Seminera
Apokalypsy 6–7


Apokalypsy 6–7

“Iza no ho tafajoro?”

Sary
Fianakaviana iray mivondrona ao anatin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana. Mijery ilay sarivongana antsoina hoe Christus izy ireo.

Tao anatin’ny fanambarana izay nataony, dia nahita fahitana momba ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra i Jaona nanokatra ny tombokase enina voalohany tamin’ny boky voaisy tombokase. Tamin’ny fanokafana ny tombokase fahenina, dia naseho an’i Jaona ny fahoriana lehibe, narahin’ny fahitana ny amin’ ireo mpanompon’ Andriamanitra izay lasa nadio tamin’ny alalan’ny ràn’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, izay nitsaoka teo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra (jereo ny Apokalypsy 7:9–15). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy mba ho lasa madio sy hijanona ho mahatoky mandritra ny fahoriana amin’ny andro farany.

Fankasitrahana ny fandraisan’anjaran’ireo mpianatra. Mitadiava fomba hankasitrahana sy hiderana ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra tsirairay. Ampitao tsy tapaka amin’ireo mpianatra fa tena ilaina sy ankasitrahana ny fandraisany anjara amin’ny fizotran’ny fianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny fanontaniana izay hita ao amin’ny Apokalypsy 6:17 ary ho tonga hivonona hizara ny zavatra izay heveriny fa ilaina mba hanoherana ny fampahorian’ny andro farany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanokafana ny tombokase enina voalohany

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra manahirana anao amin’ny fiainana amin’ny andro farany? Nahoana?

  • Inona no zavatra mampientanentana anao amin’ny fiainana amin’ny andro farany? Nahoana?

Sary
Ala tahaka iray ankehitriny ny endriky ny horonan-taratasy papiriosy fahiny izay navalona sy nasiana tombokase tamina tombokase tanimanga maro. Ny fanasiana tombokase antontan-taratasy fahiny araka io fomba io dia nahafantarana ny tompony sy ny fahefana nananany, sy nahatonga ilay antontan-taratasy ho voafehin’ny lalàna ary voaro amin’ny famborahana tsy nahazoana lalana ny ao anatin’izany. Ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-olona mendrika hany afaka manokatra sy mamaky ilay boky voaisy tombokase Azy ao amin’ny Apokalypsy dia manasongadina ny fahefany amin’ny maha-mpanatanteraka ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra Azy.

Tsarovy fa tao amin’ny Apokalypsy 5, i Jaona dia nahita boky misy tombokase fito izay i Jesoa Kristy irery ihany no mendrika hanokatra izany. Ny tombokase tsirairay dia maneho ny fe-potoana 1.000 taona teo amin’ny tantara teto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:7). Nanomboka tamin’ny Apokalypsy 6:12, dia nahita ny fanokafana ny tombokase fahenina i Jaona. Ny tombokase fahenina dia maneho ny arivo taona mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ary azo inoana fa ahitana ny fotoana izay iainantsika ankehitriny.

Ho fampahalalana sy fanazavana momba ireo sariohatra nofaritan’i Jaona ho an’ireo tombokase enina voalohany (jereo ny Apokalypsy 6:1–11), dia jereo ny “Apokalypsy 6. Ireo tombokase enina voalohany” ao amin’ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (2014), 542–43.

Vakio ny Apokalypsy 6:12–16, ary tadiavo ny sasany amin’ireo zava-nitranga izay hitan’i Jaona nandritra ny fanokafana ny tombokase fahenina.

  • Inona no zavatra nanaitra anao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona ny zavatra hianaranao avy amin’ny andininy 15–16 mikasika ny toe-piainana ara-panahin’ny maro izay miaina mandritra ny fanokafana ny tombokase fahenina?

Vakio ny Apokalypsy 6:17 ary asio marika ilay fanontaniana ao amin’io andininy io.

Mety ho fotoana mahomby hanasana ireo mpianatra hizara ny eritreriny avy amin’ny asa fanomanana ny mpianatra izany.

  • Ahoana no fomba hilazanao io fanontanian’i Jaona io amin’ny teninao manokana?

  • Inona araka ny hevitrao no valin’ny fanontaniana izay napetrak’i Jaona?

Na dia eo aza ny fandravana sy ny faharatsiana nambara amin’ny andro farany, dia diniho ny zavatra rehetra izay nataon’ny Tompo sy ny ataony mba hikarakarana ireo Olomasina ho fanomanana ny fiverenany eto an-tany.

