Mampianatra ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna fa ny fanambadiana olon-tokana no fenitry ny fanambadiana ho an’ Andriamanitra raha tsy hoe manao fanambarana hafa izy (jereo ny 2 Samoela 12:7–8 sy ny Jakôba 2:27, 30). Taorian’ny fanambarana ho an’i Joseph Smith, dia nampidirina teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana ny fampakarana vady maro taona vitsy taorian’ny 1840 (jereo ny fizarana 132). Nanomboka tamin’ny taona 1860 ka hatramin’ireo taona vitsy taorian’ny taona 1880 dia nandany lalàna maro ny fitondram-panjakana tany Etazonia mba handrarana io fomba fanao ara-pivavahana io. Neken’ny Fitsarana Avon’i Etazonia ireo lalàna ireo tamin’ny farany. Rehefa avy nandray fanambarana ny Filoha Wilford Woodruff dia namoaka izao fanehoan-kevitra an-tsoratra manaraka izao izay neken’ny Fiangonana ho zavatra ôfisialy sy tsy maintsy hajaina tamin’ny 6 ôktôbra 1890. Izany no nitarika tany amin’ny fiafaran’ny fampakarana vady maro tao amin’ny Fiangonana.