Ny soratra masina
Jarôma 1


Ny bokin’i Jarôma

Toko 1

Nitandrina ny lalàn’i Mosesy ny Nefita sady niandrandra ny fiavian’i Kristy ka niroborobo teo amin’ny tany—Nifofotra ny mpaminany marobe mba hitana ny olona amin’ny lalan’ny fahamarinana. Tokony ho 399–361 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny, indro izaho Jarôma no manoratra teny vitsivitsy araka ny didin’i Enôsa raiko mba hahazoana mitahiry ny tetiaranay.

2 Ary satria kely ireto takelaka ireto ary satria itony zavatra itony dia soratana ka ny fikasana dia ny hahasoa ny Lamanita rahalahinay, noho izany, dia tsy maintsy ilaina ny hanoratako fohy; saingy tsy hanoratra ny zavatry ny faminaniako aho na koa ny amin’ny fanambarako. Fa inona moa no mbola azoko soratana mihoatra noho izay efa nosoratan’ny razako? Fa moa tsy efa nanambara ny drafitry ny famonjena va izy ireo? Lazaiko aminareo, Eny; ary ampy ho ahy izay.

3 Indro, ilaina ny tokony hanaovana zavatra betsaka eo anivon’ity vahoaka ity noho ny hamafin’ny fony sy ny fahadontoan’ny sofiny ary ny fahajamban’ny sainy sy ny fihenjanan’ny hatony; kanefa feno fiantrana azy fatratra tokoa Andriamanitra ary tsy mbola nandringana azy tambonin’ny tany.

4 Ary misy maro aminy no manana fanambarana maro, fa tsy mafy hatoka avokoa akory izy ireo. Ary izay rehetra tsy mafy hatoka nefa manam-pinoana no manana firaisana amin’ny Fanahy Masina, izay miseho amin’ny zanak’olombelona, araka ny finoany.

5 Ary ankehitriny, indro roanjato taona no efa lasana ary efa nihanahery tamin’ny tany ny vahoakan’i Nefia. Niezaka ny hitandrina ny lalàn’i Mosesy sy ny andro Sabata ho Masina ho an’ny Tompo izy. Ary tsy nametaveta izy; sady tsy nanevateva. Ary henjana izaitsizy tokoa ny lalàn’ny tany.

6 Ary niely patrana be tambonin’ny tany izy, ary koa ny Lamanita. Ary izy dia tena maro izaitsizy tokoa noho ny Nefita; ary tia mamono olona sy misotro ny ran’ny biby izy.

7 Ary ny zava-nitranga dia imbetsaka izy no tonga niady taminy Nefita. Saingy ny mpanjakanay sy ny mpitondra anay dia lehilahy mahery tamin’ny finoana ny Tompo; ary nampianariny ny vahoaka ny lalan’ny Tompo; noho izany izahay dia nahatohitra ny Lamanita sy nifaoka azy hiala ny taninay ary nanomboka nanamafy ny tanànanay na izay rehetra toerana lovanay.

8 Ary nitombo isa fatratra tokoa izahay ary niely patrana tambonin’ny tany sy nanjary mpanefoefo izaitsizy tokoa tamin’ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy sy ny taozavatra voakaly tamin’ny hazo, ny tao-trano sy ny milina, ary koa tamin’ny vy sy ny varahinamena ary ny varahina sy ny tsy, nanamboatra izay rehetra mety ho fitaovana isan-karazany mba hiasana ny tany ary ny fitaovam-piadiana—eny, ny loha maranitry ny zana-tsipika sy ny tranon-jana-tsipika, ary ny longy sy ny lefompohy, ary ny fiomanana rehetra ho amin’ny ady.

9 Ary dia toy izany no fiomananay hifanandrina amin’ny Lamanita, ka tsy nahomby taminy izy. Fa nohamarinina kosa ny tenin’ny Tompo izay nolazainy tamin’ny razanay, manao hoe: Arakaraka ny hitandremanareo ny didiko no hiroboroboanareo eo amin’ny tany.

10 Ary ny zava-nitranga dia nampitandrina ny vahoakan’i Nefia ny mpamin’nyn’ny Tompo, araka ny tenin’ Andriamanitra, fa raha tsy mitandrina ny didy izy, fa ho lavo ao amin’ny fandikan-dalàna kosa, dia hofongorana teo ambonin’ny tany.

11 Koa, ny mpaminany sy ny mpisorona ary ny mpampianatra dia niasa tamim-pahazotoana tokoa, namporisika ny vahoaka tamin’ny fahari-po rehetra ho amin’ny fahazotoana; nampianatra ny lalàn’i Mosesy sy ny antony izay nanomezana izany; nandresy lahatra azy mba hiandrandra ny Mesia sy hino Azy izay ho avy, ho toy ny efa tonga sahady. Ary dia toy izany no fomba nampianarany azy.

12 Ary ny zava-nitranga dia tamin’ny fanaovany izany no nitsimbinany azy tsy ho fongana tambonin’ny tany; fa notsindrontsindroniny tamin’ny teny ny fony mba hanairana azy lalandava ho amin’ny fibebahana.

13 Ary ny zava-nitranga dia valo amby telopolo sy roanjato taona no efa lasana—tao anatin’ny ady sy fifandirana ary tsy fifanarahana ny ampahany betsaka tamin’ny fotoana.

14 Ary izaho Jarôma dia tsy manoratra misimisy kokoa, satria kely ny takelaka. Nefa indro, ry rahalahiko, afaka mizaha ireo takelak’i Nefia hafa ianareo; fa indro, efa voasokitra amin’ireny ny rakitsoratra mikasika ny adinay, araka ny soratr’ireo mpanjaka, na ireo izay nasainy nosoratana.

15 Ary manolotra ireto takelaka ireto ho eo an-tànan’i Ômnia zanako lahy aho, mba hahazoana mitahiry azy ireo araka ny didin’ny razako.