’ny fotopampianarana. Ary tamin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra hatramin’izay no nanambara ny teniny, ka nanome torolalana sy fahatakarana ho an’ireo zanany.

Ny fotopampianarana fototra sy mahavonjy an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hoe i Jesoa no Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra ny rehetra. Paoly Apôstôly izay nahita sy niresaka tamin’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia nanoratra ho an’ireo Korintiana hoe: “Ampahafantariko anareo … ny filazantsara izay notoriko taminareo … fa [i Jesoa Kristy] maty noho ny fahotantsika … dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo… ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa.”10

Isika dia nodidiana mba “[h]ihazona ny tenin’ Andriamanitra, izay mailaka sy mahery, … sy hitarika ny olon’i Kristy amin’ny lalana ety sy tery … ary hametraka ny fanahiny, eny, ny fanahiny tsy mety maty eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”11

Amin’ny maha mpampianatra antsika dia tsy tokony ho menatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.12 Fa tokony hanandratra ny feontsika am-pifaliana amin’ny fampianarana ny fotopampianarany kosa eny na dia toa vato manafintohina ho an’ny sasany aza izany sy zava-poana ho an’ny hafa.13 “Fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.”14

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Ny zavatra farany ao amin’ny fanamarinana mialoha ny hiaingana izay ataontsika dia ny “[Manasa] hianatra amim-pahavitrihana.” Izy io dia fampahatsiahivana fa ny fampianarana amim-pahazotoana izay ataontsika dia mbola ny ilan’ny zavatra ilaina fotsiny. Ny ilany iray hafa, raha ny lavitra ezaka no jerena dia ilay ilany manan-danja kokoa angamba, dia ny fianarana am-pahazotoana izay ataon’ireo mpianatsika. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampiana antsika hanombantombana hoe ny fampianarantsika am-pahazotoana ve mitarika ho amin’ny fianarana am-pahazotoana sa tsia:

  • Moa ve aho manampy ireo mpianatra ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo?

  • Moa ve aho mamporisika ny mpianatra handalina ny filazantsara isan’andro?

  • Moa ve aho mamporisika ireo mpianatra mba hizara ireo fahamarinana izay ianaran’izy ireo?

  • Moa ve aho manasa ireo mpianatra hiaina ny zavatra ianaran’izy ireo?

Ny fanahintsika dia mila fahanana tsy tapaka mba ahafahantsika ho tonga ilay olon’ny fahazavana sy voninahitra satria ny ho lasa toy izany no naharian’ Andriamanitra antsika. Rehefa mandalina sy misaintsaina ireo tenin’ny mpaminanin’ Andriamanitra isika, dia misotro amin’ilay rano velona sy mivoky amin’ny tenin’i Kristy.

Tsy ampy ny hoe zara mamaky fotsiny ny teny. Mila isika mihaino azy ireny; mila isika misaintsaina sy mampiditra azy ireny ao anatintsika.15

Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay ohabolana iray izay dia toy izao: “Ampianaro ny filazantsara ny olona iray dia hitahy azy mandritra ny andro iray ianao. Ampianaro hivoky amin’ny tenin’ Andriamanitra sy hifandray amin’ny Fanahy Masina ny olona iray, dia hitahy azy mandritra ny androm-piainana manontolo ianao.”

Amin’ny alalan’io dingan’ny fitaomam-panahy sy fanambarana ho an’ny tena manokana io no hanorenantsika ny fiainantsika amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika.16 Amin’izay ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no afaka ny ho lasa “vatofantsiky ny fanahintsika.”17

Manan-danja ny mampianatra ny filazantsara. Ny mampianatra ny hafa mba hiroboka ao amin’ny vavaka sy hikatsaka ny Fanahy ary hampihatra ny zavatra nianarany dia manan-danja mitovy amin’izany koa.

Fitahiana & fampanantenaina

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ry namako malala, ry mpampianatra lalaiko sy ankamamiako, misaotra anareo aho noho ny fahatokianareo sy ny fanirianareo hanao ny tsara. Misaotra anareo noho ireo ora maro izay lanianareo hanomananareo sy hanompoanareo ary hampianaranareo ny hafa am-pifaliana momba ny filazantsara.

Manasa anareo aho mba handalina ilay torolalana vaovao hoe Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy hampiasa ny tombantomban’ny tena manokana mba hampahatsiahy anareo ny tanjonareo.

Amin’ny fihazonanareo amin’ny tenin’ Andriamanitra sy ny fampianaranareo ny hafa hanao toy izany koa, amin’ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy, dia asehontsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny olombelona namantsika. Ary rehefa mandeha eo amin’ilay lalana ety sy tery isika dia mandray anjara amin’ilay antso masina indrindra mba hametraka ny fanahintsika tsy mety maty sy ny fanahin’ny hafa ho “eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mba hiara-mitoetra amin’i Abrahama sy i Isaka ary miaraka amin’i Jakoba sy miaraka amin’ny razantsika masina rehetra, ka tsy hivoaka any ivelany intsony.”18

Andriamanitra anie hitahy anareo, ry mpampianatra namako, noho ny asa amin-kitsim-po ataonareo mba hampianatra amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Amin’ny anarana masin’ilay mpampianatra lehibe hatramin’izay, amin’ny anaran’ilay Mpampianatra antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.