Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Genesisy 17


DJS, Genesisy 17:3–12. Ampitahao amin’ny Genesisy 17:3–12

Tsy nahatandrina ireo ôrdônansin’ny filazantsara ny olona, anisan’izany ny batisa. Nohazavain’ Andriamanitra tamin’i Abrahama ny fanekempihavanan’ny famorana sy ny taona hahatongavan’ny ankizy ho tompon’andraikitra.

3 Ary ny zava-nitranga dia niankohoka tamin’ny tany i Abrama ary niantso ny anaran’ny Tompo.

4 Ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe: Efa naniasia niala tamin’ny fitsipiko ny vahoakako ary tsy nitandrina ny ôrdônansiko izay efa nomeko ny rainy;

5 Ary izy ireo dia tsy nitandrina ny fanosorako sy ny fandevenana na ny batisa izay nandidiako azy ireo;

6 Fa efa niala tamin’ny didy kosa ka naka ho an’ny tenany ny fanasana ankizy sy ny famafazana ra;

7 Ary efa nilaza fa ny ran’i Abela ilay marina dia nalatsaka noho ny fahotana; ary tsy nahafantatra ny fomba izay maha-tompon’andraikitra azy ireo eo anoloako.

8 Fa raha ny aminao, dia indro, hanao ny fanekempihavanako aminao Aho, ary ho rain’ny firenena maro ianao.

9 Ary izao fanekempihavanana izao no ataoko, dia ny mba hahafantarana ny zanakao manerana ny firenena rehetra. Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao, fa hatao hoe Abrahama; satria efa nataoko ho rain’ny firenena maro ianao.

10 Dia hahamaro indrindra ny taranakao Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao, ary mpanjaka maro no hivoaka avy aminao sy avy amin’ny taranakao.

11 Ary haoriko eo aminao ny fanekempihavanan’ny famorana, ary izany dia ho fanekempihavanako ho Amiko sy ho aminao, ary ny taranaka mandimby anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby, mba hahafantaranareo mandrakizay fa ny ankizy dia tsy tompon’andraikitra eo anoloako raha tsy efa feno valo taona.

12 Ary hoezahinao ny hitandrina ny fanekempihavanako rehetra izay nifanekeko tamin’ny rainao; ary hotandremanao ireo didy izay efa nomeko anao teo am-bavako, ary Izaho dia Andriamanitra ho anao sy ny taranakao mandimby anao.

DJS, Genesisy 17:23–24. Ampitahao amin’ny Genesisy 17:17–18

Nifaly tamin’ny faminaniana momba ny fahaterahan’i Isaka i Abrahama ary nivavaka ho an’i Isimaela.

23 Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama ka nifaly ary nanao anankampo hoe: Hisy zaza haterak’ilay efa zato taona, ary i Saraha izay efa sivifolo taona dia hitondra vohoka.

24 Ary hoy i Abrahama tamin’ Andriamanitra: Enga anie i Isimaela ka hiaina amim-pahitsiana eo anatrehanao!