Ny soratra masina
Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Hevitra handalinana soratra masina (2021)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Hevitra handalinana soratra masina

Sary
vehivavy iray mandalina ny soratra masina

Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina

Ireto misy fomba tsotra vitsivitsy hanatsarana ny fandalinanao ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina.

Mivavaha mba hahazoana fitaomam-panahy

Ny soratra masina dia ahitana ny tenin’ Andriamanitra. Eo am-pandalinanao izany dia mangataha fitarihana avy amin’ny Rainao any An-danitra ary raiso ny Fanahiny mba hanampiana anao hahatakatra izany.

Mitadiava fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy

Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelon’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4; Mosesy 6:63), koa tadiavo Izy ao amin’ireo zava-niseho sy tantara ary fampianarana ao amin’ny soratra masina. Hevero ny handraisana an-tsoratra na hanisiana marika ireo andininy izay mampianatra momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanarahana Azy.

Mitadiava teny sy andian-teny manentana ny fanahy

Mety hahita ianao fa misy teny na andian-teny sasany ao amin’ny soratra masina izay manaitra anao, toy ireny hoe nosoratana manokana ho anao ireny. Mety ho tena misy lanjany ho anao manokana sy manentana ny fanahy ary mandrisika anao izany. Hevero ny hanisiana marika azy ireny ao amin’ny soratra masinao na soraty ao anaty diary fandalinana izany.

Mitadiava fahamarinana ao amin’ny filazantsara

Indraindray ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara (izay antsoina matetika hoe fotopampianarana na fitsipika) dia voalaza mivantana, ary indraindray izy ireny dia sintonina avy amin’ny alalan’ny ohatra na tantara. Manontania tena hoe: “Inona no fahamarinan’ny filazatsara izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?”

Henoy ny Fanahy

Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao na dia toa tsy misy hidirany amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena zavatra tian’ny Ray any An-danitra ianaranao sy ho tsapanao.

Sary
vehivavy iray mandalina ny soratra masina 2

Ampiharo amin’ny fiainanao ny soratra masina

Eritrereto ny fomba fiantefan’ireo tantara sy fampianarana vakinao eo amin’ny fiainanao. Ohatra, afaka manontany tena ianao hoe: “Inona no zavatra efa niainako ka mitovitovy amin’ny zavatra izay vakiko?” na “Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra asehon’ity olona ao amin’ny soratra masina ity?”

Mametraha fanontaniana

Ny fametrahana fanontaniana mikasika ny filazantsara dia afaka manampy anao hanapa-kevitra amin’izay ho halalininao. Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana ihany koa tonga ao an-tsaina. Ireny fanontaniana ireny dia mety mifandray amin’ny zavatra vakinao na amin’ny fiainanao amin’ny ankapobeny. Saintsaino ireo fanontaniana ireo ary mitadiava valiny rehefa manohy mandalina ny soratra masina ianao. Rehefa avy mandalina ianao dia anontanio hoe inona koa no tian’ Andriamanitra hianaranao ary mikatsaha valiny mandritra ireo ora sy andro aorian’izany.

Ampiasao ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina

Mba hahazoana hevitra fanampiny amin’ireo andininy izay vakinao dia ampiasao ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ary ireo fanampiana hafa ho an’ny fandalinana.

Jereo ny sahan-kevitry ny soratra masina

Afaka mahita hevi-baovao manan-danja ianao momba ny soratra masina iray raha jerenao ny sahan-kevitr’izany, izany hoe ireo toe-javatra sy toerana nitrangan’ilay soratra masina. Ohatra, afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra tian’ireo teny ambara ny fahafantarana ny foto-piaviana sy ny finoan’ny vahoaka noresahan’ny mpaminany iray.

Sary
lehilahy iray mandalina ny soratra masina

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao

Misy fomba maro azo hiraketana ireo fahatsapana tonga mandritra ny fandalinanao. Ohatra, afaka manisy marika teny na andian-teny manan-danja ianao ka manoratra ny eritreritrao mba ho fanamarihana ao amin’ny soratra masinao. Afaka mampiasa diary ihany koa ianao hiraketana ireo hevi-baovao sy fahatsapana ary eritreritra tonga ao aminao. Na azonao raketina ilay fanontaniana napetrakao mialohan’ny fandalinanao ary ampanaraho izany ny valim-panontaniana nitarihana anao.

Alalino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany

Vakio ireo zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany mikasika ireo fitsipika hitanao ao amin’ny soratra masina. Azonao vakina ao amin’ny “Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany,” “Gazetiboky,” sy ao amin’ireo boky hafa ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile ny hafatr’izy ireo.

Vakio ireo tantara

Vakio ireo tantara ao amin’ny soratra masina ary ezaho takarina ny votoatin’izany (fotoana, toerana, mpitantara ary ny olona hiantefan’izany) Ireo soratra masina natao tantara an-tsary dia loharano tena tsara ho an’izany indrindra ho an’ireo ankizy sy mpikambana izay tsy mbola mahafantatra loatra ireo soratra masina.

Mizarà hevi-baovao

Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo hevi-baovao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia fomba tsara hampianarana ny hafa ary manampy amin’ny fanamafisana orina ny fahatakaranao ny zavatra novakinao.

Iaino izay ianaranao

Ny fandalinana soratra masina dia afaka manentana antsika sy mitarika antsika hanova ny fomba fiainantsika. Henoy ny zavatra asain’ny Fanahy hataonao rehefa mamaky ianao, ary avy eo dia manolora tena hanao zavatra araka izany bitsika izany.