Fampitana ho an’ny S&I
Mpampianatra mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy


Mpampianatra mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy iarahana amin’ny Loholona Uchtdorf

Alahady, 12 jona 2022

Chad Strang: Amin’ny maha-ray ahy dia mihevitra aho fa iray amin’ireo andraikitra manan-danja indrindra ananako ny mampianatra ireo zanako izay mbola zatovo hamantatra ireo fahamarinana sy fotopampianarana izay hita ao amin’ny soratra masina ka mifandray amin’izy ireo manokana eo amin’ny fiainany sy ny toe-javatra iainany. Ary izany dia tena lesona fianarana nanan-danja ho ahy—ny fahafantarana ny Fanahy sy ny fifandraisana amin’izy ireo mba hahafantarana ny zavatra ilainy, fa ny tena zava-dehibe dia ny manampy azy ireo hahita fitiavana ny soratra masina sy hahatakatra fa ny fotopampianarana dia azo oharina amin’ny fiainan’izy ireo.

Roberta Luz Pavanelo [teny ambara miseho an-tsoratra]: Mpampianatra seminera avy any brezila aho. Tamin’ny izaho nanomboka nampianatra seminera dia naniry mafy ny ho mpampianatra mahay, ary tena tiako ny mpianatro mba hianatra ny zava-drehetra nampianariko. Noho izany dia nieritreritra fomba isan-karazany hampianarana aho: lahateny, horonan-tsary samihafa, filalaovana kilalao. Ary indray mandeha dia nanao vavaka fanokafana ny mpianatra iray ary nangataka izy mba hahatsapany ny Fanahy mandritra ny fotoam-pianarana. Ary fantatro fa tena zavatra mazava ho azy izany, sa tsy izany? Henontsika foana izany, saingy tamin’izay fotoana izay dia nanova ny eritreritro ilay vavaka, ary nieritreritra aho hoe: “Izany no zavatra ilain’ny mpianatra. Eto izy ireo mba hahatsapa ny Fanahy.”

Tyler Harris: Mpampianatra ao amin’ny Kilonga aho. Manana kilasy lehibe aho. Manana ankizy sasany izay manana filana manokana izahay, ary, soa ihany, fa nahazo fiofanana tsara avy tamin’ny filohan’ny Kilonganay izahay, ary nampianatra anay izy fa tsy mitovy ny fomba ianaran’ny ankizy tsirairay ary ny olona sasany dia miantehitra amin’ny fikasihana zavatra ka mila mihazona zavatra na manao zavatra. Ny olona sasany dia tena mila mianatra amin’ny alalan’ny fijerena zavatra sy ny zavatra sahala amin’izany. Noho izany, izahay telo mirahalahy izay hany lehilahy ao an-dakilasy dia miezaka tokoa mivavaka momba izany ary mieritreritra ny fomba ahafahantsika misintona ny fifantohan’ireo zanatsika izay tsy liana mba hankany amin’ny zavatra izay tena azon’izy ireo ianarana momba ny Mpamonjy sy ianarany momba ireo zavatra izay hanampy azy ireo handray anjara ao an-dakilasy. Ary vao avy nanana traikefa tsara niaraka tamin’ireo ankizy ireo izahay mba hahafahana manana lesona tena mampandray anjara.

Kaion Constantino [teny ambara miseho an-tsoratra]: Avy any brezila aho ary mpampianatra institiota. Indray andro izay tsy maintsy nanao ny kilasy an-jotra izahay tao amin’ny kilasin’ny institiota nandritra ny valanaretina. Ary nanasa ny rehetra aho, saingy, na izany aza, mpianatra iray ihany no nipoitra. Ary nanana fanontaniana be dia be ilay mpianatra satria mpikambana vaovao izy. Ary tamin’io andro io, rehefa nihaino ny fitaoman’ny Fanahy aho, dia afaka nanampy sy namaha ny maro tamin’ireo fanontaniany. Tena faly aho satria miomana hanao asa fitoriana izy amin’izao fotoana izao.

Sina Khoza: Vao haingana aho no nomena andraikitra hiresaka momba ny vanim-potoana iray tena sarotra teo amin’ny fiainako, izay fotoana feno alahelo. Ary ny fomba nitondrako an’io andraikitra hanao lahateny io dia tamin’ny fifantohana tamin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Nieritreritra ny amin’ireo fotoan-tsarotra maro nolalovan’ny Mpamonjy sy ny fomba nitondrany azy ireo aho. Tsapako fa, tamin’ny alalan’ny fifantohana Taminy sy ny fomba niatrehany ireo toe-javatra niainako manokana ireo, ny zavatra rehetra izay nolalovako dia nitondra soa ho ahy tokoa. Ary tsapako fa izany rehetra izany dia ampahany avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana iray, izay tia antsika ary manao izany amin’ny fomba tonga lafatra, na inona na inona zavatra lalovantsika.

Lori Newbold: Tamin’ny fampianarako dia lasa nangataka ohatra misimisy kokoa aho. Nahita fifandraisana aho rehefa niresaka momba ny fotopampianarana iray izahay, ary avy eo dia nangataka ny zatovovavy aho mba hikatsaka fifandraisana. Ary ohatra iray ny zatovovavy iray izay vao nanontaniako, ohatra hoe: “Aiza no ahitanao ny Mpamonjy amin’ny fanasan’ny Tompo?” Ary vao avy niresaka momba ny fanasan’ny Tompo izahay, ary izy tonga dia—tonga saina tampoka rehefa niresaka momba izany—fa rehefa mijery ny latabatry ny fanasan’ny Tompo isika dia mijery ny vatany. Ary vao haingana izy no nanana izao fotoana izao izay na dia 17 taona aza izy, dia tsy mbola nampifandraisiny tamin’ny Mpamonjy izany. Ary noho izany fotsiny, ho ahy manokana ny fiomanana tamin’izany fomba izany, dia nanomboka nahita Azy bebe kokoa aho, ary nandeha ho azy avy tamiko izany.