  • Inona no zavatra izay nataon’ny Mpamonjy ary inona no ataony ankehitriny mba hanomanana sy hiarovana ny Olomasiny?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hamaly ilay fanontaniana ao amin’ny Apokalypsy 6:17. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy manampy anao hahatsapa fiadanana sy fifaliana rehefa miezaka miaritra ireo olana ara-panahy sy ara-batana amin’ny andro farany ianao.

Nahita fiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany sy fahitana momba ny fanjakana selestialy i Jaona

Ao amin’ny Apokalypsy 7, i Jaona dia nahita anjely efatra nirahin’ Andriamanitra izay nanana hery mba hamonjy sy handrava ny fiainana eto an-tany (jereo ny Apokalypsy 7:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8). Hitan’i Jaona mialoha ireo anjely izay niomana ny handatsaka faharavana eto an-tany ho fanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Hitany koa fa nomena fiarovana ireo mpikambana tao amin’ny fokon’i Isiraely (jereo ny (Apokalypsy 7:1–8; 9:3–4). Nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy izy.

Raha te hahazo fampahalalana kokoa momba ireo mpisorona avo miisa 144.000 ireo mpianatra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:11) izay nofariparitan’i Jaona, dia ampiasao ny sasany amin’ireo loharanom-pahalalana izay hita ao amin’ny “Apokalypsy 7:2–8. Iza ireo 144.000 amin’ny fokon’ny Israely, ary inona no tombokase nasiana teo amin’ny handriny?” ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” .

Vakio ny Apokalypsy 7:9–12, ka tadiavo ny fomba namariparitan’i Jaona ny olona ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Firy ny olona hitan’i Jaona, ary nahoana no zava-dehibe izany?

  • Inona no zavatra nanaitra anao momba ny teny sy ny fihetsik’ireo olona ireo?

Manaraka izany, dia vakio ny Apokalypsy 7:13–14 ary tadiavo ireo fitahiana izay miandry ny olona mahatoky sy nahafahan’ny olona niditra teo anatrehan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no fomba hanampian’ireo andininy ireo amin’ny famaliana ny fanontaniana izay napetraka ao amin’ny Apokalypsy 6:17?

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe fitafiana nosasana ho fotsy tamin’ny ran’ny Zanakondry?

Fitsipika anankiray azo fantarina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana sy lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, dia higoka ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra.

Ankoatra ny fanomezana ny mpianatra ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia asao izy ireo hitady soratra masina izay maneho ny fomba ahafahantsika ho voadio amin’ny alalan’ny ran’i Jesoa Kristy. Ny fomba anankiray ahafahan’izy ireo manao izany dia ny fikarohana lohahevitra toy ny hoe “Mamela” na “Fanamasinana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Mba hahatakarana kokoa ny dikan’ny hoe natao fotsy avy tamin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjontsika sy ny fomba izay ahafahanao mahazo izany fitahiana izany, dia halalino ny sasantsasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Isaia 1:18

Almà 7:14

Môrmôna 9:6

Môrônia 10:32–33

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43

  • Inona no zavatra izay nianaranao mikasika ny Mpamonjy sy ny herin’ny Sorompanavotany?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany azonao atomboka mba hahafahanao mahazo ny hery manadio an’i Jesoa Kristy dieny izao?

Fiadanana ary fitsaharana amin’ Andriamanitra

Vakio ny Apokalypsy 7:15–17, ary tadiavo ireo fitahiana betsaka kokoa izay hitan’i Jaona fa hiainan’ny olo-marina any amin’ny fanjakana selestialy.

  • Inona amin’ireo fitahiana ireo no toa manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana ireo fitahiana ho avy ireo hisy fiantraikany amin’ny fitondrantenanao ankehitriny?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Apokalypsy 7:1. Inona no antony nanirahana sy ny zavatra fonosin’ireo anjely efatra ireo?

Apokalypsy 7:1 dia manondro anjely efatra, ny vazan-tany efatra, ary ny rivotra efatry ny tany. Ny isa efatra ao amin’ny soratra masina dia matetika milaza ny fahafenoana ara-jeografika, toy ny amin’ny fitodihana efatra amin’ny kompà. Ireo anjely ireo dia nirahina hanolotra ny filazantsara mandrakizay amin’ny “firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny vahoaka rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8).

Apokalypsy 7:2–8. Iza ireo 144 000 amin’ny fokon’ny Israely, ary inona no tombokase natao teo amin’ny handrin’izy ireo?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:11, ny Tompo dia nanazava tamin’i Joseph Smith fa ny isa 144.000 voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:4–8 dia ny isan’ny solontena avy amin’ireo foko roa ambin’ny folo an’i Isiraely izay hotendrena hanampy ny hafa amin’ny fikatsahany ny fisandratana. Tsy araka izay inoan’ny sasany fa hoe fitambaran’ny olona hasandratra anefa izany.

