Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Jaona 1


DJS, Jaona 1:1–34. Ampitahao amin’ny Jaona 1:1–34

Efa notoriana hatrany am-piandohana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. I Jaona Mpanao Batisa no ilay Elià nanomana ny lalana ho an’i Kristy, ary i Jesoa Kristy no ilay Elià izay hamerina ny zava-drehetra ho amin’ny laoniny ary amin’ny alalany no hahatongavan’ny famonjena.

1 Tany am-piandohana dia notorina tamin’ny alalan’ny Zanaka ny filazantsara. Ary ny filazantsara dia ny teny, ary ny teny dia niaraka tamin’ny Zanaka, ary ny Zanaka niaraka tamin’ Andriamanitra, ary ny Zanaka dia avy amin’ Andriamanitra.

2 Izy dia niaraka tamin’ Andriamanitra tany am-piandohana.

3 Ny zavatra rehetra dia natao tamin’ny alalany; ary raha tsy Izy dia tsy nisy na inona na inona natao ka hary.

4 Tao aminy ny filazantsara, ary ny filazantsara no fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona;

5 Ary mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao ny fahazavana, ary izao tontolo izao tsy nahatakatra azy.

6 Nisy lehilahy nirahan’ Andriamanitra, i Jaona no anarany.

7 Tonga teto amin’izao tontolo izao izy hijoro ho vavolombelona, ho vavolombelona hanambara ny hazavana, ho vavolombelona hanambara ny filazantsara amin’ny rehetra amin’ny alalan’ny Zanaka, mba ho amin’ny alalany no hahazoan’ny olona mino.

8 Tsy ilay fahazavana izy, saingy tonga mba ho vavolombelona hanambara ilay fahazavana,

9 Dia ilay fahazavana marina, izay manazava ny olona tsirairay izay tonga eto amin’izao tontolo izao;

10 Dia ny Zanak’ Andriamanitra. Izy izay teto amin’izao tontolo izao, ary izao tontolo izao dia natao tamin’ny alalany, ary izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

11 Tonga tany amin’ny azy Izy, ary ny azy tsy nandray Azy.

12 Fa izay rehetra nandray Azy, ireo no nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra; ireo izay mino ny anarany ihany.

13 Nateraka Izy, tsy tamin’ny ra, na tamin’ny sitrapon’ny nofo, na tamin’ny sitrapon’ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.

14 Ary ny teny tonga nofo ka nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny, ny voninahitra toy ny an’ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana.

15 Jaona dia vavolombelona nanambara Azy ka niantso nanao hoe: Ity no Izy izay nolazaiko; Izy no avy ao aoriako; izay efa tiana kokoa noho izaho; satria talohako Izy.

16 Fa tany am-piandohana ny Teny, dia ny Zanaka, izay tonga nofo, ary nirahin’ny sitrapon’ny Ray ho amintsika. Ary izay rehetra mino ny anarany dia handray amin’ny fahafenoany. Ary tamin’ny fahafenoany no efa nandraisantsika rehetra, dia tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay tamin’ny alalan’ny fahasoavany.

17 Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fiainana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

18 Fa ny lalàna dia araka ny didy momba ny nofo ka miafara amin’ny fahafatesana; fa ny filazantsara kosa dia araka ny herin’ny fiainana tsisy fiafarany, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahitokana izay eo an-tratran’ny Ray.

19 Ary tsy nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana afa-tsy izay vavolombelona nanambara ny Zanaka; fa raha tsy tamin’ny alalany, dia tsy hisy olona azo vonjena.

20 Ary izao no tenivavolombelon’i Jaona rehefa nirahin’ny Jiosy ireo mpisorona sy ny Levita avy tany Jerosalema hanontany azy hoe: Iza moa ianao?

21 Dia niaiky izy sady tsy nandà fa izy no Elià; saingy niaiky izy nanao hoe: Tsy izaho no Kristy.

22 Ary izy ireo nanontany azy nanao hoe: Ahoana àry no maha-Elià anao? Ary hoy izy: Tsy izaho ilay Elià izay tokony hamerina ny zava-drehetra ho amin’ny laoniny. Ary izy ireo nanontany azy nanao hoe: Ianao àry ve ilay mpaminany? Ary namaly izy hoe: Tsia.

23 Dia hoy izy ireo taminy: Iza àry ianao? Mba hahazoanay manome valin-teny ho an’ireo izay naniraka anay. Inona no lazainao momba ny tenanao?

24 Hoy izy: Izaho no feon’ilay miantso any an’efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’ny Tompo araka ny tenin’i Isaia mpaminany.

25 Ary ireo izay nirahana dia avy tamin’ny Fariseo.

26 Ary ireo nanontany azy ary nanao taminy hoe: Nahoana àry ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia izay tokony hamerina ny zava-drehetra amin’ny laoniny, no sady tsy ilay mpaminany?

27 Namaly azy ireo i Jaona nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ny rano, fa misy anankiray mijoro eo anivonareo, izay tsy fantatrareo;

28 Izy ilay ijoroako ho vavolombelona. Izy ilay mpaminany, dia i Elia, izay avy ao aoriako sady tiana kokoa noho izaho, ka tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho, ary tsy ho haiko soloana ny toerany; fa tsy hanao batisa amin’ny rano fotsiny Izy fa amin’ny afo koa sy amin’ny Fanahy Masina.

29 Nony ampitso dia hitan’i Jaona tamy nanatona azy i Jesoa, ary hoy izy: Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!

30 Ary i Jaona dia vavolombelona nanambara Azy tamin’ny olona, nanao hoe: Ity no Izy izay nolazaiko; avy ao aoriako ilay lehilahy izay tiana kokoa noho izaho; fa talohako Izy, ary nahalala Azy aho fa tsy maintsy aseho amin’ny Isiraely Izy; koa tonga aho hanao batisa amin’ny rano.

31 Ary i Jaona dia vavolombelona nanambara, nanao hoe: Nony efa vitako batisa Izy, dia hitako ny Fanahy nidina avy any an-danitra tahaka ny voromahailala ary nitoetra teo amboniny.

32 Ary izaho nahalala Azy; fa ilay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nanao tamiko hoe: Eo amin’izay ho hitanao hidinan’ny Fanahy ka hitoerany eo aminy, dia Izy ilay manao batisa amin’ny Fanahy Masina.

33 Dia nahita aho ary vavolombelona nanambara fa ity no Zanak’ Andriamanitra.

34 Ireo zavatra ireo dia vita teo Betabara, eny andafin’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa.

DJS, Jaona 1:42. Ampitahao amin’ny Jaona 1:42

(Kefasy dia midika hoe “mpahita” na “vato.”)

42 Dia nitondra azy ho eo amin’i Jesoa izy. Ary nony nijery azy i Jesoa, dia hoy Izy: Ianao no Simona, zanak’i Jona, hantsoina hoe Kefasy ianao, izany hoe, mpahita, na vato, raha adika. Ary mpanarato izy ireo. Dia nandao ny zavany rehetra niaraka tamin’izay izy ireo ary nanaraka an’i Jesoa.