Pandu Prasetyo: Fony aho mbola nanao asa fitoriana dia nianatra ny fomba hivononana mandrakariva hihaino ny bitsika ara-panahin’ny Fanahy aho. Rehefa niezaka nihaino ny feon’ny Fanahy aho dia nanampy ahy hahatakatra ny naman’ny Fiangonana izany ary nanampy tamin’ny fampianarana azy ireo araka ny Fanahy.

Tania M Diaz De Recio [teny ambara miseho an-tsoratra]:

Amin’ny maha-rahavavy mpanompo ahy, rehefa mivavaka ho an’ny tsirairay amin’ireo rahavaviko nanendrena ahy izay tokony hotompoiko aho dia afaka mahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho azy ireo. Ary izaho ihany koa dia afaka mahatsapa ny fitiavana izay ananan’ny Mpamonjy.

Alex Munoz [teny ambara miseho an-tsoratra]: Miezaka hatrany izahay hifantoka amin’i Jesoa Kristy, ary nahatsikaritra aho fa rehefa manao ezaka isika mba hampifantoka ny mpianatra amin’i Jesoa Kristy, amin’ny tandindony, amin’ny—ary ireo tandindona izay hitantsika ao amin’ny soratra masina izay maneho Azy, izany dia mahatonga ireo mpianatra hikaroka an-tsitrapo an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina sy ny fomba iantefan’izany amin’ny fiainan’izy ireo.

Nuria Munoz: Manana zanakavavy efa lehibe roa izahay izay mandray anjara betsaka amin’ny fandalinanay ny Avia, hanaraka Any, saingy somary saro-kenatra ny zanakay vavy fahatelo ary tsy dia nizara firy. Hitako nandritra ny herinandro fa nataony sary ny zavatra izay nifanakalozanay hevitra, ary nieritreritra aho fa fomba mahafinaritra hanampiana azy hahatsapa fa afaka mandray anjara izany. Koa nanasa azy aho mba hizara taminay ireo sary ireo, ary isan-kerinandro dia nanana sary vaovao momba ny zava-drehetra noresahinay izy. Ary avy eo dia nanomboka nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany niaraka tamin’ireo sary ireo izy ary nanoratra izany. Ary izany dia fomba iray tena tsara hanampiana azy hahatsapa ho sarobidy sy afaka handray anjara amin’ireo zavatra noresahinay ary tena nanampy anay rehetra hampivelatra ny fijoroana ho vavolombelona anananay.

Paola Segastume de Orellana [teny ambara miseho an-tsoratra]: Nampianatra antsika hitia ny mpianatsika rehetra ny Mpamonjy. Noho izany dia tena tiako ny liana amin’ny fahaizan’izy ireo manokana, amin’ny hetsika ataon’izy ireo any ivelan’ny Fiangonana. Tena tiako koa ny liana amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’izy ireo, ny mianatra tsara ny anaran’izy ireo, mba hahafahana mifandray amin’izy ireo amin’ny maha-olona miavaka azy ireo. Amin’ny maha-zanaka miavaka an’ny Ray any An-danitra azy ireo dia miraharaha azy ireo aho. Raha tsy tonga ao an-dakilasy ny iray amin’izy ireo dia ny tenako mihitsy no mitady azy ireo, ary fantatro foana ny tsirairay amin’izy ireo.

Woodly LaFord: Amin’ny maha-eveka ahy dia miara-miasa betsaka amin’ny zatovo aho, ary mino aho fa ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo dia ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy. Ary manao izany aho amin’ny fampiasana ilay fandaharanasa fivoaran’ny tena manokana izay natao ho an’ny zatovo rehetra. Manana zatovolahy iray izay tsy nanatrika seminera aho, ary nieritreritra aho fa tena hanampy azy ny fanampiana azy hahatakatra ny filana ho tonga tahaka an’i Jesoa. Noho izany dia nikarakara hetsika momba ny fivoaran’ny tena manokana izahay. Ary taorian’io fiaraha-mientana io dia tonga nanatrika seminera tsy tapaka izy. Noho izany dia takatro fa raha tiantsika hitombo ara-panahy sy ara-nofo ny zatovo dia afaka manampy azy ireo hifantoka amin’ny fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa isika.

Edwin Ramirez Guzman [teny ambara miseho an-tsoratra]: Manao ahoana. Izaho dia mpampianatra ao amin’ny Kilonga. Mampianatra ankizy kely aho. Avy any Goatemalà aho. Samy hafa avokoa izy ireo, ary indraindray ny sasany amin’izy ireo dia tena mavitrika be ka tsy mahatombina.

Ary tsapako ny fomba tian’i Jesoa Kristy hampianarana ny tsirairay amin’ny fomba izay miavaka ho azy ireo. Ary tsaroako ny fotoana iray nisian’ny ankizy iray tena tsy nahatombina mihitsy. Tena zazalahy kely navitrika be izy ka afaka nanasa azy ho mpanampy ahy tao an-dakilasy aho. Noho izany dia nararaotiko izany tanjany izany mba hahafahana mampianatra ny ankizy hafa. Ary amin’izany fomba izany no ahafantarako fa i Jesoa Kristy dia miaraka amintsika tsirairay avy; mampianatra antsika amin’ny fomba voafaritra tsara Izy mba hahafahantsika mianatra. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy sy ny Raintsika any An-danitra dia tia antsika tsirairay avy. Ary afaka mahatsapa izany isika rehefa mizara ny filazantsarany.