Mikasika ny fanisiana tombokase “eo amin’ny handrin’ny … mpanompon’ Andriamanitra” (Apokalypsy 7:3), dia nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa izany dia “midika fa famehezana ny tsodrano eo amin’ny lohany, izany hoe ny fanekempihavanana mandrakizay” (ao amin’ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume E-1, 1690, josephsmithpapers.org).

Ahoana no ahafahako manomboka ny dingan’ny fanasana ny akanjoko ho “fotsy amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry”? ( Apokalypsy 7:14)

Ny Loholona Lynn A. Mickelsen tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Lynn A. Mickelsen tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, 1999. Nisaorana nandritra ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany ny sabotsy 3 ôktôbra 2009.

Ny andraikitsika dia ny manao ny asan’ny fibebahana. Tsy maintsy miala amin’ny fahotantsika isika mba hanombohan’ny fanadiovana. Ny fampanantenan’ny Tompo dia ny hanadio ny akanjontsika amin’ny rany [jereo ny Apokalypsy 7:14 ]. Nanolotra ny ainy Izy ary nijaly noho ny fahotantsika rehetra. Afaka manavotra antsika amin’ny fahalavoantsika manokana Izy. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, nanolotra ny Tenany ho avotra noho ny fahotantsika, dia nanome lalana ny Fanahy Masina hanadio antsika amin’ny batisan’ny afo Izy.

(Lynn A. Mickelsen, “The Atonement, Repentance, and Dirty Linen,” Ensign na Liahona, Nôv. 2003, 12)

Ahoana no fomba ahafahako mahazo ny hery sy ny fiarovana atolotry ny Mpamonjy ho an’ireo Olomasiny mandritra ny andro farany?

Ao amin’ny 1 Nefia 14:12–17 i Nefia dia nahita ny faharatsiana sy ny faharavan’ny andro farany ary ireo Olomasina dia “mirongo fiadiana amin’ny fahamarinana sy amin’ny herin’ Andriamanitra amin’ny voninahitra lehibe” (andininy 14). Raha niresaka momba ny fomba ahafahantsika mitaona ny tenantsika amin’ireo fitahiana ireo ihany koa ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Ahoana no ahafahantsika mitafy fahamarinana sy hery? Mihazona tsy tapaka ny andro Sabata ho masina sy manaja ny fisoronana isika. Manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana, manao asa mikasika ny tantaram-pianakaviantsika, ary mandeha any amin’ny tempoly isika. Miezaka ny mibebaka tsy tapaka sy mitalaho amin’ny Tompo isika mba “hampihatra ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy hahazoan[tsika] mandray ny famelana ny fahotan[tsika]” (Môzià 4:2). Mivavaka sy manompo ary mijoro ho vavolombelona sy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika.

(Henry B. Eyring, “Mitafy fahamarinana,” Liahona, Mar. 2017, 4)

Sahanasa fianarana fanampiny

Apokalypsy 6:1–11. Ny tombokase dimy voalohany

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny dikan’ireo tombokase ireo dia asaivo mandalina ny iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto izy ireo ary manao sary izay lazainy:

Tombokase voalohany (Apokalypsy 6:1–2)

Tombokase faharoa (Apokalypsy 6:3–4)

Tombokase fahatelo (Apokalypsy 6:5–6)

Tombokase fahaefatra (Apokalypsy 6:7–8)

Tombokase fahadimy (Apokalypsy 6:9–11)

Asao hizara ny sary izay nataony ireo mpianatra. Mba hahazoana fanampiana amin’ny fanakarana ireo sariohatra ao amin’ireo andininy ireo dia jereo ny “Apokalypsy 6. Ireo tombokase enina voalohany” ao amin’ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (2014), 542–43.

“Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” (1 Nefia 14:14)

Azonao zaraina ny sasany amin’ireo fomba itahian’ny Mpamonjy sy iarovany ireo Olomasiny amin’ny andro farany amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hampifandrohy na hampifandray ny Apokalypsy 6:12–17 amin’ny 1 Nefia 14:12–17 . Zarao amin’ny mpianatra ny fanambarana nataon’ny Filoha Eyring ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ary hevero ny hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe mitafy ny herin’ Andriamanitra ho fiadiana?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy anao hijanona ho voaro sy ho mendrika mandritra ny korontana amin’ny andro farany?