Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 9


DJS, Genesisy 9:4–6. Ampitahao amin’ny Genesisy 8:20–22

Taorian’ny safodrano dia nangataka ny Tompo i Noa mba tsy hanozona ny tany intsony.

4 Ary nanorina alitara ho an’ny Tompo i Noa, dia nalainy ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra, ka nanatitra fanatitra ho dorana teo amin’ny alitara izy ary nanolotra fisaorana ny Tompo sy nifaly tao am-pony.

5 Ary ny Tompo niresaka tamin’i Noa ka nitsodrano azy. Ary nandre fofona manitra i Noa ka niteny tao am-pony izy hoe:

6 Hiantso ny anaran’ny Tompo aho mba tsy hanozonany ny tany intsony noho ny nataon’ny olona, satria ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy efa hatrany amin’ny fahazazany, ary mba tsy handringanany ny zava-mananaina rehetra intsony tahaka ny nataony raha mbola maharitra koa ny tany.

DJS, Genesisy 9:10–15. Ampitahao amin’ny Genesisy 9: 4–9

Ny olona dia hampamoahina amin’ny fandatsahana ny ran’ny biby sy ny an’ny olona. Ilay fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Enoka ihany no napetrany niaraka tamin’i Noa sy ireo zanakalahiny.

10 Fa ny ran’ny nofo rehetra izay efa nomeko anareo ho fihinana dia halatsaka amin’ny tany, izay manaisotra ny ainy, ary ny ra dia tsy hohaninareo.

11 Ary marina tokoa fa tsy tokony halatsaka ny ra afa-tsy amin’ny hanina mba hamonjy ny ainareo; ary ny ran’ny bibidia rehetra dia hadiniko eo an-tananareo.

12 Ary na zovy na zovy no mandatsaka ny ran’ny olona dia olona kosa no handatsaka ny rany; fa ny olona dia tsy tokony handatsaka ran’olona.

13 Fa didy no omeko fa ny rahalahin’ny olona tsirairay dia tokony hitsimbina ny ain’ny olona satria tahaka ny endriko no efa nanaovako ny olona.

14 Ary didy no omeko anareo, maroa fara sy mihabetsaha; miteraha maro eny ambonin’ny tany ka mihabetsaha eny.

15 Ary niteny tamin’i Noa sy tamin’ny zanakalahiny izay niaraka taminy Andriamanitra nanao hoe: Ary Izaho, indro Izaho hanorina ny fanekempihavanako aminareo, izay nataoko tamin’i Enoka rainareo momba ny taranakareo mandimby anareo.

DJS, Genesisy 9:21–25. Ampitahao amin’ny Genesisy 9:16–17

Napetrak’ Andriamanitra teny amin’ny lanitra ny avana ho fampahatsiahivana ny fanekempihavanany tamin’i Enoka sy tamin’i Noa. Amin’ny andro farany, ny fivoriam-ben’ny Fiangonan’ny Lahimatoa dia hitambatra amin’ny marina eto an-tany.

21 Ary ho eny amin’ny rahona ny avana; dia hitsinjo izany Aho mba hahatsiarovako ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay nataoko tamin’i Enoka rainao; ka rehefa mitandrina ny didiko rehetra ny olona, dia ho tonga indray eto an-tany i Ziona, ilay tanànan’i Enoka izay efa nalaiko ho any Amiko.

22 Ary izao no fanekempihavanako maharitra mandrakizay, fa rehefa manaiky ny fahamarinana ny taranakao ary hiandrandra, dia hitsinjo i Ziona ka ny lanitra rehetra dia hihararetram-pifaliana ary ny tany hihovitrovi-piravoravoana;

23 Ary ny fivoriamben’ny fiangonan’ny lahimatoa dia hidina avy any an-danitra sy hizaka ny tany ary hitoetra eo ambara-pahatongan’ny farany. Ary izany no fanekempihavanako maharitra mandrakizay izay nataoko tamin’i Enoka rainao.

24 Ary ho eny amin’ny rahona ny avana, ary Izaho hanorina ny fanekempihavanako aminao, izay efa nataoko tamiko sy taminao ho an’ny zava-mananaina rehetra, dia ny nofo rehetra izay hisy ambonin’ny tany.

25 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Izao no famantarana ny fanekempihavanana izay efa naoriko ho Amiko sy ho aminao; ho an’ny nofo rehetra izay hisy eto an-tany.