Seminera
Romana 7–16


Romana 7–16

Topimaso ankapobeny

Tao amin’ny taratasy iray ho an’ireo Olomasina tao Roma i Paoly dia nanamafy ny maha- zava-dehibe ny firaisan-kinan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Nampianatra ihany koa izy momba ny fandresena ny fitaoman’izao tontolo izao sy ny toetra amin’ny maha-olona lavo antsika, ny fitiavan’ Andriamanitra izay tsy miova, ary ireo fitahiana izay mety ho azontsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy rehefa manaraka Azy amim-pahatokiana sy mandeha araka ny Fanahy isika.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Romana 7–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hampihatra finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy mba hanoheran’izy ireo ny fahalemeny.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Romana 7:14, 18–19, 24–25, miaraka amin’ny 2 Nefia 4:17–20, 26–32. Angataho izy ireo mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny fomba nahafahan’ity andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ity nanampy na nanazava ny fahatakarany ny zavatra izay nampianarina tao amin’ny Romana 7. Ampahatsiahivo ihany koa ireo mpianatra mba hitondra tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo manokana ao an-dakilasy.

  • Tabilao: Asehoy ny tabilao izay hita ao amin’ny lesona misy ny andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Romana sy Bokin’i Môrmôna.

Romana 8:1–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra mba hampitombo ny fanirian’izy ireo hanaraka ny Fanahy sy handray izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:55–70 ary ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny antony izay hitiavany handray ireo fitahiana voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Zavatra aseho: Miomàna hampiseho ireo rafi-tantara telo izay hita any amin’ny faran’ny lesona sy ireo torolalana manaraka ireo rafi-tantara ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hitondra zavatra na sary anankiray izay maneho fanomezana ara-batana na ara-panahy izay antenain’izy ireo holovaina. Asao izy ireo mba hizara ny zavatra izay nentiny sy ny antony hitiavany handova izany.

Romana 8:18–39

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana sy fisalasalana izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao zavatra ho an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay maneho ny fitiavany amin’ny alalan’ny fihetsika fa tsy amin’ny teny ary mba ho vonona hizara ny zavatra nianarany avy tamin’io zavatra izay niainany io.

  • Fitaovana ho an’ireo mpianatra: Sombin-taratasy kely anankiray isaky ny mpianatra tsirairay

  • Mozika: Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny haneho ireo horonan-tsary momba ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

Romana 12–15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahita ireo fomba ahafahana miray hina kokoa amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fotoana izay hahafahan’ireo mpianatra hizatra hampihatra eo amin’ny fiainany ny sasany amin’ireo fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanamarihana: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hangataka amin’ny namana na olona roa na telo avy ao amin’ny fianakaviana mba hizara amin’izy ireo andinin-tsoratra masina anankiray ao amin’ny Testamenta Vaovao izay mba iriny halalinina sy hampiharin’ny zatovo rehetra manerana izao tontolo izao eo amin’ny fiainany. Asao ireo mpianatra hanoratra ireo andinin-tsoratra masina nozarain’ny namany sy ny fianakaviany ary avy eo dia miomana hizara ireo andinin-tsoratra masina ireo ao am-pianarana.

  • Zavatra ilaina: Tapa-taratasy kely miisa dimampolo amby zato ao anaty lovia na fitoeran-javatra hafa

  • Tabilao: Asehoy ny tabilao izay misy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja izay miaraka aminy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra mba hampiasa ny fitaovam-pifaneraserana chat mba hizarana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray izay tsapan’izy ireo fa afaka manamafy orina ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Avy eo dia misafidiana ny sasany amin’ireo mpianatra mba hanazava amin’ny iray kilasy ny antony nisafidianany ilay andinin-tsoratra masina izay nozarainy.